Côte d'Ivoire: Noafahana ireo mpanao gazety nampangaina ho nangalatra antontan-taratasy

Noafahana androany hariva ihany tamin'ny ora farany, ireo mpanao gazety telo ao amin'ny Le Nouveau Courrier d'Abidjan izay nogadraina noho ny fandavan'izy ireo ny hamoaka ny loharanom-baovao [Fr] taorian'ny fitsapana nahazo azy ireo nandritra ny roa herinandro. Tamin'ny 19 Jolay , namoaka ny tatitry ny fanadihadiana mikasika ny fanondranana kafe sy kakao any ivelany ao Côte d'ivoire ny Le Nouveau Courrier, izay nahatonga ny fidinan'ny polisy tao amin'ny biraon'ny gazety. Notazonin'ny polisy tao aminy i Stéphane Guédé mpanoratra, i Théophile Kouamouo talen'ny fanoratana [no sady nahazo vatsy Rising Voices ] ary ny tonia   Saint Clavier Oula, raha tsy mbola hitan'izy ireo ny antontan-taratasy niaingan'ny lahatsoratra, ary nandà ny hanome azy ireo izany ny gazety . Roa andro taty aoriana, nentina tany am-ponja izy ireo, ary tany izy ireo no niandry ny fitsarana azy. Raha ny voalazan'i Rue89 [Fr], nampangaina izy ireo noho ny :

* « vol de document administratif »,

* « diffusion d'information sur un dossier judiciaire non encore évoqué à l'audience publique »,

* « révélation d'un document couvert par le secret ».

* fangalarana ny antontan-taratasim-panjakana ,

* fanelezam-baovao antontan-taratasin'ny fitsarana mbola tsy nandalo fotoam-pitsarana

* namoaka ampahibemaso ireo antontan-taratasy arovan'ny tsiambaratelo

Théophile Kouamouo sy Saint-Clavier Oula

Tokony namoaka ny didiny ny mpitsara ny Zoma 23 Jolay lasa teo. Namana maro, mpiray asa maro, sy ireo mpitoraka bilaogy no naneho ny fanohanany tamin'ny alalan'ny T-shirt novidiana tamin'ny alalan'ny facebook tany amin'ny tribonaly sy sorabaventy maro nandritra ny andro maromaro . Azo vakiana toy izao ny soratra amin'ilay T-shirt :

eo aloha:

Liberté Fragile

Pour le journalisme d'investigation

Fahalalahana mora potika

Manohana ny fanaovan-gazetim-panadihadiana

Aoriana

Pour tous ceux qui:

-n'abandonnent jamais!

-oeuvrent pour la verité!

-croient en une liberté d'expression!

Ho an'ireo rehetra izay :

-tsy mitsoak'ady mihitsy !

-miasa ho amin'ny fahamarinana !

-mino ny fanehoan-kevitra an-kahalalahana !

Tamin'ny zoma dia nahemotra noho ny antony tsy mazava ho androany indray ny famoahana ny didy. Nikarakara hetsika teo anoloan'ny Fitsarana tany Abidjan ho amin'ny famoahana azy ireo , ny Komity Ivoariana misahana ny Fiarovana ireo mpanao gazety (izay namoaka ihany koa ny fanambarana [Fr] mikasika io tranga io ) . Raha ny hevitr'ireo nahita maso ao amin'ny Avenue225 [Fr], nifindra teo akaikin'ny katedraly ireo mpanao gazety nanao fihetsiketsehana noho ireo fandrahonana an-kerisetra nataon'ireo polisy. Fotoana vitsy taty aoriana, nitatitra teo amin'ny Twitter i Jean-Patrick Ehouman:

à Abidjan, la police vient d'entrée dans la cathédrale pour s'en prendre aux journalistes manifestants.violation des franchises religieuses

Any Abidjan, vao niditra tao amin'ny katedraly ireo polisy hanafika ireo mpanao gazety manao fihetsiketsehana . Voadika ny fahalalahana ara-pivavahana .

Ireo mpanao gazety manao fampisehoana tamin'ny 23 Jolay

nitatitra ireo fihetsiky ny polisy mahery setra ny bilaogin'ny Le Nouveau Courrier [Fr] :

Les hommes en tenue ont arraché, au vu et au su de tous les témoins, des portables de certains confrères. L’appareil photo d’un confrère de Nord-Sud quotidien – qui a essuyé des coups de matraque et bottes des agents de police – a été confisqué par les éléments du commissaire Oré. Il a dû se battre contre la horde de policiers pour retrouver son matériel de travail.

