Kolombia: adihevitra ao amin'ny Twitter momba ny faharoanjato taona sy sary famantaran'ny Google

Nankalaza ny faharoanjato taona nanambarana ny fahaleovantenany sy ny fanombohan'ny ady izay nifarana ny 7 Aogositra 1819, izany hoe rehefa nahazo madio mangarangarana ny fahaleovantenany avy tamin'i Espaina i Granada vaovao, ny 20 jolay lasa teo i Kolombia.

Fireworks during the celebration of the Bicentenary of Colombian independence in Medellín

Afomanga nandritra ny fankalzana ny faharoanjato taonan'ny fahaleovantena tao Medellín ny 19 Jolay 2010. Sary avy amin'ny Flickr an'i Telemedellín, fahazoan-dalana Creative Commons.

Vao maraina tamin'io andro io dia taitra noho ny sarim-pamantarana nasehon'i Google fiantso hoe Doodle ny mpampiasa Twitter sasantsasany, fa nasongadina [es] tao amin'ny takela-pandraisan'ny Google Kolombiana [es] izy io. Tovovavy 14 taona antsoina hoe Yennifer Valderrama no nanoritsoritra ilay sarim-pamantarana, izay maneho [es] “ Sarina sambo Espaniola iray mandao ny nosintsika sy ny saina Kolombiana izay natsatoka tamin'ny iray amin'izy ireny ho mariky ny fahafahana.”

@atodamusica

estoy equivocado? pero el dodle de google parece mas al descubrimiento de america

Diso ve aho? fa tahaka ny nahitana an'i Amerika no asehon'ny Doodle-n'i google

@VeelaLatina

Ese doodle quedaría mas si hoy fuera 12 de Octubre de 2012

Mety kokoa io doodle io raha 12 Oktobra 2012 androany

@Vivian_Vanegas

No puedo dejar de mirar el doodle de Google.. parece Logo de conquista y no de #Independencia … #epicfail

Tsy mitsahatra mijery ny Doodle an'i Google hatrany aho… tahaka ny sarim-pamantarana fananiham-bohitra ilay izy fa tsy #fahaleovantena … #nandamoka

@yiraplaza

el doodle de google hoy parece más una apología a la colonización que a la supuesta independencia que se celebra hoy #bicentenario

Androany dia tahaka ny fiarovana ny fanjanahantany ny Doodle an'i Google fa tsy ilay hoe fahaleovantena izay ankalazaina ankehitriny #roanjatotaona

@rolita99

Que chevere el doodle de google, dibujado por una niña colombiana de 14 años #bicentenario

Tena mahafinaritra tokoa ilay Doodle an'ny Google, nolokoina zazavavy Kolombiana 14 taona #roanjatotaona

@nicvel

Y el doodle de Google recuerda un poco más la Independencia de Cartagena, 11 Noviembre 1811, que el berrinche Santafereño, 20 Julio 1810

Ary mampahatsiahy ahy kokoa ny fahaleovantenan'i Cartagena, 11 Novambra 1811 ilay Doodl an'i Google fa tsy ny an'ny Santafé 20 Jolay 2010

@vtooto

¿lo que pinto la niña en el doodle de google es el canal de panama?

Fa ny lakandranon'i Panama ve no nataon'ilay zazavavy sary ao amin'ny Doodle an'i Google e?

Ny hafa indray moa nametraka ny heviny sy ny fomba fijeriny momba ny fankalazana:

@pcastano

Hoy festeja ese país de la historiografía de bolsillo, de la bandera como manilla, del sombrero vueltiao de cartulina y del ‘pop tropical’.

Ankehitriny ity firenen'ny boky tantara fanao am-paosy ity, voafihina an-tanana ny sainam-pirenena, vita amin'ny sombrero vueltiao ny sary fandefa amin'ny paositra ary amin'ny ‘pop tropical ‘ no ankalazana azy.

@MaisAngel

Si uno ama al país del que es, tener actitud crítica, que no necesariamente es criticona, es lo mejor que puede hacer para aportarle.

