Kolombia: manavotra takalon'aina 4 nalain'ny FARC an-keriny tamin'ny 1998 ny Tafika

Tamin'ny alahady 13 Jona tamin'ny mitataovovonana, raha niomana ny hijery ny lalao fiadiana tompon-daka erantany amin'ny baolina kitra ifanandrinan'i Alemana sy Aostralia ny ankamaroan'ireo Kolombiana, nivoaka ny vaovao: minitra vitsy vao haingana, nambaran’ny Filoha Uribe ny fanavotana ny Jeneraly Luis Mendieta sy ny Kolonely Enrique Murillo, Manamboninahitra ao amin'ny Polisim-pirenen'i Kolombia nalain'ny FARC an-keriny tamin'ny 1 Novambra 1998 nandritra ny fahirano tao Mitú [es] tany Amazonia, tany amin'ny departemanta atsimo atsinanan'i Vaupés. Ora maromaro taorian'izay, nanamafy ireo mpitandro filaminana fa avotra koa i Arbey Delgado Argote  “Sergent”-n'ny tafika  (nalaina an-keriny ny 3 Aogositra 1998 tany Miraflores any Guaviare) ary tafatsoaka ny Kolonely William Donato (nalaina an-keriny niaraka tamin'i Delgado). Tamin'ny Alatsinainy maraina dia hitan'ny Tafika soa aman-tsara i Donato (nampiakarina grady avokoa ireo voaavotra rehetra taorian'ny fanekena ny lalàna tany amin'ny Kongresy [es] tamin'ny 2008). Ny fanavotana, izay natao tany Calamar any Guaviare, dia nantsoina hoe fakàna tahaka ny Operation Camaleón  nataon'ny Ministery ny Fiarovana Gabriel Silva. Tamin'ny 2008, ny Operation Jaque dia nanavotra an'i Íngrid Betancourt sy takalon'aina 14 hafa.

Diaben'ny vahoaka miaraka amin'ny soratra hoe “henatra ho an'ity firenena ity ny FARC sy ireo takalon'ainy” tamin'ny 20 Jolay 2008. Sarin'ny mpampiasa Flickr pattoncito, arovan'ny lalàna Creative Commons.

Raha niparitaka ny vaovao, naneho hevitra momba izany ireo Kolombiana mpampiasa Twitter – no sady manao fanamby amin'ny lalao Fiadiana Tompon-daka erantany. Ny ankamaroan'izy ireo faly [es], ny sasany toa miahiahy [es] ny amin'ny rindran-damin'ity “opération” ity, herinandro mialohan'ny fihodinana voalohan'ny fifidianana filoham-pirenena ifanandrinan'i Juan Manuel Santos (Minisitry ny Fiarovana teo aloha) sy Antanas Mockus.

@kaops19852:

Gracias @AlvaroUribeVel por demostrarles a los amigos de las Farc y a ese grupo que hasta el ultimo día de su mandato los ataca con fuerza

Misaotra anao @AlvaroUribeVel tamin'ny fampisehoana an'i Farc sy ny namany fa manafika azy ireo an-kery mandrapahatongan'ny andro farany amin'ny fe-potoanao ianao

@adrianitaca:

No puedo creer que algunos en vez de alegrarse digan estupideces

Tsy mino aho hoe misy olona tokony ho faly nefa miteny zavatra tsy misy dikany toy izany

@MaisAngel:

La alegría de un rescatado y el grandioso trabajo de las FFAA no deben nublar el análisis.

Tsy tokony hanaloka ny famotopotorantsika ny hafaliana noho ny fanavotana sy ny asa mendri-piderana nataon'ny Tafika.

