Sina: kamenona tanaty aterineto nahavoasazy herintaona hanaraka asa fiarenana amin'ny alalan'ny asa

Lahatsoratra navoaka tao amin'ny tranonkala Advocacy ary nosoratan'i Oiwan Lam.

Tang KLin dia niditra ho mpikambana tao amin'ny fikambanana “raiamandrenin'ireo zaza tratry ny aretina vato” tamin'ny taona 2008 noho ny fiahiahiany ny anton'ny nahafaty ny zanany ho vokatry ny fanapoizinana tamin'ny “melamine” avy amin'ny rononon-jaza. Nandritra izay, dia nanohy nandoa ny fangatahana amin'ny fitiliana teo anatrehan'ireo manampahefana Sinoa izy kanefa dia natao tsinontsinona.

Raha ny voalazan'ny nddaily.com ( tao amin'ny takelaka 163.com izay nofafana), tamin'ny 17 May 2010, dia nanoratra i Tang  mikasika ny “tranga mikasika ny vovo-dronono Sanlu” an'ny vondrona QQ  nilazany fa “handray fepetra hentitra” izy izay “havoaka amin'ireo gazety”. Nisambotra azy ny mpitandro filaminana ao amin'ny tananàn'i Chongqing tamin'ny 19 May ary nilaza fa mikendry ny “hanaparitaka vaovao entina hampihorohoroana sy hamorona rivo-piarahamonina feno horohoro” ny resaka nataon'i Tang mikasika ilay vondrona [QQ]. Mpikambana vitsivitsy amna vondrona anaty aterinety no  niteny fa mora tohina Tang nefa tsy afaka ho raisina ho marina ny teniny: “Ahoana no ahafahan'izy ireo mamadika ny fimonomononana ho heloka bevava?”

Ny komity ny fanarenana amin'ny alalan'ny asa ao amin'ny tananàn'i Chongqing dia nandray fanapahan-kevitra fa ho saziana herintaona hanao asa fiarenana i Tanga Lin.

Ny hafatr'i Tang tao anaty aterineto dia nofafana ary tsy misy fomba hahafantaran'ny olona hoe inona marina no noteneniny ho “manaparitaka vaovao mampihorohoro”.

Teraka ny volana Partsa 2007 ny zanaka lahin'i Tang. Nanomboka tamin'ny volana Janoary 2008, dia nanomboka nanome vovo-dronono Sanlu ny zanany izy ireo ary dia maty io zanany io ny volana Jona tamin'io taona io ihany. 4 andro talohan'ny nahafatesany, dia tsy afaka namany izy. Tamin'ny volana Septambra 2008, dia nampiharihary ny olana mikasika ity vovo-dronono Sanlu ity ny media nefa dia nolavin'ny biraon'ny fahasalamana izany satria tsy afaka nampiseho ny valin'ny fitilihana ny aretin'ny voan'ilay zanany izy ireo sady efa voalevina ity zanany ity.

Tany ampiandohan'ity taona ity, dia nosamborina ihany koa ny mpamorona ny  “aretin'ny voa amin'ny ankizy”, Zhao Lianhai noho ny  fiampangana azy ho “mitarika ho amin'ny korontana”. Niakatra fitsarana izy ny 30 Martsa, kanefa dia mbola tsy nolazaina ny didy hatramin'izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.