Nizeria: Iza no nampiova hevitra ny Filoha— Facebook sa FIFA?

Firenena tsy maro mpahalala i Nizeria raha mikasika ny fandraisan'andraikitr'ireo mpitondra . Tsy dia fahita loatra izany hoe mpanao pôlitika ambony mifandray amin'ny mpifidy azy izany, ary matetika ahenoana fitarainana fa hoe tsy misy mihaino ny feom-bahoaka. Kanefa i Goodluck Jonathan mpitondra vaovao voatendry dia mety hanova izany: herinandro vitsy lasa izay dia nanokatra kaonty Facebook izy, ary roa andro taorian'izay dia niverina tamin'ny fanapahan-kevitra rehefa namoahan'ireo mpankafy an-jatony tsikera tao amin'ny rindriny.

Ity fanapahan-kevitra ity dia noraisina taorian'ny ny nahalatsaka ny ekipa Nizeriana noho ny tsy fahaiza-manaony tamin'ny fiadiana ny Amboara Eran-tany ho an'ny baolina kitra. Taorian'ny nahalatsaka azy ireo tamin'ny fifaninanana, dia nanambara i Jonathan fa mety haato mandritra ny roa taona ny ekipa mandritra ny fametrahana tetikady hanafoanana ny kolikoly. “Ny olan'ny baolina kitra Nizeriana dia ny rafitra,” hoy ny mpanolotsaina ara-pifandraisan'ny filoha tamin'ireo mpanao gazety. “Ilaina ny misintaka ireo fifaninana baolina kitra iraisam-pirenena rehetra mba handaminantsika ny tokantranontsika.” Nefa maro ireo mpankafy no tsy faly tamin'izany vaovao izany, miteny fa tsy rariny izany fiatoana izany. Tamin'ny 5 Jolay, dia niverina tamin'ny fanapahan-keviny i Jonathan, namoaka ity hafatra manaraka ity tao amin'ny rindrin'ny Facebook-ny:

Namaky ny hafatrareo aho ary nodinihana izy ireny tamin'ny fandraisana fanapahan-kevitra  nataon'ny governemanta hanafoana ny fampiatoana an'i Nizeria amin'ny baolina kitra iraisam-pirenena. Nihaona tamin'ny NFF [Federasiona nasionalin’ny Baolina kitra ao Nizeria] aho androany ary naneho ny fahadisoam-panantenako sy ny an'ireo Nizeriana ato amin'ity pejy ity ary nahazo ireo toky fa hisy ny fiovana tsara…

Kanefa tena noho ny feon'ireo mponina naneho ny ahiahian'izy ireo tao amin'ny Facebook ve no nampiova ny fanapahan-kevitr'i Jonathan? FIFA, ny birao iraisam-pirenena mitantana ny baolina kitra, dia tsy nanaiky ihany koa ity fampiatoana ity, ary nanome herinandro ny filoha hanafoanana izany. Ny fanapahan-kevitr'i Jonathan hanavao ny ekipa dia rava tamin'ny andro farany nomen'ny FIFA, nitarika ny maro hieritreritra raha ny tanjak'ity fikambanan'ny baolina kitra  ity – fa tsy  noho ireo vahoaka Nizeriana loatra– no nahatonga azy hanova ny heviny. SolomonSydelle manoratra:

Izao dia mampisaina fa niforitra tamin'ny fanerena  nataon'ny fikambanana ara-panatanjahantena iray  i Jonathan. Ary izany fomba fijery izany dia mety hanimba an'i Jonathan izay tsy manana afa-tsy volana vitsy sisa alohan'ny fifidianana filoham-pirenena … Ankoatr'izany, ny tsy fifankahazoana misy eo amin'i Jonathan sy ny FIFA dia mampisy fanontaniana mikasika ny fitondrantenan'ny masoivohon’ ny baolina kitra, izay nanohitra ny fanapahan-kevitra mpitondra manana ny fiandrianany tamina fomba afaka nosorohana.

