Poland: Fihetsika amin'ny horonantsary taorian'ny fahafatesana noho ny fianjeran'ny fiaramanidina

Taorian'ny vaovao mampalahelo tamin'ny nahalasanan'ny Filoha Lech Kaczyński sy manamboninahitra 95 hafa, manomboka herinandro fisaonana amin'ny fomba ofisialy i Poland. Ankoatry ny habetsahan'ny fihetsika tamina toerana isan-karazany amin'ny aterineto, ireo hafatra amin'ny horonantsary koa dia fitaovana iray matanjaka anehoana ny fihetsehampon'ny firenena manontolo.

Natalia10odd dia namoaka ny tononkalony, miaraka amina dika teny Anglisy:

Bettymegami manao veloma farany an'i Lech Kaczyński:

Sasuuka mampatsiahy antsika ny endrika sy anaran'ireo niharan-doza tamin'ny fianjeran'ilay fiaramanidina:

Ny tena manaitra dia ity hafatra tsotsotra ity miaraka amin'ny sainam-pirenena poloney, misy tepany mainty ary ny tonon'ny hiram-pirenena Poloney manomboka amin'ny hoe ‘tsy hanjavona i Poland, raha mbola velona isika…’ miaraka amin'ny lohateny hoe – ‘Ho fahatsiarovana ireo niharan-doza maty tamin'ny 10 Apily 2010″, nampiakarin'i gucio3417:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.