Iran : Ilay andro “maitso” fiasana (farafaharatsiny ao anaty aterineto)

Ny Hetsika maitso Iraniana dia manao drafitra mba hanaovana ny 1 May, Andro iraisam-pirenena ho an’ny asa ho « andro maitso ». Tsy nanao fanoherana goavana ny hetsiky ny mpanohitra tato anatin'ny roa volana lasa izao, hatramin'ny fikasana farany nataon'izy ireo tamin'ny Febroary mikasika ny fankalazana ny tsingerin-taonan'ny revolisaona iraniana tamin'ny 1979 izay voararan’ny fitondrana.. Ny hetsika maitso dia mampiasa ny aterineto ho toy ny tetezana hiampitana ho amin’ny tena zava-misy marina.

Tsy noraisina mihitsy ho andro tsy fiasana ara-ofisialy ny 1 May any Iran.

Milaza ny Green Wave Voice:

Video hafa iray maneho ireo graffiti amin'ny rindrina tamin'ny 1 May any Iran. Hoy ny voalazan'ireo teny faneva, “Ho ela velona ny firaisankinan’ny mpianatra sy ny mpiasa”, “Andron’ny asa, homboy ny fitondrana” ary “mofo, fonenana ary fandriampahalemana .”

Indreto sary maro sy peta-drindrina navoakan'ireo tranonkala mpandala ny hetsika maitso.

Fanasàna iray hanao fihetsiketsehana any Shiraz:

shirazsabz

Miteny ny kolontsaina ::

1may3

Fahefana maitso:

1may2

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.