Arabia Saodita: feno orana

Mitady ny fomba rehetra hanajanonana ny ranobe vokatry ny orana nivatravatra tany Riyadh androany ny mponina any Arabia Saodita.

Misy bilaogy manokana natsangana hanangom-baovao avy amin'ny twitter sy ny YouTube, miaraka amin'ny vaovao farany ao amin'ny twitter sy sary mihetsika navoaka tao amin'ny sita YouTube. Mitondra ny lohateny hoe ny bilaogy The Riyadh Rain Catastrophe.

Ity sary mihetsika nalefan'i s123ssa ity ny lalana difotry ny rano sy ireo fiara mitady lalana ao anaty rano, jeren'ny mpitazana mampirisika ireto mpamily mahery fo

Hita eto koa ireo olona mivoy ao anatin'ny “farihy” namboarin'ny orana.

Hamodhamad naka sary mihetsika ny orana, sy ny ranobe naterany hitanao eto:

Asehon'ny sary mihetsika eto koa ireo fiara mandeha anaty “renirano” sy ireo fiara hafa maty fa tsy mahatanty ny zava-misy. Eo amin'ny ampahan-tsary no ahitana fiarabe iray mandeha mafy ao aanty rano miezaka manatratra Land Cruiser.

Ity sary mihetsika ity, nalefan'i flv.2, mampiseho ny tanàna difotry ny rano:

Ho an'ny sary mihetsika hafa, jereo eo ambony ny bilaogy .

Saudi Jeans‘ Ahmed Al Omran koa nandefa sary mihetsika mahavariana mampiseho ny hamafin'ny fahavoazana sy ny tondra-drano nateraky ny orambe.

Anisan'ireny ity sary mihetsika ity, nalefan'i sssuuuwww, mampiseho mpianatra voavonjy tao anatin'ny fiarabe fitaterana rendrika':

Al Omran manoratra:

Avy be ny orana ao an-drenivohitra Riyadh amin'izao fotoana izao, ary tahaka ny ho ratsy ny zava-misy. Araka ny zavatra hitako, dia mitovy amin'ny tondra-drano Jeddah ihany izy ity. Tavela eny amin'ny làlana manodidina ny tanàna ny olona, indrindra fa ny any avaratra sy atsinanana. Tsy azo ampiasaina ny lalana lehibe. olona iray no maty. niantso fanjakana anaty fahamehana ny minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny minisitry ny fahasalamana. .Afaka arahanao ara-potoana ao amin'ny twitter ny vaovao, mampiasà ny#riyadhrain. Afaka mampiasa ny RiyadRain.com koa ianao, izay manome vaovao avy amin'ny twitter. Tsaratsara amin'ny mponina ao Riyadh no tsy mivoaka ny trano raha mbola avy be ny orana.

Amira Al Hussaini

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.