Guatemala: Fitsidihan'ny Sekreteram-panjakana Hilary Clinton

Nitsidika an'i Guatemala ny Sekreteram-panjakana Amerikana Hillary Clinton ny Zoma 5 Martsa, izay nihaonany tamin'ny Filoha Álvaro Colom ary mpitarika maro avy ao Amerika Afovoany sy Karaïba. Niresadresaka mikasika ny fandriampahalemana  manoloana ireo ady amin'ny zava-mahadomelina sy ny fanohanan'ny Etazonia amin'ny fandrindrana ny fifandraisan'i Honduras amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena araka izay tokony ho izy. Na eo aza anefa izany, dia tsy sahy niresaka ankarihary izy  mikasika ny fanavaozana ny fifindra-monina izay mety hahakasika Goatemalteky maherin'ny 400,000 tsy manana taratasy ara-dalàna mipetraka any Etazonia. Na dia notsindrian-daona mafy niandry ny fampisehoana ataon'ilay tarika heavy metal Metallica aza ireo mpitoraka blaogy Goatemalteky maro, dia misy lahatsoratra roa mikasika ny fitsidihan'i Clinton any:

Secretary Clinton and President Colom in Guatemala. Photo by  Gobierno de Guatemala and used under a Creative Commons license.Ny Sekretera Clinton sy ny Filoha Colom any Guatemala. Sarin'i Gobierno de Guatemala ary nampiasàna ny Creative Commons license.

Maro amin'ireo vaovao tato ho ato  mikasika ny dian’ i Clinton tany Amerika Latina, ao anatin'izany i Brezil, Uruguay, Argentina, Chile, Costa Rica, ary Guatemala no azo arahina ao amin'ny Twitter amin'ny fampiasana ny tenifototra #hillarytravel. Raha ny momba ny fijanonany tany Guatemala, ny Sekreteram-panjakana mpanampy misahana ny raharaha any amin'ny ilabolan-tany andrefana, Arturo Valenzuela (@WHAAsstSecty) dia ni-tweet ny fanambaran'i Clinton:

#SecClinton: Hiady amin'ireo vonoolona iniana atao izahay, ireo gangs sy ireo trafika marosampana  ary hiaraka hiaro  ny mponin'i Guatamala.

#SecClinton: Tena fantatray mihitsy fa manao  ezaka be tokoa manoloana ireo ‘cartels’ mpanao heloka bevava i Amerika Afovoany.

Robin Martínez ao amin'ny blaogy CGN [es] dia mizara tantara kely mahatsikaiky momba ny fitsidihan'i  Clinton:

Como víctima de su propia naturaleza humana, la señora Clinton sufrió un especial momento de resequedad en la garganta que por largo rato interrumpió su intervención en la conferencia de prensa. Luego de la tercera de ellas, una asistente de la Presidencia se acercó para darle un vaso con agua, gesto que Clinton agradeció e inmediatamente resolvió su problema. Cuando bebió su fresca agua guatemalteca, esperó unos segundos y con voz nueva, continuó sus declaraciones a los periodistas. Como decimos los Guatemaltecos Hillary, la pura tos.

Niaritra hirifiry noho ny toe-tena maha-olona azy manokana izy, narary nandritry ny fotoana lavabe i Ramatoa Clinton noho ny fahamainan'ny tenda, nisy fotoana lava maina ny tendany, izay nahatapaka ny resadresaka nataony ho an'ny mpanao gazety. Taorian'ny fahatapahana fahatelo, dia nomen'ny mpikambana iray amin'ireo mpikarakara ny filoha rano iray vera izy, fihetsika izay nankasitrahan'ny Sekretera ary tonga dia namaha avy hatrany ny olana. Rehefa nisotro ilay rano madion'i Guatemala izy, niato kely ary dia nanohy ny fanambarany tamin'ireo mpanao gazety. Araka ny noteneninay Guatemalteky, “Hillary, la pura tos.” (Ao tsara Hillary!)

Na eo aza anefa izany, amin'ireo raharaha lehibe maro, Mario Rodriguez ao amin'ny blaogin'ny Center for Development Research and Information [Foibe ho Fampandrosoana ny Fikarohana sy ny Fampahalalam-baovao]  (CIID  raha ny fanafohezana azy amin'ny teny Espaniola), dia manolotra ny heviny amin'ny fahavononan'ny Sekretera Clinton nandritra ny fitsidihany taorian'ny tolo-kevitra navoitra hananganana vondrona vaovao isam-paritra izay mety tsy hahitàna an'i Etazonia sy Canada. Rodriguez dia tsy mieritreritra fa hoe nikasika ny fivarotana rongony ihany izany [es]:

Estados Unidos en este campo actua hipócritamente. Utiliza el tráfico de drogas como pretexto para militarizar la zona, y como arma política para intervenir en los países, ya sea por medio de la cooperación o por medio de acusaciones a gobierno no amigos de Estados Unidos de propiciar el uso de su territorio para el tráfico de drogas. Por eso la visita de Hillary Clinton al país para hablar del problema del narcotráfico es para reirse.

Mpihatsaravelatsihy i Etazonia amin'ity raharaha  ity. Mampiasa ny fivarotana rongony tsy ara-dalàna ho fialàn-tsiny amin'ny fametrahana tafika any amin'ny faritra, sy ho toy ny fiadiana politika mba hitsabahany amin'ny raharaha anatin'ireo firenena hafa amin'ny alalan'ny fanampiana iraisam-pirenena na amin'ny fiampangana ireo Governemanta izay tsy manana ny sata maha-“naman'ny Etazonia azy”, ka miampanga azy ireo ho manamora ny fivarotana rongony an-tsokosoko mandalo amin'ny taniny. Izany no mahatonga ahy mieritreritra fa ny fitsidihan'i Hillary Clinton ny firenena  “mba hiady hevitra mikasika ny olana amin'ny fivarotana rongony ” dia mampihomehy.

@yomararnold, mpitoraka Twitter,   dia manoratra sady mivazivazy fa angamba ny tena anton'ny fitsidihan'i Hillary [es] an'i Guatemala dia mety ny faniriany hanatrika ny seho an-tsehatry ny Metallica.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.