Ny toeran’ny media citoyen eto Madagasikara

Maro zavatra notantaraina tokoa ny sehatry ny seraseran'olotsotra teto Madagasikara. Nitombo tsikelikely ny tontolon’ny blaogy teto Madagasikara tao anatin'ny taompolo farany, nitolona tokoa hanandratra ny feony mandra-pahatongan'ny krizy politikan'ny 2009. Niteraka tinady goavambe ny fizotran'ny toe-draharaha niova haingana dia haingana mitaky ny vaovao farany mba hifanaraka amin’ny toetr’andro ka nahitana fiforonana tontolon’ny blaogy iray mba hampisehoana ny fahaiza-manaon’izy ireo na dia efa mivandravandra aza ny fanamby miandry.
Voakirakira sy voatahiry betsaka tokoa ny trangan-javatra teo aloha, ka ahafahantsika mifantoka tsara amin’ny vokatra ateraky ny krizy eo amin’ny olontsotra mpampita vaovao etsy andaniny sy ny fiantraikan'ny fampitam-baovaon'olontsotra eo amin’ ny fivoaran’ny krizy etsy ankilany.

Ny mpamaky ny mpitoraka blaogy:

(Bar Camp nitaterana ny fotoanan’ny krizy teto Madagasikara. Sarin'i Ariniaina )

Na dia apetraka ara-teorika ho mifandray amin’ny alalan'ny hosina mampalaky serasera EASSy sy LION aza i Madagasikara dia mbola maro ny faritra manerana ny firenena no  saro-toerana eo amin’ny fampiasana aterineto noho ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa sy halafosam-bidin’ny fidirana amin’ny aterineto (1.5%-n’ny mponina fotsiny no mampiasa aterineto ny taona 2009). Araka izany dia azo lazaina ho mbola tsy mahatanteraka ny andraikiny eo amin’ny fampanjakana eo amin'ny vahoaka ny fampitam-baovao / serasera ny aterineto mandra-pampiasan’ny Malagasy maromaro kokoa azy. Tsy azo lavina fa niakatra izay tsy izy ny fampiasana ny fitaovam-piseraserana amin’ny alalan’ny aterineto teo anivon'ny mponina an-drenivohitra, indrindra indrindra nandritry ny krizy politikan’ny taona 2009.
Mpitoraka blaogy maro avy amin’ny faritra maro manerana ny firenena (Antananarivo, Toamasina ary Mahajanga) no nanome an-tsitrapo ny tombatomban’isan’ny mpitsidika ny blaoginy nanomboka tamin’ny taona 2008  mba hahafahan’izy ireo mamantatra ny fivoaran’ny mpamaky.
Azo jerena etsy ambany ny sary maneho ny isan’ny mpamaky ao anatin’ny fotoana voafaritra
:

(Tombatombana : blaogy efatra samihafa eto Madagasikara tamin’ny taona 2008 ka hatramin’ny 2010 (blaogy nosoratana tamin’ny teny malagasy (V.O), frantsay(MH,TD) ary anglisy (MM))

Araka ny hita eo amin’ireo sary ireo, na dia miovaova be aza ny isan’ny mpamaky arakaraky ny blaogy, dia toa manaitra dia manaitra tokoa ny fitoviana misy na dia nosoratana tamin’ny teny samihafa aza ireo blaogy ireo. Ahitana tendrony roa avo indrindra eo amin’ny manodidididina ny volana Febroary sy Aprily 2009 raha nitranga ny fanonganam-panjakana, narahana fihenàna tampoka izany izay mety nisy fifandraisany tamin’ny fisalasalana teo amin’ny mety ho vokatry ny fanoratana zavatra ao anaty blaogy. Nahitana fiverenana indray teo amin’ny mpamaky raha vao nolavin’ny vondrona iraisam-pirenena ny maha-ara-dalàna ny fitondrana ka vosakana tsy hiteny teo amin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana ny governemanta Malagasy. Tsara koa ny manamarika fa nisy fiantraikany teo amin’ny mpitoraka blaogy ny fanoratana zavatra nandritry ny fotoanan’ny krizy noho ny havizanana azony eo amin’ny fikasàny hitatitra vaovao matetika.

