Miteraka fikorontanana ny tantara “fanampiana ho an'ny fitaovam-piadiana” Etiopiana

Niteraka fikorontanana be ny BBC tamin'ity herinandro ity noho ny tantara iray milaza fa nampiasain'ireo mpihoko nividianana fitaovam-piadiana ireo dollar an-tapitrisany maro nalefa hanampiana ireo fianakaviana tratran'ny hanoanana tany Etiopia tamin'ny taona 1980.

Nanohitra izany tantara izany ireo mpihoko, izay manjaka ao amin'ny governemanta Etiopiana, sy ireo vondrona sasantsasany mpanao fanampiana amin'ny maha-olona. Bob Geldof, Irlandey iray mpanao rock izay nanampy betsaka tamin'ny fanangonam-bola tamin'ny taona 80 tamin'ny alalan'ny fanentanany Live Aid, dia niteny fa “tsy izany mihitsy ny zava-nisy”. Ny gazety Britanika tsy miankina dia nanoratra blaogy milaza fa tsy marina iny fanambaràna iny fa noketrehin'ireo fahavalon'ny governemanta Etiopiana amin'izao ankatoky ny fifidianana izao.

Ilay blaogy Etiopiana Ethiopian Recycler, izay mazava fa tsy mankafy ny fanjakàna mipetraka amin'izao fotoana izao, dia nanohitra ary niaro ny tantaran'ny BBC tao anatina lahatsoratra roa Ny volan'ny fanampiana, fitaovam-piadiana, ary Atoa Sir Bob Geldof sy Naloa ho an'ny fitaovam-piadiana ny volan'ny Live Aid :

Tapitrisa maro tamin'ny vola fanampiana nangonina no azo antoka fa nahodina nividianana fitaovam-piadiana sy namatsiana ireo mpitarika mpihoko izay manana fomba fiaina mahery setra sy adaladala, na dia ankehitriny aza. Tsy zava-baovao izany. An'arivony tamin'ireo mosarena avy tany Tigray no noterana handeha an-tongotra nankany Soudan ka maro tamin'izy ireo no maty tamin'izany. Ary an-jatony maro tamin'ireo napetraka tany Atsimo-Andrefan'i Etiopia no niverina tany Tigray sy nandalo tany Soudan [ary an-jatony tamin'ireo no maty an-dàlana]. Tsy vaovao koa izany. Tsy mitombina tsotra izao raha, aorian'ny tatitra nataon'ny BBC, dia mbola manontany tena ihany hoe tena nisy ve sa tsia zany fanodinkodinana izany.

“Fa naninona no ampahefatra taonjato iray aty aoriana vao nolazaina ampahibemaso ny marina,” hoy Samuel Ketema manontany tena ao amin'ny ABBAY Media: Tobim-baovao Etiopiana:

raha misy ny zavatra tokony hahataitra ny olona, dia ny hoe maninona no ampahefatra taonjato iray aty aoriana vao notenenina am-pahibemaso ny marina. Raha tsy izany, ary indrindra ny fahadisoam-panantenana tamin'ny TPLF dia zavatra diso fantatry ny vahoaka Etiopiana loatra. Nahoana no nananganana ny REST (Relief Society of Tigray), izay fikambanana mitentina lavitrisa maro, no tsy dia tsiambaratelo loatra ho an'ny vahoaka Etiopiana. Manaraka azy eo koa ny fahafantaran'ny CIA izany hatramin'ny voalohany sy ny nanohanan'ny governemanta Amerikana izany.

Ireo mpitarika mpihoko roa teo aloha, izay namboraka ny marina, dia efa nilaza izany teo aloha tany amina resadresaka samihafa nataon-dry zareo tany Amharic. Tsy misy vaovao ny momba izany. Tamin'ny fomba ahoana ary no nahazoan'ny TPLF ny tafika lehibe sy tsara fitaovana indrindra any Afrika Atsimon'ny Sahara raha izany? Meles Zenawi, ary maro hafa tany andrefana, anisan'izany Bob Geldof sy Bono, dia nanoritsoritra azy, lehilahy tena marani-tsaina, mbola marani-tsaina noho izay eritreretin'ireo mpankafy azy any andrefana amin'izao fotoana izao.

Sarah, mpamaky iray tao amina “Forum Ethiopian Curret Affairs”, dia manamarika fa tsy taitra tamin'ireo vaovao ireo ny Etiopiana:

Tsy taitra tamin'ireo vaovao ireo mihitsy ny Etiopiana mahalala ny toetoetry ny antoko eo amin'ny fitondràna any Etiopia, ny nahataitra azy ireo dia ny hoe fa maninona no izao vao manomboka miteny ireo haino aman-jerin'ny Tandrefana? ary i Bob Geldof mitondra tena tahaka ny lehiben'ny mpanao didy jadona Etiopiana.

Malaza manerana an'i Etiopia ny tantaran'ny “fanampiana ho an'ny fitaovam-piadiana”, hoy Mebre:

Fantatra manerana an'i Etiopia ny tantara nolazainao nefa manome fototra miharihary ho an'ny Tandrefana fa na ny mpanao didy jadona izay tsy manana fitsipika ara-moraly ho an'ny vahoakany aza afaka mitondra fandriampahalemana sy fiadanana ary fahafahana ho an'ny fireneny. Misisika mafy izahay mba tsy hamatsian'ireo Tandrefana fitaovam-piadiana  ireo mpanao didy jadona….tohano ny mahantra…ny mahantra no mila fahafahana mihoatra noho ny hafa…..

Endrika iray hafa isehoan'ny fifandraisan'ny Etiopia sy ireo masoivoho mpanao fanampiana no nisongadina tao anatina lahatsoratra iray nosoratana mpitoraka blaogy iray mipetraka any Addis-Abeba, Owen Barder. Ny blaogy momba ny fanampiana, Hand Relief International dia manao fijery maneso amin'ny fahasamihafàna misy eo amin'ny hatsaràn'ny hotely Sheraton any an-drenivohitra, ipetrahan'ireo tompon'andraikitra maro mpitondra fanampiana, sy ny fahantràna hita mivandravandra ivelan'ireo rindriny:

Tany Addis Abeba no natao ny iray tamin'ireo fihaonana natrehako tamin'iny herinandro lasa iny ary somary nanelingelina ny fipetrahako tao amin'ny Hotely Sheraton ihany ny zavatra tàzana tao ambadiky ny rindrim-piadanana, dia ireo olona mitafy akanjo rovitra izay toa tsy mifaly loatra amin'izany fiadanana izany… Soa ihany ny haintany tany an-toerana fa tsy nisy fiatraikany teo amin'ny fandehan'ny rano tao amin'ny hotely, noho izahay nifalifaly tamin'ny fitsorztsorahana matetika tao amin'ny dobo filomanosana voafàna, mazàna mialoha ny fisotroana dite io. Ny lohahevitry ny fihaonana dia “Ny Haintany sy ny Hanoanana – vintana ho an'ny HRI amin'ny 2010″

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.