Jeritodika maimaika amin'ny tontolon'ny blaogy rosiana tamin'ny 2009-2010

Ity tatitra ity dia nosoratana ho anisan'ny noresahina momba ny Aterineto Rosiana nandritra ilay Vovonana 2010 an'ny GV momba ny media-n'ny olon-tsotra.

Alexey Sidorenko presenting at the Global Voices Summit in  Santiago, photo by Gregory AsmolovAlexey Sidorenko, nanolotra tamin'ny Vovonana iraisam-pirenena GV tany Santiago, sarin'i Gregory Asmolov

Tranga fototra

Nahatratra 38% ny isanjaton'ny Rosiana no mpiditra amin'ny aterineto (eo amin'ny mpampiasa 40 tapitrisa eo [RUS]) tamin'ny 2009. Ny sehatra fitoraham-blaogy tena malaza any amin'ny firenena dia ny Livejournal.com, nefa samy manan-danja [RUS] sy be mpitisidika toy izany koa ny blogs.mail.ru sy liveinternet.ru. Miovaova arakaraka ny tanàna ny sandam-bidin'ny fahazoana aterineto any Rosia (manodidina ny $10 hatramin'ny $50 ny avy amin'ny mpanome ny tolotra [EN]). Mivangongo be ny fampiasàna blaogy: 50%n'ireo mpampiasa aterineto no avy ao Môsko sy Saint-Petersburg, 67%n'ireo mpitoraka blaogy malaza no avy ao Môsko [RUS]. Mitovy amin'ny taha maneran-tany kosa ny fitsinjarana hita any an-toerana: ny ankabeazan'ireo mpitoraka blaogy dia eo anelanelan'ny 15 hatramin'ny 30 taona, ka maromaro kokoa ny vehivavy noho ny lehilahy.

Ireo tena fironana tamin'ny 2009-2010

  • Fanapariahana amin'ny faritany: fitomboan'ny blaogy sy ny dinika [forum] haingana dia haingana any amin'ny faritany [EN].
  • Fanapariahana amin'ny Twitter: nihanahazo vahana ny Twitter (nandritra ny enim-bolana farany teo dia nihamaro ireo mpitoraka blaogy manomboka mi-tweet. Malaza kokoa Twitter any amin'ireo mpitoraka blaogy mpanohitra ny fitondràna );
  • Niditra an-tsehatra bebe kokoa tao amin'ny tontolon'ny blaogy ny fitondrana : ny fepetra raisin'ny governemanta eo amin'ny tontolon'ny blaogy dia sady misy ratsy (fanivanana votoaty, famehezam-bava) no misy tsara (fitoraham-blaogy sy tambajotra ara-sosialy, fanasana ireo mpitoraka blaogy amina hetsika goavana)
  • Miha-azo antoka ny blaogy amin'ny maha-loharanom-baovao azy (ho an'ireo tanora Rosiana dia loharanom-baovao azo antoka kokoa noho ny onjam-peo ny aterineto [EN])
  • Mitombo laza ny fampielezan-kevitra amin'ny aterineto.

Fandresen'ny tontolon'ny blaogy Rosiana

Amina fotoana mahery vaika dia ireo mpitoraka blaogy foana no voalohany manaparitaka sy manangona ny vaovao, ary mitana ny lazan'ireny vaovao ireny. Lehibe tokoa ny andraikitr'ireo blaogy sy media vaovao amin'ny fitaterana ny fanapoahana baomba tany Môsko [EN], ny fianjeran'ny Nevsky Express” [EN], ny fahamaizan'i Perm [EN] ary loza maro hafa koa. Indraindray, mitondra fanovàna amin'ny fiainana andavanandro ireny fanetsiketsehana amin'ny blaogy ireny (trangan'ny “Fanakan-dalana mifindrafindra” [EN], famonjena ny ain'ireo mpizahatany tany Indonesia [EN], famoahana ny pasiparon'i Oleg Kozlovsky hanehanany any ivelany [EN] sy ny maro hafa). Na izany aza, mbola lavitra amin'ny idealy ny zava-misy – mbola lava noho ny lisitry ny fandresen'ny tontolon'ny blaogy Rosiana ny lisitry ny nandamòka.