Fanambaràna tamin’ny vaovaon’ny haino aman-jery:

Zavatra iray nisongadina teo amin'ny fivoaran’ny blaogy eto Madagasikara ny fanekena sy fanohanana nataon’ny fampitàm-baovao mpisandrahaka maneran-tany tamin’ny alalan’ny fametrahana rohy ny zavatra voasoratra ao amin'ny blaogy:
BBC, CNN, Global Post, France 24, IRIN News, Le Monde,  The New York Times sy The Wall Street Journal.
Nampivelatra ireo mpitoraka blaogy izany sady mandrisika azy ireo fa tena ilaina tokoa ny fiaraha-miasa amin'izy ireo.

Ny fiantraikan'i  “facebook”:

Raha mieritreritra ny hanafoana ny kaontiny ao amin’ny “facebook” ny mpampiasa azy tany andrefana nohon’ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainany manokana, maro kosa anefa ireo teratany Malagasy no nanokatra kaonty “facebook”, teo amin’ny 1.100 ny isan’ny mpampiasa azy tamin’ny 2007 ary tafakatra efa ho 9.000 izany isa izany ankehitriny. Antoko politika Malagasy miisa enina izao no nisoratra anarana tao amin’ny “facebook” satria mahatsapa izy ireo fa ny filazàna ny foto-kevitry ny antoko misy azy ao anatin’io “facebook” io dia fitaovana sarobidy isarihana mpanohana. Nisy pejy “facebook”, MDRM (manana fifandraisana amin'ny antoko politika iray sy ny LOL na hehy amin’ny teny frantsay) noforonina mba hanaovana vazivazy momba ny fidiran’ireo mpanao politika tampoka tao amin’ny “facebook”. Toa mora kokoa ny firesahan’ny samy malagasy ao amin’ny “facebook” satria efa fantatra mazava ny mikasika ilay olona iresahanao.

Ny fiantraikany eo amin’ny krizy politika sy sosialy:

(Razily mpanohitra nosamborin’ny foloalindahy tamin’ny volana Martsa 2009 farany teo: naka ny sary: Radotiana)


Araka ny voalaza teo aloha, filàna anankiroa no fenon'ny olontsotra mpampita vaovao nandritra ny fotoanan’ny krizy :  1) fitakiana fampitàm-baovao faran’izay haingana miseho eo amin’ny faritra samihafa sy fanavaozana azy ireny hanaraka ny toetr’andro sy ny  2) fanamoràna ny fizaràm-baovao ao anatin’ny tsy fitongilànana sy fandikàna izany faran’izay haingana amin’ny fiteny maro. Zavatra roa misongadina  no tena nivohitra vokatr’ireo:

Ny fisehony eo amin’ny zo maha-olombelona:

Olona mahery ny zato no niharan-doza avy hatrany tamin’ity krizy tsy nitsahatra ity. Nisy tatitra maro momba ny fampijaliana, sy fisamborana olona tsy mitombina ihany koa. Ny famantarana voalohany ny nisian'ireny trangan-javatra ireny dia noho ny tatitra avy amin'ireo blaogy manokana sy hafatra fohy nalefa avy amina plateforme toy ny  Ushahidi.  Setrin’izany, nisy fandaharana (fr) miresaka ny zon'olombelona nalefa tao Madagasikara, ny Amnisty International dia nanao fikarohana ary namoaka tatitra lava dia lava tamin’ny volana febroary 2010. Nanameloka ny fandikan-dalàna ihany koa ny fikambanana iraisam-pirenena.

Ny sivana vetivety teo amin'ny haino aman-jery no ambangovangony. Lasa solom-pitaovana nentina nilazam-baovao ny blaogy mandra-panakatona ny sasany tamin'izy ireny. Nanaovana tatitra tany amin’ny “Comittee for Protection of Journalists (CPJ)”[Vaomiera miaro ny mpanao gazety], “Reporter sans frontières”, sy “Global Voices Advocacy” ireny fanenjehana mpanao gazety ireny. Noho izany, niforona ny fiarahana misalahy amin’izy ireo eo amin’ny fanatanterahana ny andraikiny nandritra ny fotoanan’ny krizy politika ary novolavolaina ny fehezan-dalàna hifehy ny fampitam-baovao.

Ny fisehony eo amin’ny tontolo iainana:

Ohatra tsara azo raisina mba hisian’ny fiovana, maneho ny fahaiza-manaon’ny olontsotra mpampita vaovao ny tatitra momba ny fivarotana bolabola tsy ara-dalàna (tapitrisa maromaro amin’ny vola dolara amerikana no vidiny) sy ny fanimbàna ny saha voajanahary  fitsangatsanganana ananan'i Madagasikara .