@sergioand:

No importa si usted es liberal, conservador, Uribista, verde o del PIN. Es un secuestrado menos¡¡¡¡¡¡

Tsy ijerena na malala-tsaina ianao, na mpifikitra amin'ny nentin-drazana, na uribista, na maitso, na mpanohana ny antoko PIN. Efa olona iray afaka tsy ho takalon'aina aloha izany

@AlfonsoRicoT:

Mejor gol, de #Mundial, anotado por el #Ejército al rescatar a #Mendieta y #Murillo #PiedadCórdoba #Secuestrados #FARC http://bit.ly/9bp4n5

Baolina maty tsara indrindra tamin'ny fiadiana ny tompon-daka erantany #worldcup, matin'ny #Tafika raha namonjy an'i #Mendieta sy #Murillo #PiedadCórdoba nalain'ny #FARC  ho #takalon'aina http://bit.ly/9bp4n5

@simonwilchesc (1, 2):

Si hubiera una diferencia más clara entre Gobierno y Estado. Lo de Mendieta no causaría reacciones encontradas y sospechas entre la gente. Y este gobierno ha preferido beneficiar a individuos sobre las instituciones, Es natural que exista la sospecha. No se hagan y no se quejen.

Raha misy ny tsy fitoviana tena mazava eo amin'ny Governemanta sy ny Fanjakàna, tsy ho niteraka fihetsika mifangaro sy miahiahy teo amin'ny vahoaka ny [fanavotana ny] Mendieta. Ary naleon'ity fitondràna ity nijery manokana ireo olon-tokana toy izay ny vahoaka. Rariny raha misy izany ahiahy izany. Aza jamba azy aza mitaraina.

@Tefa_:

Sinceramente creo en la buena fe de la gente. No sean hijueputas, si Uribe los hubiera podido rescatar a todos, lo hubiera hecho.

Am-pahatsoram-po no hilazako fa mino fahitsiam-pon'ny vahoaka aho. Aza mety ho v***ndreniny, raha afaka mamonjy azy rehetra ny Uribe dia ataony izany.

@klawdy:

Que viva Colombia carajo, viva nuestro glorioso Ejército Nacional!!! Ojalá la maldita “Corte Suprema de Justicia” no los juzgue en 20 años.

Ho ela velona Colombia, letie, ho ela velona ny Tafiky maherin'ny firenentsika !!! Enga anie ka tsy hitsara azy ireo ny “Fitsaràna avo” afaka 20 taona.

@stultaviro:

Si hay un falso positivo, la culpa es de Uribe. Si hay una operación exitosa contra la subversión, es oportunismo de Uribe. Lógica mamerta.

Raha misy ny “positive diso“, any amin'i Uribe ny tsiny. Raha misy ny tetika mahomby manohitra ny fandravàna, fanararaotan'i Uribe izany. Lojikan'ny ‘bemokony’.

@juanmurs:

De todo corazón me alegro por la liberación de los secuestrados,pero no sabia que cuando hay rescate militar si se permite el show mediatico

Faly tokoa ny foko noho ny fanavotana ireo takalon'aina, nefa tsy nahafantatra aho fa hoe azo atao ny tatitra mivantana amin'ny haino aman-jery rehefa misy fanavotana ataon'ny tafika

@JoseGregorio:

Se necesita un fanatismo inmenso para recibir con odio cualquier logro de Uribe. Me impresionan.

Mila fikirizana lehibe vao afaka mankahala izay fahombiazan'i Uribe. Mahagaga ahy ianareo.

@NiaEsco:

A mi me parece triste que siempre rescaten a los más conocidos. ¿y el resto qué?

Mampalahelo amiko fa ireo [takalon'aina] tena malza ihany no avotan-dry zareo. Dia ahoana ny hafa?

@MauricioJaramil:

Qué tontería sugerir que rescate tiene propósitos electorales. El riesgo de una operación fallida era mucho mayor.

Tsy misy fotony ny fitenenana fa misy resaka ambadika momba ny fifidianana iny fanavotana iny. Mbola lehibe lavitra ny risika mety tsy nahombiazan'ny tetika.

@arttesano:

¿ si hemos de estar de algun lado no ha de ser del lado de los secuestrados ? . . .

Raha mila mifidy lafiny iray ve isika tsy ireo takalon'aina no iarahana?

@egolaxista:

Lo verdaderamente ridículo es que aquí acusen a alguien de no estar contento porque rescataron a un secuestrado.

Ny tena mahatsikaiky dia ry zareo manameloka ny olona tsy faly satria hoe nisy takalon'aina iray avotra.

@jrinconh:

Quienes están contrariados con el rescate porque creen que favorece al candidato del gobierno, harían bien en disimilar un poquito.

