Qatar: Manohitra ny politika vaovao mikasika ny fahazoan-dàlana raisina eo am-pahatongavana ireo mpiasa mpifindra monina

Starting May 1, visitors from dozens of countries must apply for visas before traveling to Qatar instead of obtaining them at the airport

Nanomboka ny 1 may, tsy maintsy manana “visa” ireo mpizahatany avy amina firenena ampolony maro alohan'ny hitsidihany an'i Qatar fa tsy eny amin'ny seranam-piaramadina intsony izy ireo no mahazo izany (Sarin’i Jamie Sanford)

Mandeha ny tsaho araka ilay vaovao an-gazety tany an-toerana fa mikasa ny hampihatra ny tsy fanomezan-dalana eo ampahatongavana intsony i Qatar ho ana firenena ampolony maromaro.

Araka ny gazety Gulf Times, ny fanovàna, izay mihatra aorian'ny 1 may, dia mitaky ireo firenena eropeanina 33, firenena tandrefana sy ny firenena aziatika mba haka ny ‘visa’ amin'ny alalan'ireo masoivoho Qatari any amin'ny fireneny avy alohan'ny ahatongavana ao Qatar.

Ny masoivohon’i Etazonia, Britanika ary frantsay any Doha dia efa nanamafy fa anisan'ireo firenena niharan’io fanovàna io izy ireo, fa nilaza kosa ireo solontena ofisialy avy amin’ny firenen-kafa  fa mbola vao manadihady momba izany ry zareo.

An’alahelo no nandraisan’ireo mponin'i Doha ny vaovao tao amin'ny Twitter.

Nilaza ny mpitoraka blaogy sasany eto fa miahiahy io fiovàna io ho nampirisihina tamin'ny antsonjay – toy ny valifaty ho an’ireo firenen-kafa mitaky an'ireo teratany Qatari hanao “visa” alohan'ny fahatongavany ihany izany.

Nilaza i Marjorie ao Qatar:

Toa valifaty vaovaon'ny Qatar ity. Volana vitsivitsy lasa izay, dia nivadika ho rafitra “valifaty” ny fahazoan-dàlana hitondra fiara: tsy tonga dia azo avadika ho fahazoan-dalana Qatari tsotra izao  ny fahazoan-dalana Amerikana, satria ny Etazonia dia tsy mamadika ny fahazoan-dalana Qatari avy hatrany.

Ny sasany indray mihevitra fa fomba entin'ny Qatar hiarovana ny sisintaniny iny, vokatr’ilay famonoana ny filohan’i Hamas, Mahmoud al-Mabhouh tamin'ny volana Janoary. Ahiahiana ho  novonoina lehilahy maromaro mampiasa pasipaoro sandoka eropeanina sy britanika izy. Manameloka ny sampam-pitsikilovana israelina Mossad i Dubai  tamin'izany famonoan'olona izany.

Niteny  i ibnkakfa ao amin'ny Twitter:

Misy ifandraisany amin'ny famonoana an’i Mossad tany Dubai ?

Ao amin'ny Qatar Living, “forum” malaza amin'ny aterineto , izay nahitana lahatsoratra momba ilay politikam-panovàna nahazo tsikera maherin'ny 100, niteny i Bleu:

Ampahamatorana tokoa no hilazàna fa, fepetra maimaika fotsiny taorian’ny zava-nitranga tany Dubai ireny… Mety ho antony hafa koa.

Nanampy koa i genesis:

Miombon-kevitra amin’i bleu aho, fa fepetra fiarovany ny fireneny izao. Hita manko fa i Qatar dia tsidihana manam-boninahitra Israeliana, Siriana ary Hamas matetika.

Maneho ny heviny mikasika izay fiantraikan’io fanovana io amin'ny ara-toekarena i canarybird:

Tsy mieritreritra aho hoe olana ny fahabetsahan’ny mpifindra monina izay mipetraka sy miasa aty, nefa tsy maintsy hisy akony eo amin'ny toe-karena iray manontolo izany. Ary maro amin'ireo vehivavy vadin'ireo mpifindra monina ireo no tsy manana afa-tsy “visa” ho an’ny mpizahatany fotsiny ary maro koa no mandeha manao “‘voyage d'affaire” fohifohy. Misy fiantraikany amin’ny fampidiram-bola mikasika ny “visa” izany.

Na inona na inona antony, maro no manaiky fa ny taratasy fanampiny ilaina amin'ny fitsidihana an'i Qatar sy ny tsy fahampian'ny masoivoho Qatari any amin'ny firenen-kafa  dia mamono ny ezaky ny firenena hampiroborobo ny fizahantany.

Nilaza i fubar, mpaneho hevitra ao amin'ny QL :

Hafaliana lehibe ho an’ny Ministeran'ny Fizahantany io vaovao io. Raha orinasa lehibe iray mihanaka manerana ny firenena maro ianao ka mikarakara fivoriambe ho ana solontena ambony miisa 1000 avy amin'ireo firenena Tandrefana – toy ny fivoriana CITES na fivorian’ny Firenena Mikambana mitovy amin’izany – ho any Qatar ve ianao, izay saika ny tsirairay dia tsy maintsy hikarakara “visa” alohan'ny hahatongavany, sa ho any Dubaï ?

Ny sasany milaza fa mahamarina kokoa ny rafitra izany fanovàna izany.

Manambara i UkEngQatar:

Tsy maintsy manana “visa” mialoha ireo teratany Qatari izay vao afaka mankany Grande Bretagne. Raha izany tokoa no izy, marina ny an'i Qatar. Mila mizatra amin'izany fotsiny isika teratany Britanika sy Eoropeana ary Amerikana.

Nanambara koa ace.auteur:

Ara-dalana izany ! Nofy ratsy ho an’ny maro ny hihevitra ny hahazo “visa” Amerikana/UK. Fa ahoana no ho mora izany ho an'ny 33 ? Na izany na tsy izany, tsotra lavitra izany noho ny fikarakarana “visa” Amerikana/UK mahazatra. Tsy vitan'ny hoe marina ny “fifamaliana faty” fa io no zavatra tokony atao.

Na izany aza, matahotra ireo mipetraka lavitra ny tapaka sy namany fa vao maika hanasarotra ny fifandraisana amin'izy ireo izany.

Milaza i Mandilulur:

Mahalala Britanika enina aho miasa amina orinasa lehibe iraisam-pirenena aty amin'ny Gulf (miorina any Qatar) manana “visa”-n'asa. Mila manao “visa” fitsidihana vaovao foana ny vadin’izy isam-bolana. Mazava ho azy fa tsy ho azo hatao intsony izany izao. Handeha hifindra izy ireo. Ireny ve no karazana mpifindra monina tianao hiala ? Hahita asa n’aiza n’aiza ny mpiasa manao sesitany tena ka marani-tsaina !… Indraindray aho mahatsiaro tena ho toy ny oran-dranomasina anaty vilany – rahoviana ny olana ateraky ny fanapahan-kevitra tahaka ireny no hanan-danja kokoa noho ny fitiavako an'i Qatar? Zavatra tokona no azoko lazaina anao – Io dia tsy maintsy hisy fiantraikana amin'ny resaka ifanaovako amin'ireo matihanina mihevitra ny hoavy any Doha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.