Namoaka tatitra, sary ary sarintany “interactifs” (Google Maps) momba ny fitrandrahana ny bolabola sy ny fanapahana ny ala ireo fikambanana mpiaro tontolo iainana (Wild Madagscar,  Global Witness ary EIA)  ary vao mainka naparitaka sy nadikan'ireo olom-tsotra mpampita vaovao. Ny  fanangonan-tsonia tanaty aterineto mba hanaikana ireo vondrona iraisam-pirenena samihafa hanakana ny fanaovana trafika an-tsokosoko dia nahavoriana sonia teo amin'ny  580,000 teo. Ny Antenimiera Amerikana dia nandany volavolan-dalàna mandrara izay mety ho vokatra avy amin'ny bolabola avy any Madagasikara ary farany ny Governemanta Malagasy dia namoaka lalàna mampiato ny fanondranana bolabola. Na dia mbola tena mampisalasala aza ny fanarahana ireny fandraràna ireny amin'izao fotoana izao.

Famaritana ny tena vokatra aterak’izany:

Toy ny tamin’ilay resaka bolabola, mbola tsy fantatra mazava tsara hatramin’izao ny fanapahan-kevitra farany momba izay fiantraikan'ny  tatitry ny olontsotra mpampita vaovao iny. Araka ny efa voalaza teo aloha, matetika  dia ny olontsotra mpampita vaovao no mpanome famantarana voalohany mba isarihana ny olona hitodika any amina trangan-javatra sasany. Tamin'ny fanehoana ireo endrika fanamparam-pahefana nandritry ny krizy, ireo olontsotra mpampita vaovao dia afaka namefy ireo mpitarika ara-politika tsy hirona any amin'ny didiko fe lehibe. Mivady amin'ny ezaka atao ho fanomezan-toky ny fiombonambe iraisam-pirenena amin'ny maha ekem-bahoaka ny fitantanan'izy ireo, dia tonga saina ihany ny mpitantana fa maneho sarina fitondrana tsy miraharaha ny zo maha-olona.

Na izany aza, atao mifanila amin'ny asa andavanandro ihany ny asa fanaovan-gazetin'olom-pirenena, ka tsy ahafahan'izy ireo mamakafaka lalina, indrindra mandritra ny fotoanan'ny krizy. Noho izany, fomba mety indrindra ho an’ny media-n'ny olom-pirenena ny fiarahana miasa amin’ ireo haino aman-jery matihanina mba ahazoana vokatra tsara.

Olana iray hafa ho ana mpitoraka blaogy Malagasy maro ny lalana izoran'ny fifaneraserana/fifampiresahana amin’ny alalan’ny aterineto. Efa be loatra ve ny vaovao ary indraindray aza dia mifanao atsimo sy avaratra ny resaka izay mety handoaka ny fandrosoan'ny tontolon-tserasera mba ho matotra kokoa ny fiaraha-monina niomerika? Mpitoraka blaogy maro no nilaza ho leon'ny fironan'ny aterineto gasy diso tafahoatra mankany amin’ny resaka politika, ka maniry ny hiverenan’izany ho any amin’ny fampandrosoana ny firenena, tsy asiana fijerena ny hoe iza avy no ao anatin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao.

Eo amin'ny sampanan-dalana ny seraseran'olom-pirenena eto Madagasikara ankehitriny; mahita ny tsirim-pampandrosoana ireo mpitoraka blaogy fa mahita ihany koa ny fandrika ateraky ny fiparitahan’ny vaovao haingana manerana izao tontolo izao. Ny zavatra mahafinaritra dia manaiky izy ireo fa manana andraikitra goavana eo amin’ny fahaizana fampakarana ny tontolo anatin’ny aterineto sy ny tontolo ny ivelany. Antenaina fa tsy ho very maina ny firotsahana an-tsehatra hitaizana ny maha-olom-pirenena noho ny krizy tsy misy fiafarany.

===========================

Ity lahatsoratra ity dia ampahany anatin’ny Global Voices Summit momban’ny fivoaran’ny media-n'ny olom-pirenena.

Ankasitrahana ireto mpitoraka blaogy manaraka ireto noho ny fanoloran-kevitra teto amin’ity tatitra ity:

- Ariniaina, Andrydago, Avylavitra, Fijery, Jentilisa, Radotiana, Madafan, Mada initiatives, Malagasy Miray, R1lita, ary Reflexiums.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.