Polonina: Maty tamin'ny fianjerana voromby tany Rosia ny filoha Kaczyński – Fihetsika voalohany

Nahatratra ny tontolon'ny bolongana iray manontolo, ka hatrany amin'ny  gazety malaza ankehitriny ny vaovao nianjeran'ny voromby nitondra ka nahafaty ny filoha Lech Kaczyński sy ny vadiny ary ireo tompon'andraiki-panjakana ambony tany andrefan'i Rosia androany maraina. Nizotra ho any Katyn ny filoha, handray anjara tamin'ny fotoam-pahatsiarovana ny fandripahana tao ana'alan'i Katyn nandritra ny taona 1940.

Samy nahitana ny fihetseham-pon'ny olona voalohany vantany vao nandre ny loza na ny tao amin'ny Twitter na ny mitovy aminy poloney Blip.pl. Tohina ny olona.

Hoy Ewa_b :

ewab

Tsy te-hino aho

Nanampy i Nice [PL]:

nice

Tena nofy ratsy izao ;-(

Ny hafa tahaka an'i Namenick koa  nampiseho ny fahatairany tamin'ny alalan'ny fandefasana ny vaovao tamin'ny teny anglisy:

namenick

TOHINA AHO – Nidoboka tao Smolensk ny Vorombin'ny filoha Poloney. Tsy nisy niangana.

Nasongadin'i Vagla fa [PL]:

vagla

Tao anaty voromby ny atsasaky ny mpikambana ao amin'ny governemantan'i Pôlônina.

Niditra an-tsehatra ny fihetseham-pon'i [PL] hustka:

hustka

“ireo ny olona nitondra teto amin'ny firenena” chaos!! ;o

Navoitran'i Perdo [PL]:

perdo

Nisolo toerana vonjimaika ny Filoha ny mpitondra tenin'ny Antenimiera. hambaran'izy ireo ny fisian'ny fifidianana ho avy.

Nitohana tanteraka ankehitriny ny famoaham-baovao Poloney tahaka ny  Onet.pl; mikatso tahaka izany koa ny serasera am-pinday.

Mitatitra i Dziennikarz [PL]:

dziennikarz

manana olana avokoa ny vavahadin-tserasera poloney rehetra noho ny fahamaroan'ny mpiserasera be loatra

Malisa nilaza ny vaovao farany momba ny serasera am-pinday[PL]:

malisa

#plusgsm mikatso tanteraka. Tsy maintsy ho nifampiantso hifanome vaovao ny olona.

Tsy mitsaha-manome vaovao ny gazety [Sary sy feo ary serasera] malaza, ka mihamiseho ihany koa ny fihetse-pon'ny olona:

KissMeJoeJ no namoaka hoe:

kismejoe

Mampihoron-koditra ny sarin'ny loza. 132 no maty. :([*]

Polskatimes.pl no namoaka ny lisitra voalohan'ireo tao anatin'ny voromby, namahana izany tamin'ny Twitter koa.

Efa lasa lavitra ny eritreritry [PL] ny sasany tahaka an'i Irenkaa,:

irenkaa

Manontany tena aho raha tena loza tsotra tokoa iny…

Voter101 nilaza ny zava-misy fa tsy tian'ny olona ny Filoha [PL]:

voter101

#president tsy misy tia azy – nefa hisy ny fanajana ny maty…mahatsikaiky.

manazava [PL] Naphilim :
naphilim

Angamba tsy tia azy aho, saingy tsy toy izao kosa no ieritreretako ny fanovana ny filohan'ny firenena.

Manomboka mivory maneho ny alahelony ny olona, mitatitra [PL] i dominikpanek :

dominikpanek

Mivory eo anoloan'ny Lapam-panjakana eo Varsovia ny mponina eto an-drenivohitra. Mitondra voninkazo sy Koraonina ry zareo.

Ny hashtag #RIPLechKaczynski no ampiasain'ny mpamahana Twitter hanehoany ny alahelony an-tserasera, sy hiantsoany ny hafa hiara-miory aminy, fomba nataon’TeamJoeJ:

teamjoej

Miangavy mba hampiasa ny #RIPLechKaczynsk 🙁

mi-tweet ny fehin'ny fhetseham-pon'ny Poloney amin'izao fotoana izao mampiasa ny fitaovan-tserasera i Linkaaa:
Linkaaa

Mitomany aho. Na dia tsy liana amin'ny politika mihitsy aza fa mikasika an'i Polonina kosa. Ny Fireneko. Ny Filohanay. Filoha Poloney.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.