Dr. Ashraf Wagdy, Ejiptiana iray mafana fo avy amin'ny elatra havia, dia nosamborina omaly tamin'ny 7 ora hariva ora iraisam-pirenena. Nanangana vondrona Facebook iray izy mba ho tosika ho an'i Mohamed ElBaradie amin'ny hazakazaka ho amin'ny Fitondrana (Prezidansa).
Manao fitokonana tsy mihinan-kanina izy izao mba ho fanerena amin'ny hamotsorana azy, hatramin'ny fanamparam-pahefana nataon'ny Polisy Ejiptiana nitondra azy manoloana ny fitsarana, mitazona azy tsy misy fanamelohana.
Vondrona Facebook iray hafa no niforona mitaky ny famotsorana azy. Teo aloha dia mpitsabo marary saina i Dr. Ashraf Wagdy, ary lehiben'ny tranomboky Books&Beans, foibe ara-tsaina lehibe iray ao amin'ny tanànan'i Mansoura, 120 Km avaratra andrefan'i Cairo.