Belzìka : Hihàran'ny fandraràna ve ny rakitsariitatra ”Tintin any Kôngô”?

Tintin au Congo [Tintin any Kôngô],  ilay rakitsariitatra faharoa amin'ny andian’Ireo tantaram-piainan'i Tintin izay diam-penin'ny kalaza Hergé, teratany Belzà [avy any Belzìka] izay mpanoratra ny tantara sady nanao ireo sariitatra mitantara ny fiainan'izato tovolahy mpanao gazety antsoina hoe Tintin, dia miatrika fandraràna nohon'ny fitoriana fanavakavaham-bolo-koditra. Ao amin'ny blaoginy Black Bazar, Alain Mabanckou kosa mihevitra fa «tokony avela ho vavolombelon'ny teotsaim-panjanahana izay nanjàka tamin'ny vanin-taona 1930-1940 ity lahatsarin'i Tintin ity» [fr].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.