50 taona taty aoriana, fahaleovantena sy ozon'ny harena voajanaharin'ireo tany Afrikana mampiasa ny teny frantsay

Mankalaza ny faha 50 taona nahazoana ny fahaleovantenany ny tany Afrikana mampiasa ny teny frantsay amin’ity taona 2010 ity. Ho fanamarihaa io fitsingerenana io dia nisy fihaonan’ny Afrika-Frantsa tany Nice, Frantsa noho ny fifandraisana marisarisa eo amin’ny Frantsa sy ireo zanataniny teo aloha lasa resabe eny anivon'ny serasera. Maro ny feon’ny vahoaka Afrikana no heno manontany tena sy mitabataba hoe: “Inona moa izany no ankalazaina?” Noho ny fahitana ny fivoaran’ny fari-piainan’ny olona izay latsaka ambany dia ambany tokoa any amin’ny firenena maro taorian’ny nahazoana ny fahaleovantena.
Toy izao ny feo manakiana izay miverimberina: tsy azo iadian-kevitra fa ny kaontinanta Afrikana dia manan-karena eo amin’ny harena voajanahary nefa araka ny hita dia toa mbola taratra hatrany ny antsoina hoe: “faharipahan’ny harena” ary maro ireo mieritreritra fa tsy ireo tombontsoan'ny vahiny mihitsy no ho tara amin'izany fandripahana izany.

Eo amin’ny sehatra ara-toe-karena, marina fa tao anatin’ny taompolo farany dia nahita rirany tamin'ny filana amin'ny vokatra fototra i Afrika nefa mbola tsy araka izay nandrasan’ny tsirairay izany. Tao anatin’ny tatitra ho an’i Mckinsey Quarterly izay mitondra ny lohateny hoe “Inona no mampandroso an’i Afrika?”, dia manambara ny mpanoratra fa:

Latsaky ny $20 ny vidin’ny solika iray bariaka tamin’ny taona 1999 ary lasa nihoatra ny $145 izany tamin’ny taona 2008, niakatra ihany koa ny vidin’ny mineraly, vary sy ny akora fototra (akora mbola tsy voahodina) nony nihanitombo ny tinady ankapobeny. [..] Na izany aza dia mbola 32% fotsiny ny tahan’ny harinkarea faoben’i Afrika [GDP – PIB ] eo amin’ny harena voajanahary tamin’ny taona 2000 ka hatramin’ny 2008.

Fa nahoana àry moa i Afrika no tsy mahazo tombontsoa avy amin'ny harena voajanahariny? Maro ireo vahoaka Afrikana no milaza fa tsy manampy eo amin’ny fandrosoan’ny firenena Afrikana ny fidiran’ny tombontsoa iraisam-pirenena sy ny fifaninanana eo amin’ny fitrandrahana ireo harena ireo ary ny tsy fahampian’ny mangarahara amin’ireo fandraharahana ireo. Ao anatin’ny antontan-taratasy mikasika ny FranceAfrique izay miompana kokoa amin’i Afrika, dia naneho ny rohy manokana misy eo amin’i Frantsa sy ny kaontinanta i Stephen Smith:

Fa nony nanomboka nandray ny toerany ny Filoha Sarkozy dia nanohy hatrany ny fomba fanaon’i Frantsa nandritry ny vanimpotoana maro izy dia ny fahaiza-mifampirahara anjorony amin’i Afrika.

Fivondronana mpanolotsaina maromaro no mitarika fivoriana eo imasom-bahoaka momba ny raharaha ofisialy miaraka amin’i Afrika, raha olona mitàna toerana ambony ao amin'ny Elysée, omban'ireo mpanelanelana tsy ofisialy no miandraikitra ny politikan'ny ara-resa-bola izay voarafitra manokana araka izay eritreriny, isan'ny nokianin'ingahy Sarkozy nandritry ny fampielezan-keviny ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena.

Matetika ny media frantsay no mampibaribary ny tsy fanajàna ireo fanomezan-toky sy ny fifanarahana vaovao nomena ny Francafrique.

Lasa tsy mahataitra ny fahitàna fifandirana eo amin’ireo sangany ao amin'ny Francafrique, mifanohitra amin'ny fisitahana miandalan'ny Frantsa – miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana- amin’ireo zarataniny teo aloha any atsimon’i Sahara.

