Egipta: Fampiasàna ireo fitaovana media amin'ny aterineto mba hanavotana olona voasambotra

Vao haingana izay tamin'ity volana ity, nikarakara hetsi-panoherana teo anoloan'ny Antenimieram-Bahoaka Ejipsiana ny avy ao amin'ny Hetsiky ny Tanora ny 6 Aprily, nitaky fahalalahana ara-politika bebe kokoa sy fampitsaharana ny “lalànan'ny fahalatsahana an-katerena”, izay mety hohavaozina indray amin’ity taona ity ary mety hohamafisin'ny “lalàna Fanoherana ny Mpampihorohoro” izay heverina ho tena hasiaka tokoa. Tamin'ny alalan'ny herisetra no namalian'ny mpitandro ny filaminana Ejipsiana izany tamin'ny alalan'ny fisongadinan'ny fisamborana sy ny fiampangana.

FDEP.jpgAndro vitsivitsy talohan’io hetsika fanoherana io, mpiaro ny zon'olombelona maherin'ny 30 sy ONG ara-dalàna  tany Ejipta no nanambara ny fisian'ny Front to Defend Egypt Protestors na FDEP (manda hiarovana ireo mpanohitra any Egipta) izay mikendry ny famatsiam-panohanana ara-dalàna sy manome vaovao ho an'ireo mpandray anjara amin'ny fihetsiketsehana mitandrina ny fandriam-pahalemana. Nanangana vondrona vonjy maika ireo mpikambana ao amin’ny FDEP, izay ahitàna Mpisahana ny Serasera, Mpahay lalànan’ny FDEP, Kaomity miandraikitra ny vatsy ara-tsakafo, Mpikaroka, Dokotera, Antokon’olona mpandika teny.

Nafototra tamin'ny aterineto ny rafi-pifandraisana voalohany eo amin'ireo mpikambana amin'ny FDEP noho izy ireo namorona blaogy vaovao, mamoaka fanampim-baovao momba ireo voasambotra, ary namorona ny teny fototra (#EgyDefense) ao amin'ny Twitter mba hanaparitahana ny vaovao eo noho eo. Nanao tatitra media tao amin’ny «Flickr» sy «Youtube» ireo mpikambana ao amin’ny FDEP.

Hotline.jpgNahaliana tokoa ny zavatra nitranga satria nampiasa laharan-tariby vonjy maika ny FDEP handraisana antso sy SMS avy amin'ireo olona mandray anjara tamin’ny hetsika fanoherana. Amin'izay ireo SMS alefan'ireo mpanohitra voasambotra dia mandalo any amin'ny Mpisahana ny Fifandriasana ao amin'ny FDEP, any amin'ireo tambajotram-bohikala ara-sosialy ary any amin'ireo mpahay lalàna izay mpanohana ara-dalàna hiarovana ireo voasambotra.

Ity manaraka ity dia iray tamin'ireo lahatsoratra voarainay tamin'ny 6 Aprily:

Voasambotra niaraka tamina tanora 40 hafa aho, ary nanao herisetra taminay rehetra ry zareo ary nohidiany tao anaty trano iray fitobiana fiara mifanila amin'ny Antenimieram-Bahoaka izahay [Ny anaran’ny mpandefa]

Nandritra ny tontolo andro, nahangona anaran'olona voasambotra 92 izahay tamin’ny alàlan’ny finday ka nahafahanay namaritra ny toerana nisy azy ireo, ary namoaka ny vaovao tamin'ny aterineto. Niantso ny laharan-tariby vonjy maika ny fianakavian’ireo voasambotra mba hanampy anay hanitsy ny anaran'ireo havany hita tao anatin’ny lisitra sy hameno tsara kokoa ny anarana. Nialoha ny nifaranan'ny andro, noho ny vaovao azo avy amin'ny olona dia naharakitra tranga fisamborana 106 izahay.

Namoaka fanampim-baovao tsy an-kiato tamin'ny Twitter ireo mpahay lalànan'ny FDEP momba izay toerana misy ireo voasambotra ary vao mainka nampirisika mpanao lalàna bebe kokoa hanampy ny FDEP izany. Ankoatr’izany, nampiasa ny saritanin'i Google koa ny FDEB mba hahafahany namantatra tsara ny toerana misy ireo voasambotra.

tweet_egypt_arrest.gif

Ny “tweet”-n'i Ahmed Ragheb: Ao amin’ny Ministeran'ny Atitany, ao amin'ny Sampana momba ny Làlana sy Fivoahana any amin'ny Làlan-taniefitry Cairo-Ismailia izao no misy ireo voasambotra.

Nandritr'ireo andro taorian'izay, nitatitra vaovao tany amin’ny Kaomity niandraikitra ny vatsy ara-tsakafo ny Mpisahana ny Serasera mba hamatsy sakafo, zava- pisotro sy fanafody ho an’ireo olona voatàna, ary tany amin'ny Mpisahana ny Fikarohana mba hanamora ny fanangonana ireo fijoroana vavolombelon’ireo olona navotsotra.

Fampisehoana ny fomba fampiasàn’ny FDEP ny fitaovana amin'ny aterineto sy avo lenta mba hifandraisana amin'ireo voasambotra tamin'ny 6 Aprily, hanaparitahana ny vaovao azo, ary hanamoràna ny asa teo amin’ny tompon'andraikitry ny FDEP sy ireo mpikambana.

500_egypt_using_Online Tools_Digital_Devices_Communicate Potsero ny sary raha tiana hiangeza. Misy amin'ny teny arabo ihany koa ity sary ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.