Global Voices Summit 2010: Andro vitsy sisa dia.. Santiago

Angola, Argentina, Armenia, Australia, Bahrain, Bangladesh, Bhutan, Bolivia, Brazil, Cambodia, Canada, Chile, China, Colombia, Denmark, Dominican Republic, Egypt, France, Guadeloupe, Guatemala, Haiti, Hong Kong, India, Iran, Italy, Japan, Kazakhstan, Kenya, Liberia, Macedonia, Madagascar, Malawi, Mexico, Mongolia, Morocco, Netherlands, Nigeria, Pakistan, Paraguay, Peru, Philippines, Poland, Portugal, Puerto Rico, Russia, Serbia, South Africa, Spain, Sri Lanka, Sweden, Switzerland, Syria, Taiwan, Tanzania, Trinidad and Tobago, United Kingdom, Ukraine, Uruguay, USA, Uzbekistan, Venezuela, Yemen.

Ireo avy, raha sendra manontany tena ianao,  ireo firenena 60 mahery – nisoratra – handray anjara amin'ny  Fihaonamben'ny Global Voices Citizen Media amin'ity taona ity.

Biblioteca de Santiago, handray ny Fihaonambe 2010'ny  Global Voices Citizen Media. Sary avy amin'ny Biblioteca de Santiago

Tao anatin'ny 25 andro, amin'ny6  May 2010, olona any amin'ny  200 any avy amin'ny lafin'ny efatra amin'izao tontolo izao no hihaona ao amin'ny Bibiloteca de Santiago ao Santiago, Chile, hanatrika ny  Fihaonambe ‘The Global Voices Citizen Media’. Asa be tokoa ny maka izany olona rehetra izany manerana ny tany, ary ho anay tarika mpanomana, ireo volana vitsy lasa dia nolaniana tamin'ny fijerena hoe ahoana no hakàna ireo olona avy  amin'ireo tanàna toa an'i  like Lilongwe, Colombo, Port-au-Prince sy Ulan Bator ho tonga any Santiago, mamandrika efitranon'ny hotely, mifantina ny fangatahana ny visas, sy, indrindra indrindra, mandrafitra sy manamasaka ny endriky  Fandaharan'asan'ny Fihaonambe. Avy eo miverina manamasaka an'iny indray.

Ny fandaharana amin'ity taona ity dia hisy ny fifanakalozan-kevitra faobe, miainga amin'ny lohahevitra atolotry ny vaomiera tsirairay, manokatra karazana atrikasa tsy tena manana endrika “kaonferansa” loatra ary fanofanana mivantana arahin'asa. Hisy folo miniktra anaovana famelabelarana momba ny tetikasa fampahalalam-baovaon'olontsotra hanelanelana ny hetsika. Ho hamoraintsika ny fidirana amin'ny aterineto, ny fandraisana anjara mivantana ary dia hamoaka sary mivantana, handika sy hampakatra mivantana ireo fahalalàna sy fifanakalozan-kevitra samihafa miainga avy amin'ny fihaonambe ary ao anatin'ny rafitra napetraka.

Maharavo anay ihany koa ny fanambarana ny vokatra voalohan'ny fifaninanana Mamaky Sisintany [Breaking Borders] iarahan'ny Google/Global Voices izay hatao mandritry ny fotoam-panokafana, izay ny harivan'ny 6 May, andro voalohan'ny fihaonambe. Ny award (fifaninanana) dia ho fankasitrahana ireo fandraisana andraikitra niavaka teo anivon”‘ny aterineto ho fampivelarana ny fahalalahana miteny, ary ireo mpandresy dia hisidina ho any Santiago ka sady hanatrika ny Fihaonambe no hanatrikan ny fizarana ny valisoa.

Raha tianao ny hiombona aminay any Santiago, mbola misy ny efitrano. Azonao atao ny misoratra anarana ao amin'ny Tranonkalan'ny Fihaonambe (Summit web site), izay misy ihany koa amin'ny teny Espaniola. 75$ no saran'ny famandrihana, tafiditra ao anatin'io ny fanatrehana ny hetsika mandritry ny roa andro, ary misy sarany 40 $US manokana (CPL$22,500) ho an'ireo Chilians ao a-toerana.

Raha te-mba ho isanay moa ianao, nef tsy afaka, dia hisy ny fandefasanay mivantana ampahany amin'ny fandaharana ny 6 sy 7 May. Tsidiho koa ireo  hafatra am-blaogy alefan'ny fianakaviamben'ny Global Voices sy ireo mpanentanay ao amin'ny Tranonkalan'ny Fihaonambe (Summit web site) dia araho koa izahay ao amin'ny  Twitter sy Facebook.

Mbola be ny vaovao momba ny Fihaonambe ho avy atsy ho atsy!

Matoa tanteraka ny Fihaonambe ‘The Global Voices Citizen Media Summit 2010′ dia tao ny  Google, MacArthur Foundation, Open Society Institute, Knight Foundation, Hivos, Bill & Melinda Gates Foundation sy Yahoo, miaraka amin'ny fanohananan'ny  Fundacion Ciudadano Inteligente sy ny Observatorio de Comunicaciones Digitales.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.