Ny solika no tena voatanisa ho olana goavana any amin’ny faritra miteny frantsay kanefa kosa tsy ho izy irery ihany. Tao anatin’ny tatitra farany ho an’i Afrika report, nanontany tena i Norbrook hoe Fa dia Iza marina àry no tena tompon’ny solik’i Afrika:

Ity tontolo vaovao mahafinaritrin’ny solik'i Afrika ity dia nentin'ny fiakaram-bidy, izay mahatonga ny tetikasam-pitrandrahana ho fahasahiana tokony horaisina na dia lafovidy aza. Ny fikisahana mankany amin'ny offshore [ambony ranomasina], izay azo atao vokatry ny fandrosoan’ny teknolojia, dia mila teti-bola ngezangeza – ny fanofàna ilay sambo izay nahita ny solika tany Ghana dia teo amin’ny iray tapitrisa dolara eo ho eo ny iray andro.
Anisan’ny toe-javatra goavana iray koa ny fitomboan’ny fifaninanana, eo amin’ny orinasa Sinoa sy ny Karana izay niditra ao amin’ny fikambanana misy sangany Eropeana sy Amerikana. Tany amin'ireo toerana nisy fitrandrahana solika teo ambanin’ny fahefan’olom-bitsy izay nolazaina fa nanao ampihimamba tsy manara-penitra tsy ara-pahasalamana, nanamora kokoa ny votoatin'ny fifampiraharahana nataon'ny governemanta ireo mpifaninana vaovao.


Saritany maneho ny solik’i Afrika avy ao amin’ny Theafricareport.com

I Achille mpitoraka blaogy ao Antananarivo, Madagasikara, toy izao ny fomba ampifandraisany ny korontana hita tany sy ny olan’ny solika (fr):

On a tous cherché la cause de cette crise, mais on oublie que c’est le pétrole qui a lancé les offensives. Tous les autres évènements tels que le pillage des forêts, le banditisme, l’accroissement de la pauvreté ne sont que les conséquences. La Francafrique a commencé à bouger dès qu’on a entendu les premières études positives sur le pétrole sans compter les autres ressources qui attirent d’autres pays. Je viens de me rendre compte qu’on est cerné par les multinationale, les canadiens au sud, les chinois vers Soalala et évidemment Total, le grand ami des pays en développement et des dictateurs de pacotille ! Et nous, on est là comme des cons à regarder le train qui transporte notre pognon loin vers l’horizon ! Quand j’ai vu le chiffre de 100 millions pour une concession pétrolière, je me suis dit qu’enfin la stupidité avait enfin atteint son sommet avec nos dirigeants.

Nikaroka hatrany ny antom-pisian’ity krizy ity isika, kanefa matetika dia adinontsika fa ny solika no tena nitarika ny korontana. Ireo sehon-javatra sasany toy ny fandravana ny ala, ny famonoan’olona mahatsiravina, ny fitomboan’ny fahantrana dia vokatra ateraky ny solika fotsiny. Nanomboka nihetsika i Francafrique nony heno fa nahitam-bokany ny karoka mikasika ny solika, raha tsy hireska ireo otrik'harena hafa misarika ireo firenen-kafa. Izao aho vao tonga saina fa voahodidina Voaibe iraisampirenena isika, ny Kanadiana any atsimo, Sinoa any Soalala ary indrindra indrindra fa ny Total, sakaiza mahatokin'ireo tany andalam-pandrosoana sy ireo mpanao didy jadona!. Isika moa dia mitazana fotsiny toy ny gaigy ireo lamasinina mitatitra ny harentsika ho any am-paravodilanitra! Raha nahita aho fa 100 tapitrisa no sandam-pintrandrahana solika, dia niteny irery aho hoe efa tena tafakatra any amin’ny faratampony ny hadalan’ny mpitondra antsika.

Tany amin’ny taona 70 tany ho any, dia noraisina toy ny paosipaoro mankany amin’ny fandrosoana haingana dia haingana ny solika. Toy izany no tranga tany Alzeria, Libia, ary Irak araka ny filazan’i Passion-histoire azy: Manazava vetivety izy hoe Mihamatroka ankehitriny ny fanantenana (fr):

Dans les années 1970, grâce la rente pétrolière, l’Algérie, la Libye et l’Irak paraissaient engagés dans un processus de modernisation accélérée. Le pétrole était la bénédiction qui permettrait à ces États de rattraper leur « retard » économique.

L’Algérie était un « dragon en Méditerranée », la Libye un « émirat » et l’Irak « la puissance militaire montante » du monde arabe. Sur le plan politique, le socialisme progressiste laissait penser que des transformations profondes s’opéraient : émancipation de la femme, urbanisation, scolarisation, augmentation de l’espérance de vie…

Quelques décennies plus tard, la désillusion est cruelle. Le sentiment de richesse a entraîné ces pays dans des expérimentations voire des impasses politiques, économiques et militaires aux conséquences désastreuses dont ils peinent encore à sortir.

Tany amin’ny taona 1970, nohon’ ny vola niditra tamin’ny solika, dia toa nihazakazaka ho any amin'ny fandrosoana i Alzeria, Libia ary Irak. Fitahiana ho an'ireny firenena ireny hahafahany manatratra ny “fahatarany” ara-toekarena ny solika. I Alzeria dia “Dragona mediteraneana”, i Libye dia “Fitondram-panjaka” ary Irak dia “ Hery ara-tafika vao mipongatra” any amin’ny tany Arabo. Eo amin’ny sehatra politika, ny “socialisme progressiste ” dia nahatonga ny maro hihevitra fa hisy fiovana lalim-pàka hitranga: ny fanomezan-toerana ny vehivavy, ny foto-drafitrasa an-drenivohitra, ny fanabeazana, ny fiakaran’ny fahelàna velona

Ampolotaona maro taty aoriana, nikapoka mafy ny fahadisoam-panantenana. Nyhetahetan'ny fananan-karena no nitarika ireny firenena ireny tanaty fanaovana andrakandrana, eny fa hatramin'ny tsy fahitana lalan-kombana ara-politika, ara-toekarena ary ara-tafika izay nitondra voka-dratsy tsy hita noanoa ka mila tsy hahitan'izy ireo lalan-kivoahana.