Nanendaka ireo findain'ireo mpiray asa sasany eo imason'ny rehetra ireto lehilahy manao fanamiana ireto. Notazonin'ireo lehilahy teo ambanin'ny baikon'ny superintendant Oré ihany koa ny fakan-tsarin'ny mpiray asa ao amin'ny gazety mpivoaka isan'andro Nord-Sud -izay nahazo daroka kibay sy daka tamin'ny polisy koa . Tsy maintsy ho niady mafy tamin'ny mpitandro ny filaminana izy mba hahazoany indray ireo fitaovam-piasany .

i Théophile Kouamouo eo amin'ny fitsarana

Androany ary dia niakatra avo dia avo ny maripana sy ny fanantenana tao amin'ny fitsarana. Azo narahina mivantana tamin'ny alalan'ny Twitter tamin'ny alalan'ny fampiasana ny #kouamouo nalefan'ny mpisolovava mpiaro ny open-source Nnenna Nwakanma ny fotoam-pitsarana izay naharitra ora maro. Nitatitra ny didim-pitsarana farany izy teo amin'ny 8 ora alina teo , ora eo an-toerana:

Non coupable. Tsy meloka . Izay no didy . Misaotra amin'ny fanohananareo .

Didy 2. Fivarotana indray ireo antontan-taratasy nangalarina : Tsy meloka

Didy 3: halatra antontan-taratasin'ny mpitsara : tsy meloka

Didy 4: Famoahana vaovao mbola eo anivon'ny fitsarana : meloka . Mandoa 10 000 dolara amerikana ary miato mandritra ny 15 andro ny famoahan-gazety

Na izany aza, tsy ho tafavoaka ireo mpanao gazety raha tsy ny  afak'ampitso maraina. Taorian'ny nanambarana izany vaovao tsara izany, nanontany ny mpandraharaha eo an-toerana sy mpitoraka bilaogy Christian Roland [fr]

pourquoi un homme libre doit il dormir encore une nuit en prison a cause de la procédure????

Fa maninona ny olona noafahana no mbola mijanona matory mandritra ny alina ao am-ponja, noho ny fomba tsy maintsy arahina ve ????

Ary nanampy izy hoe :

C'est décidé dans 15 jours je m'abonne au nouveau courrier

Nanapa-kevitra aho : Afaka 15 andro, hisoratra anarana ao amin'ny Le Nouveau Courrier aho

Ao amin'ny Facebook, mitobaka ireo sarin'ireo hafatra mankalaza. Nanoratra ity hafatra manaraka ity i Manasse Dehe, mpamorona ny vondrona “POUR LA LIBERATION DE THEOPHILE KOUAMOUO ET SES COLLABORATEURS” :

Vive la liberté de la Presse. Merci, merci, merci, nous n'oublierons jamais tous ceux qui ont signé les pétitions en ligne, qui ont mis à jour leurs statuts par rapport à la libération des journalistes du nouveau courrier, et qui sont allés les voir en prison. Maintenant on parlera de tout ceci au passé. Nous avons obtenu la victoire et c'est en partie grâce à vous !!!!!

Préparons nous à accueillir les héros du journalisme d'investigation, ceux qui mettent leurs vies en péril pour offrir aux ivoiriens l'information de qualité. Que du Bonheur ce soir au sein de la rédaction du Nouveau Courrier ce soir

Ho ela velona anie ny fahalalahan'ny mpanao gazety . Misaotra, misaotra, misaotra, tsy ho adinonay mihitsy ireo izay nanao sonia ny fanagonan-tsonia tamin'ny aterineto, izay nanavao ireo satany hanafahana ireo mpanao gazetin'ny Le Nouveau Courrier ary ireo rehetra nijery azy ireo tany am-ponja. Ankehitriny dia hiresaka ny zava-niseho isika. Nandresy isika ary ianareo no anisan'ny nahatonga izany !!!!!

Ndao hiomana handray ireo olo-malazan'ny fanaovan-gazety mpanao fanadihadiana, ireo izay nanao sorona ny fiainany mba hanomezana ny vaovao tsara kalitao ho an'ny Ivoriana. Misy hafaliam-be androany alina ao amin'ny Le Nouveau Courrier

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.