Tsy i Jonathan no voalohany tamin'ny mpitondra fanjakana nirotsaka  tamin'ny tontolon'ny fifandraisana ara-tsosialy. Hugo Chavez any Venezoela dia nalaza fa niditra ho mpikambana tao amin'ny Twitter ny volana  Aprily; Sebastián Piñera any Chile mi-tweet, miaraka amin'ny kabinetrany manontolo. Fa mbola mipetraka ny fanontaniana raha tena hampiasa marina ireo sehatra tahaka ny Twitter sy ny Facebook ry zareo  mpitondra mba hifandraisana amin'ny mponina – na atao ho fomba hafa entina manely zavatra efa vita lamina fotsiny ihany. Manakaiky taom-pifidianana i Nizeria ary ampoizina fa hirotsaka  amin'izany i Jonathan; Ireo fihetsika be mpahalala toy ny fidirana ao amin'ny Facebook sy ny fanavaozana ny Super Eagles dia paika hahazoana tohana mialoha ny fifidianana fotsiny ihany. “Tsy kilalaon-teny hafa fotsiny ihany ve izao? Tsy fomba hafa entina mandokadoka ny Nizeriana ihany ve izao?” hoy ny voasoratry ny My pen and my paper.

Ny fihemoran'ny filoha amin'ny fanapahan-keviny raha ny fijeriko azy dia tahaka ny andrana fanipazana ny teniny eny amin'ny manodidina mba ho fangaronan-dela.

Angamba. Ny fotoana no hiteny raha manao izay ahazoany tombontsoa politika fotsiny ihany i Jonathan — na tena fihainoana ny fitarainan'ny mponiny tokoa.

Nigeria is not a country known for having responsive leaders. High-level politicians rarely engage members the electorate, and it's commonly complained that the leaders are deaf to the voices of their people. But newly-confirmed President Goodluck Jonathan may be changing that: a few weeks ago he opened a facebook account, and two days later reversed a controversial decision after hundreds of disappointed reactions were posted on his wall.

The decision in question was the suspension of Nigeria's national football team after their dismal performance at the World Cup. After the team was eliminated from the tournament, Jonathan announced they would be suspended for two years [so that the Nigerian governing body could be revamped and purged of corruption]. But many fans were displeased with the news, complaining that the suspension was unfair. On xx Jonthan reversed the decision, posting the following message on his facebook wall:

I read your comments and took them into account in the government's decision to rescind the suspension of Nigeria from International Football. I had a meeting with the NFF today and conveyed my disappointment and those of Nigerians on this page and received assurances that there will be positive changes …

But was his reversal really a result of citizens voicing their frustration on facebook? FIFA, the international body governing football, also disagreed with Jonathan's decision, and gave him a week to reverse it. FIFA has a strict policy against political intervention, and {XXX}

President Jonathan's decision to reinstate the team fell exactly on the deadline set by FIFA, leading many to wonder if it was the powerful football organization – rather than the Nigerian people – that made Jonathan change his mind. SolomonSydelle writes:

This now gives the impression that Jonathan bowed under pressure to an international sporting organization. That perception can be harmful for Jonathan who only has a few months in office before presidential elections… Furthermore, the snafu between Jonathan and FIFA raises questions about the behavior of the football agency, which challenged the decision of a sovereign leader in an avoidable way.

Jonathan is not the first head of state to join the world of social networking, Hugo Chavav famously joined twitter in xxx and was followed by xxx. But the question remains whether leaders will use such platforms to interact with their constituents – or merely as one more way to disseminate spread an already fixed agenda. Nigeria is approaching an election year and it is anticipated that Jonathan will want to stand as the candidate for the PDP, the country's ruling party since the transition to civilian government in [1999]. Popular moves like joining facebook and reinstating the Super Eagles may merely be a ploy to win over support in advance of the election. “Is this not another play of words? is this not another design to flatter Nigerians?” wrote My pen and my paper.

For Mr. President to go back on his decision looks to me like an attempt to throw his words around for the sake of speaking. He could just have stuck to his decision, let FIFA be FIFA and let Nigeria be Nigeria. Nigeria is a sovereign Nation. It's FIFA that has something to loose, not Nigeria.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.