Italy: TSIA amin'ny famerana ny fahalalahana miteny ao amin'ny aterineto

Raha mampivoitra hetaheta ny hananganana “toeran'ny fahalalahana mampahafantatra vaovao” miaraka amin'ny fanampian'ny Islandy [EN] ny raharaha WikiLeaks [EN], ny governemanta Italiana kosa dia toa mitongilana any amin'ny lalana mifanohitra amin'izany.

Ny famoronana lalàna mikasika ny Media sy ny fihainoana [EN] izay teo ambanin'ny fandinihan'ny parlemanta Italiana efa roa taona izao (notsikerain'ny Firenena Mikambana mafy) [amin'ny teny Italiana daholo ireo rohy manomboka eto] dia nampiditra “lalàna mampihomehy” amin'ny famerana ireo mpanao gazety amin'ny famoahana ireo feo voatahiry nandritra ireo fanadihadiana, mety ho an'ny tombon-tsoan'ny vahoaka. Vokatry ny fanohanana ny hetsi-panoheran'ireo vahoaka sy ireo mpanao gazety, nesorina tao anatin'ilay lalàna ireo famerana ireo ny 21 Jolay. Kanefa ny endriny vaovao dia mbola ahitana fehezanteny kely mikasika ity famerana ny fahalalahana miteny ao amin'ny aterineto ity ihany, izay antsoina hoe “famonoam-blaogy” (And. 29 Toko. 1). Araka ny fanazavan'ny vondrom-blaogy MAVAFFANCULP izany:

Una norma introdotta riguarda infatti proprio il mondo del web e non si capisce cosa c'entri con le intercettazioni telefoniche. E’ infatti fatto obbligo a qualsiasi blog e quindi a qualsiasi blogger di rettificare nello spazio di 48 ore una notizia o un articolo che possa contenere una informazione non corretta.

In sostanza, se la norma venisse approvata, tutti i blogger dovrebbero stare all'erta per pubblicare una eventuale rettifica che gli sia richiesta pena una multa di 12.500 euro. Non c'è verso di fare neppure una settimana di vacanza tranquilli! E’ evidente che questo porterà molti siti a una scelta drastica. O si chiude o si smette di occuparci di argomenti su cui i potenti, e i loro agguerriti avvocati, sono particolarmente sensibili.

Iray amin'ireo fandaharana natolotra amin'ny tetikasa no mikendry manokana  ny tontolon'ny aterineto ary tsy mazava ny hidiran'izany amin'ireo fihainoan-dresaka. Tsy maintsy ataon'ny blaogy tsirairay ny manitsy ao anatin'ny 48 ora ireo vaovao na lahatsoratra mety misy vaovao diso .

Raha ny fototra no jerena, raha ohatra ka ekena amin'ny endrika misy azy ankehitrio ilay lalàna, mila manao ireo fanitsiana notakiana ireo mpitoraka blaogy tsirairay raha tsy te handoa onitra hatramin'ny 12,500 Eoro. Tsy misy ahafahana miala sasatra na dia kely aza! Mazava ho azy fa manery ireo vohikala maro hanao safidy mafy dia mafy izany. Na manakatona tanteraka ny vohikala na tsy manoratra mikasika ireo olona manam-pahefana, sy ireo mpahay lalàna tia adin-dry zareo, dia tena mampihetsi-po.

Indray mandeha indray, nikiaka ny tsy fahafalian'izy ireo tany anaty aterineto sy teny an-dalambe ny olona. Ilay vondrom-piarahamonina anaty aterineto  Valigia Blu no nandrindra ny ankamaroan'ny hetsika tamin'ireo herinandro lasa teo ireny, isan'izany ny fihaonambe goavana nokarakaraina tamin'ny Alakamisy 29 Jolay tamin'ny 4 ora tolakandro, tao amin'ny Piazza Montecitorio, tanàna afovoan'i Rome, mba hanamarihana ny fanombohan'ny fandinihana farany ny lalàna hataon'ny Parlemanta.

No Gag Rule protest, Piazza Navona, Rome, 1 July (CC BY-NC-SA)

Hetsika fanoherana ny lalàna mampihomehy, tany Piazza Navona,
Roma, 1 Jolay (CC BY-NC-SA)

Eo am-piandrasana izany, dia nentanina ny olona hanao sonia taratasy iray halefa ho an'ireo Solombavam-bahoaka ho  “fanokafana indray ny adihevitra momba ny And. 29 amin'ny Toko.1″: olom-pirenena maherin'ny 11.000 no nanao sonia azy ity, ho fanampin'ireo sonia  240,000 izay efa voahangona talohany nandritra ny hetsika natao tao Roma tamin'ny 1 Jolay – jereo ny sary etsy ankavia, avy amin'ny rindran-tsarin'ny Valigia Blu ao amin'ny  Flickr.

Maro ny horonantsary nalain'ireo nanatrika no mandehandeha any amin'ny YouTube, ao anatin'izany ity horonantsarin'i nikilnero eto ambany ity.

Miparitaka any amin'ny Twitter amin'ny tenifototra #nobavaglio ihany koa ity fampahafantarana ity:

No al bavaglio della rete su Twitter

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.