Naneho hevitra momba ny fankalazana ny faha 50 taona nahazoana fahaleovantena, nanoratra i Faustine Vincent fa ny firenena Afrikana dia malaina ny hamoaka ny tatitr'izy ireo an-tsarintany (fr):

Mais, au final, le cinquantenaire embarrasse tout le monde. Côté africain, «les pays auraient dû en profiter pour faire un bilan d’étape. Ce n’est pas le cas, assure Boubacar Boris Diop, écrivain sénégalais. Certainement parce qu’ils n’ont pas lieu d’en être fiers».

Kanefa, tamin’ny farany, ity 50 taonan’ny fitsingerenan’ny taona ity dia nahasadaikatra ny olona tsirairay. Teo amin’ny vahoaka Afrikana, “ ity dia fotoana fanararaotra mba hanaovana tomban'ezaka ny amin’ny lalana nodiavina. Tsy izay anefa no zava-misy, hoy Boubacar Boris Diop, mpanoratra iray teratany senegaly. Azo antoka fa tsy manana zavatra azony ireharehana ry zareo ”.

Ho an'ny ankolafy Frantsay, ny fitantanan’i Sarkozy dia manambara hatrany ny finiavana tsy hampiasa ny fanaon'ny mpitondra mpitantana Frantsay teo aloha. Araka ny tatitra nataon’i Sarah Halifa-Legrand, izany dia nolazaina tamin’ny fiteny hentitra nataon’i Alain Joyandet, Mpitantsora-panjakana ao amin’ny Fiaraha-miasa Frantsay (fr):

…[La France] se montrant “prêt à laisser tomber l’Afrique si son pays n’y trouve pas son compte”. Dans la bouche d’Alain Joyandet, cela donne : “Ne pas avoir peur de dire aux Africains qu’on veut les aider, mais qu’on veut aussi que cela nous rapporte”

[Frantsa] dia vonona ny “handao an’i Afrika raha toa ka hitany fa tsy mitondra soa ho azy any. Izao no nivoaka ny vavan’i Alain Joyandet: “ Tsy tokony hatahotra ny hilaza amin’ny vahoaka Afrikana hoe te hanampy azy ireo izahay, fa tokony mba ahitanay tombontsoa ho anay koa izany

Any Gabon, ny Association Survie dia nanambara fa na teo aza ny korontana tamin’ny taona lasa dia tsara ny vokatra ho an'ny orinasa Total tamin’ity taona 2010 ity:

Elle a publié un résultat net de 42 millions d’euros au titre du premier trimestre 2010, en hausse de 109% par rapport à la même période en 2009.

Nanao tatitra mikasika ny vola azony i Total: 42 tapitrisa euros tamin’ny telovolana voalohany tamin’ny taona 2010, nahitana fiakarana 109% izany raha oharina tamin’io fotoana io ihany tamin’ny taona 2009.

Farany, namoaka lahatsoratra fohy i Arimi Choubadé tao anatin’ny Quotidien Nokoue tany Benin: lahatsoratra mifangaro sangisangy mangataka antsika hanao sary an-tsaina ny fandrosoan’i Frantsa raha nahay mba nitàna ny rohy efa nananany tamin’ireo firenena manana harena voajanahary i Frantsa (fr) :

Imaginez une France partenaire privilégié d’une Côte d’Ivoire forte de son cacao ; d’un Gabon, d’un Congo, d’un Tchad, d’un Cameroun voire d’une Mauritanie dopés par l’exploitation du pétrole ; d’un Mali, d’un Bénin et d’un Burkina Faso en pôle dans la production de coton ; d’un Togo transfiguré par les ristournes du phosphate; et d’un Niger comblé par l’exploitation de l’Uranium. Cela éviterait à Sarkozy sa posture actuelle de puissance mitigée.

Alaivo sary an-tsaina i Frantsa manana fiaraha-miasa manokana amin’i Côte d’Ivoire izay manana cacao maro dia maro; i Gabon, i Congo, i Chad, i Cameroun, eny na i Maoritania izay matanjaka eo amin’ny fananana solika; miaraka amin’ i Mali, Benin ary Burkina Faso amin’ny landihazony, miaraka amin'i Togo izay nivoatra nohon’ny phosphate-ny ary i Niger sy ny tahiriny amin’ny uranium. Mety ho afaka nanampy an'i Sarkozy izany ho fihazonana ny toerany izay tsy ary ambony tsy ary ambany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.