Filipina: Maneho hevitra mikasika ny kabary fanokanana amin’ny fomba ofisialy ny filoha vaovao ireo mponin'ny aterineto

Niarahaba tongasoa ny faha-15 amin’ny filohany: Benigno “Noynoy” Simeon Aquino III , nandritry ny lanonana fanokanana azy natao tao Quirino Grandstand, Tanànan’i Manila, ireo Filipiana, ny Alarobia 30 Jona lasa teo

Zanaky ny tanàna roa malaza  famantarana ny demokrasia i Aquino; i Sen. Benigno S. Aquino  Jr no rainy,  izay lasa maritiora nandritry ny fanjakana  jadon’i Marcos,  ary ny reniny, i Corazon Cojuanco Aquino dia nakarina ho amin’ny Fitondram-panjakana nandritry ny hetsika ampilaminana  raha naverina ny demokrasia tamin’ny taona 1986.

Teo anatrehan’ny Filipiana 500,000 teo ho eo, izay nifamotoana mba hihaino ny azy hanao ny kabarim-panokanana, dia nanao ny Voadiny amin'ny asany  i Aquino teo anoloan'ny “Associate Justice Conchita Carpio-Morales” , fa tsy  tamin’ny Lehiben’ny Fitsarana araka ny fomba fanao.

Ao anatin’ny kabary  voalaza, izy dia nifantoka tamin'ny fiainana ny lohahevitry ny fampielezan-keviny momba ny fanadiovana ny governemanta amin’ny kolikoly, ary hamerina azy hiasa hoan’ireo Filipiana. Ny fahalaniany ho filoha faha-15 ao Philippines dia toy ny fisaorambady natao tamin'ny fitantanan-draharaha Gloria Macapagal-Arroyo naharitra efa ho ampolotaonany, izay voaloton'ny kolikoly sy ny henatra goavambe ara-pitokisana ary ny taham-pahantrana  avo indrindra hatramin'ny nisian'ny krizy ara-toekarena Aziatika tanatin’ny  folo taona lasa.

Raha nanapaka an’i Aquino tamin’ny tehaka sy hafaliana ny vahoaka, ireo Filipiana mponin'ny aterinet kosa dia nandefa fanairana:

Kely fanantenana ihany i Caffeinesparks, mitoraka blaogy ao amin’i Blog Watch ka manome valinteny malefaka ho setrin'ny kabary fanokanana ny Filoha Aquino:

Tsy manantena zava-mahagaga avy amin’i Aquino aho. Raha manome governemanta miasa izy, governemanta izay tsy mitsetsitra ny hazavan’ny andro iainan’ny mponina toy izay ataon’ny vampira kely matanjaka amin’ny hanoanany mihoampampana, dia mety ho faly aho.  Leo fanjakana mpanitsakitsaka aho izay manararaotra ny fahalemena sy ny tsy fahampiana, izay tokony hanova ny toetry ny lalàna. Nampanjary ho lasa mpihinana olona ireo mpiasam-panjakana izay nanomboka ny asany tamina toe-tsaina tsara izy. Nanjary lasa tsy mahalala menatra ny tanora . Lasa nanao sorona ny hoavintsika teo anoloan’ny alitara izany noho ny tsy fisian’ny henatra sy ny hatendana tafahoatra.

Maka ny lafiny tsara amin’ny kabary  mikasika  ny famoronana governemanta mampandray anjara ny rehetra  i Patricio Mangubat

Ny zavatra mba mahafinaritra amin’ny lahateniny dia ireo fisainany hanova  ny governemanta, governemanta miala avy amin’ny tsy fahaizana sy mpampijaly mankany amin’ny governemanta mandray anjara, governemanta izay mihaino sy misokatra amin’ny fanakianana sy ny fandinihana. Nianiana i Aquino ny hamerina fomba fijery ahitana rafitra manao dom-berina [Avy amin'ny mpandika: manao tatitra], ny rafitra fifanakalozana, ka ahafahan’ny governemanta manitsy ny politikany hifanaraka amin’ny filàna sy fomba fijerin’ny vahoaka. Ity no voalohany hanandraman'ny governemanta ny fomba fiasa mandray anjara na misy fifanakalozana, fomba fiasa izay mifototra amin’ny tamberina avy any amin’ny vahoaka

Tyo izany koa ny fanasongadinana lavaka lehibe iray tao anatin'ilay kabary:

Tsy nahateny firy  momba ny fanavaozana ny lafin-tany i Aquino, na ny politika eo amin’ny lafin’ny fahasalamana ara-piterahana na ny fandaharam-potoanany momba ny miralenta. Tena mampanahy izany , hoy ny Prof. Claudio ao amin’ny Foibe UP ho an’ny vehivavy satria maneho hoe hatraiza ny fandraisan'ny mpitantana vaovao ireny olana ireny ho toy ny “tsy-olana”.

Amin’io, arahan’ny mpahay lalàna Connie Veneracion amin’ny  fanamarihana mibaribary:

Tena hita mazava fa miresaka momba ny fitantanana Arroyo ianao raha miresaka momba ny  “fanjakana tsy miraharaha ny antson’ny vahoaka.”Ahoana ny fiantsonao ny fitantanan’ny reninao ka nahatonga famerenana nanoratra  ny fandaharan'asam-panavaozana ny ara-pambolena, amin’izay mba tsy hovotsotra amin'ny fianakavianareo ny Hacienda Luisita? Ny dadatoanao nanome alalana ny fanitsiana ny  didy, ary  ny reninao no nanao sonia ny lalàna.

Ing. Aquino — Filoha Aquino — Novakiako indroa ny kabarim-panokananao ary tsy nahita soritra ny mikasika ny fanovàna ny ara-pambolena aho. Tena tianao hino ve izahay fa  “hisy fandriampahalemana ho an’ny tantsaha” , tsotra fotsiny noho ny fanalàna ireo mpamitaka amin'ny zezika sy ireo mpanelanelana?

Amin’ny farany , na dia teo aza ireo hevitra mivaingana sy mivotra  nalefan’ireo mpitoraka bilaogy, dia mipetraka amin’ny tsirairay ny tena lohahevitra mba hahafeno fanantenana.

Mametraka izany miavaka tsara i Edicio raha mampiasa ny Magnificat fanaon’i Mary izay manakatra lavitra ny hevitry ny kabarin’ny Filoha Aquino izy hamela ny Filipiana ho toy izay indray , feno fanantenana. 

Saingy ny andrasana avy hatrany sy ny tena andrandraina amin'ny fitsarana no tanisain-dry zareo – toy ny resa-bola sy ny fitsinjarana indray,  mampifandray  azy ireo ho amin’ny fanantenana fa hizara tobontsoa amin'ny mahantra  ny governemanta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.