Ireny olona tezitra noho ny fanavotana ireny dia satria mino izy ireo fa fanohanana ny kandidàn'ny governemanta izany, ka tsaratsara kokoa raha tazoniny ho azy irery izany

@DanielitoBang:

De incoherencias y otras bondades: Malo el show cuando liberaron a Moncayo. Formidable ahora cuando rescataron a Mendieta. ¿Es así?

Fifandroritan-kevitra sy hatsaram-panahy hafa: ratsy ny tatitra mivantana tamin'i namotsorana an'i Moncayo. Tsara be izao nony i Mendieta no  navotana. Izany tokoa ve?

Tamin'ny alatsinainy maraina, nentina tany Bogotá ireo takalon'aina avotra mba hihaona amin'ireo fianakaviany sy hanao fizahàna ara-pahasalamana. Ireo mpampiasa Twitter sasany dia nitsikera ny fomba nanaovan'ireo mpanao gazety tatitra sy ny fitondran-tenan'izy ireo tamin'ny nahatongavan'ireo takalon'aina avotra sy ny famoriana mpanao gazety [es] taorian'izay, ary koa ny hoe ankoatran'i Mendieta dia mbola voatàna any ireo takalon'aina taloha:

@Tefa_:

¿Y esas cadenas que van a mostrar cuántos votos darán? ¿no podían quitárselas o es otra estrategia de JJ?

Ary ireny horonantsary  avoakan'ny fahitalavitra ireny, vatom-pifidianana firy no ho entin'ireny? Tsy azony fafàna ve ireny sa tetika hafa ataon'ny [mpanolotsaina ara-pifadraisana Venezoeliana’] JJ [Rendón] izany?

@juanmurs:

Empezó el show en Catam, me acuerdo cuando dijeron que quitarle las cadenas a Moncayo era una payasada

Nanomboka tany Catam [seranam-piaramanidin'ny tafika] ny tatitra mivantana, tsaroako tsara mihitsy tamin-dry zareo niteny hoe mahatsikaiky ny fanalàna ny rojon'i Moncayo

@kloscorrea:

Parece que algunos periodistas y fotografos quisieran que no estuvieran los familiares estorbando

Toa raha ny fanirian'ireo mpanao gazety sy mpaka sary sasany dia tsy teo ireo fianakaviana fa manelingelina azy ireo

@hyperconectado:

Deberíamos ser expertos en ruedas de prensa para secuestrados. Pero no.

Tokony ho manam-pahaizana amin'ny famoriana mpanao gazety miaraka amin'ny takalon'aina isika. Nefa tsy izany no izy.

@programator

¿Sí es necesaria esa música apocalíptica para una noticia? Está bien que pasen los testimonios, pero la banda sonora no.

Tena ilaina ho ana tati-baovao ve iny feon-kira mampihoron-koditra iny? Tsara raha ny fijoroana vavolombelona no nalefan-dry zareo fa tsy ny feon-kira

@_wap_:

Tenian una motosierra para la liberacion, y no tenian una hijueputa segueta o unas pinzas para quitarles esas cadenas? #Libertad

Nanana tsofa [es] ho an'ny fanavotana [ny tafika], nefa tsy manana tsofa na tandramokotra hamahàna ireo rojon-dry zareo? #freedom

@pcastano

Las últimas liberaciones me han tocado con visitantes estadounidenses en mi casa. Hoy Josh hace preguntas sobre todo este circo…

Tamin'izaho nanana vahiny Amerikana no nisy fanavotana [takalon'aina] farany. Androany Josh nanontany ahy ny momba izao fihetsiketsehana rehetra izao…

@AlejitaO:

La libertad de estos colombianos no tiene nada que ver con un color político, todos repudiamos a las Farc, en eso todos nos parecemos.

Tsy misy idiran'ny fironana ara-politika ny fahalalahan'ireny Kolombiana ireny, samy manameloka ny FARC avokoa isika, mitovy isika amin'izay

Niaraka tamin'ny fanaovatana an'ireo takalon'aina efatra ireo, miaramila sy polisy 17 no mbola voatazon'ny FARC [es], izay nitetika ny hanakalo azy ireo an'ireo mpanao ady anaty akata voafonja; misy ihany koa takalon'aina an-jatony tsy fantatra anarana [es] any Kolombia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.