Raha tianao ity tanindrazana izay iavianao ity, ny fananana saina mahay mitsikera, izay tsy voatery ho fahadisoana ny fahitana kilema iray, no fomba tsara indrindra andraisana anjara.

@jorgetobon

Celebrar el #bicentenario no es respaldar la labor de gobierno Uribe, para que no confundan los que dicen que no se sienten colombianos.

Tsy fanohanana ny fitondran'i Uribe tsy akory ny fankalazana ny  faha #roanjatotaona, koa ho an'irey izay tsy mahatsapa ho Kolombiana aza afangaro [izy roa ireo].

@paitocp

Ya se les dijo que hoy no es dia de criticar, pero tampoco se hagan los patriotas gritando a los 4vientos “que LInda es Colombia” falsos.

Efa nilazana ianareo hoe tsy andro fanaovana tsikera androany, fa aza midoka ihany koa hoe ny fitiavan-tanindrazana dia ny fiantsoantsoanareo amin'ny rehetra fa “Mahafinaritra aoka izany i Kolombia,” ry mpihatsaravelatsihy ô.

@JuanKmesa

El problema es que los colombianos nos creemos los más chimbitas, y eso no nos deja aceptar que hay problemas que resolver #Bicentenario

Ny olana amintsika Kolombiana dia ny fiheverantsika antsika ho ny fatratra indrindra, ary izay no amelantsika hahita fa misy ny olana mbola ilaina hovahana #Roanjatotaona

@juaneslewin

Mi TL saca chispas motivo #bicentenario. Hoy no veo por ninguna parte la tal unidad nacional que creó Ingrid Betancur.

Mikorontana aoka izany ny fandaharampotoanako noho ny faha #roanjatotaona. Tsy hitako mihitsy androany na aiza na aiza ilay antsoina hoe firaisam-pirenena noforonin'i Íngrid Betanc[o]ur[t].

@ElReticente

les recuerdo a los q nos mandan a callar o nos invitan a salir del país, q la independencia se hizó gracias a gente inconforme #Bicentenario

Mpamahatsiahy anareo aho akombony io na mialà eto an-tanindrazana, fa azo ny fahaleovantena noho ny olona tsy mpanara-driandrano #roanjatotaona

@jovelezva

Son 200 años de historia de una Patria que construímos usted y yo día a día nos unen nuestros anhelos por un futuro mejor FELIZ BICENTENARIO

200 taonan'ny tantaran'ny tanindrazana izay aorin'izaho sy ianao isan'nadro izao, ny firariantsoantsika ho amin'ny ho avy mamirapiratra no mapiaraka antsika hiteny ny NAHATRATRA NY FAHAROANJATOTAONA

@OkimXD

Colombia = Pasion, TwitterColombia = DRAMA! ni HOY se calma el drama…

Colombia = Fitiavana, TwitterColombia = DRAME [LOZA]! Na ny loza ANDROANY aza tsy mora ny manala azy…

@tintaimpresa

Realmente no me siento comodo con ninguna muestra de poder militar. Muy bonitos sus aviones… Pero no los quiero cerca

Ny tena marina tsy azoko loatra ny aiko amin'ny fampisehoankery ataon'ny miaramila. Mahasondriana ny vorombin'izy ireo… saingy tsy tiako ny manakaiky azy ireo

@machecor

Saber que tanto desfile, tantos Tucanos y tanta cosa se ve de juguete al lado de los tanques, Sukhoi y F16 de los vecinos…

Fantatra moa fa izao fihetsiketsehana fatratra izao, izao Tucanos maro dia maro izao ary izao karazanjavatra isankarazany izao dia toy ny kilalao raha miohatra amin'ny fiara mifono vy, Sukhois, ary F16 ananan'ny mpifanolo-tsisintany amintsika…

@leidymarmalade

La historia de todo lo malo que nos han hecho puede ser la misma historia de lo pusilánimes que hemos sido.

Ny tantara ratsy rehetra napetrak'izy ireo tamintsika dia sahala ihany amin'ny fanehoana tantaran'ny fahosantsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.