Ny tontolon'ny blaogy Rosiana sy ny Fiaraha-monina

  • Hita amin'ny ankabeazan'ireny tranga ireny fa tsy miantraika any amin'ny fiainana andavanandro ny fanetsiketsehana amin'ny aterineto (indrindra rehefa misy zava-dehibe mitranga). Ireo amin'ireo ohatra lehibe ny zava-nisy tamin'ny raharaha Dymovski [EN]. Na dia malaza dia malaza tokoa aza ny rohin'ny horonantsary navoakany, nosamborina izy ary tsy nisy fiovàna tao amin'ny sampan'ny polisy nisy azy. Toy izany koa ny nitranga (raha ny tsy fisian'ny vokatra no jerena) tamin'ny mpitantana voalohany ny Lukoil, Alexander Barkov izay tao anaty fiara nandona vehivavy roa tany Môsko [EN]. Voasorok'i Barkov ny fanamelohana azy na dia hita ho mandresy lahatra ihany aza ny porofo miampanga azy.
  • Ireo blaogy dia ampiasain'ny governemanta tahaka ny fantsona handrarahana [hanariana] ireo hevitra mitsikera sy to fo mba tsy hikitiihana ny rafi-pahefàna ara-politika mpandidy ho tsy voakitika.
  • Tsy mahavita manome fanadihadiana mahaleo tena ireo blaogy (na dia miezaka amin'izany aza izy ireo indraindray). Indraindray dia sazian'ny polisy ireny mpitoraka blaogy manao fanadihadiana mahaleo tena ireny. Nitranga tamin'i Mikhail Afanasiev [RUS] izany, mpitoraka blaogy Hakassian izay nitady hanolotra hevitra hafa tamin'ny firodanan'ny tohan-drano Sayana-Shushenskaya.
  • An-tanan-tohatra ny firafitry ny fiaraha-monina Rosiana.  Lasa rafitra an-tanan-tohatra lehibe misy amin'ireo mpitoraka blaogy malaza sy ireo hafa ny Livejournal sy ny fifandraisana ao aminy. Raha tiana no heno ny feo iray, dia tsy maintsy manandratra ny rohy na ilay mpanoratra ny iray amin'ireo mpitoraka blaogy malaza.
  • Mpitoraka blaogy voakarama: olombelona, masinina, mpanely “spams” amin'ny blaogy. Mitsiry ao amin'ny RuNet ny zava-drehetra hita amin'ny aterineto maneran-tany, izay matetika miteraka hevitra mitongilana be eo amin'ny tambajotran'ireo mpitoraka blaogy malaza.
  • Ny fanaratsiratsiana sy fanasoketana ny mpanoratra (matetika tohanan'ireo manampahefana).

Ny herin'ny governemanta eo amin'ny tontolon'ny blaogy

Miha-mateti-piseho ireo fisehoan'ny herin'ny governemanta amin'ny RuNet. Indreto misy ohatra amin'izany:

Endrika ratsy amin'ny fidirany an-tsehatra:

  • Ny fanivanana votoaty sy ny fanaraha-maso ataon'ireo mpitsara amin'izay voasoratra [EN] izay miankina amin'ny lisitr'ireo fitaovana ekstremista [RUS]. Enjehina ireo mpamatsy raha mandà ny hanidy vohikala sasantsasany. Ny hany lafitsaran'ny fidirana an-tsehatra toy izao dia ny hoe mbola somary mangarahara ihany ny fototra araka ny lalàna mampisy ny fanakànana. Na izany aza, tsy mangarahara velively ny fomba fijerena raha tena ekstremista tokoa ny fitaovana iray. Araka ny nasehon'ny raharaha Dmitri Soloviev, afaka miovaova araka ny toerana nanatanterahana ny fanamarinana ny vokatry ny fanamarinana ara-piarahamonina sy fitenenana.
  • Fanakanana mivantana (antso an-tariby ho ana fanakatonana vohikala) no mitranga rehefa mandrahona mivantana ny manam-pahefàna. Misy tranga sasantsasany voarakitra ato sy ato [EN]. Tafiditra amin'izany koa ny zava-mitranga amin'ireo vohikàla fizaràna dosie toa an-dry torrents.ru sy ifolder.ru, na dia tsy ara-politika aza ny antony amin'izay fa ara-barotra.
  • Ny fanafihana amin'ny alalan'ny DDOS ireo vohikalan-gazety (niharan'izany fanenjehana izany ny Vedomosti [EN], Kommersant, Novaya Gazeta [EN] tamin'ny herintaona).
  • Fiampangana mahazo ireo mpitoraka blaogy sy karazana fanorisorenana hafa (Irek Murtazin [EN], Sergey Peregorodiev [RUS] sy ireo hafa).
  • Famoahan'ny tsy fantatr'anarana trangan-javtra manohintohina ireo mpitarika ireo mpanohitra ny fitondràna (antsoina hoe “Mumugate” [EN]).

Endrika tsara amin'ny fandraisany anjara:

  • Fahamaroan'ireo blaogin'ny mpanao politika. Hita ato [EN] ny filaharan'ireo blaogin'ireo lohandohan'ny governemanta.
  • Famoronan'ny antoko politika tambjotra ara-sosialy (Soratniki [EN], Berloga [RUS] sy ireo sy voatanisa).
  • Fivorian'ny Mpitondra isam-paritany [RUS] miaraka amin'ireo mpitoraka blaogy (hatreto dia mbola faritra iray ihany no manao izany fa mety misy any amin'ny hafa koa) ho endrika fifanarahana sy fiaraha-miasa vaovao.

Hamaranana azy, toerana lasa idiran'ny politika lalindalina kokoa sy mihavoafehy [mihamipetrapetraka ny lalàna misahana azy] kokoa ny Aterineto Rosiana. Noho ny fitokisana azy sy ny fitomboan'isan'ny mpamaky azy dia itodihan'ny sain'ny manampahefana bebe kokoa ny mpitoraka blaogy. Mandritra izany fotoana izany, lasa mihamaka tahaka ny rafitra ara-sosialin'ny fiainana ivelan'ny aterineto mbamin'ny fitongilanany sy ny rafitra an-tanan-tohatra ao amin'ny ny tontolon'ny blaogy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.