Manangam-peo hanohitra ny famehezam-bava ireo mpanoratra anivon'ny Global Voices

The Internet is the tool most feared today by the elites, the media and by the power. It empowers those who otherwise would remain forgotten, oppressed. It is a weapon that gives ammo to those who are protesting for justice, equality and freedom and that shakes the structures of the state – and of companies – which sees no other choice but to censor.

Ankehitriny dia ny Aterineto no fitaovana atahorana indrindra hoan'ireo sangany eo amin'ny fiaraha-monina, ireo fantsona fampahalalam-baovao [media] ary ireo manana ny fahefana eo am-pelatanany. Satria fitaovana maherivaika am-pelatan'ireo izay hadino, voan'ny tsindry hazolena raha toa ka tsy teo ny Aterineto. Fitaovam-piadiana izay manome bala iireo izay manangam-peo mikatsaka ny rariny, ny fitovian-jò ary ny fahafahana izany ka mampangozohozo ny fototra ijoroan'ny fanjakana – sy ireo orinasa vaventy samihafa – izay tsy manan-kavaly afatsy ny famehezam-bava.

Raphael Tsavkko Garcia Mpiblaogy Breziliana sady mpanoratra anivon'ny Global Voices

Androany no ankalazaina ny Andro iraisam-pirenena anoherana ny famehezam-bava eto amin’ny Aterineto, izay nahita masoandro vokatry ny fivoizan'ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana “Reporters sans sans frontières” (RSF) izao solombavan'ireo ireo mpanao gazety sady mpivoy ny fahalaham-pitenenana manerana izao tontolo izao mba hahatonga ny Aterineto ho tokana sady malalaka hoan'ny rehetra. Dia ho amin'ilay andro iray andrandraintsika izay ahatsapan'ireo mpampiasa rehetra tena mikasika ny famehezam-bava izay misy eto anivon'ny Aterineto, famehezam-bava izay zavatra fantatr'ireo mpanoratra anivon'ny Global Voices loatra.

Anisan'ireny mpiblaogy ireny i Rtoa Lina Ben Mhenni izay sady mpanoratra koa anivon'ny GV. Any Tonizìa no fonenany, firenena izay anisan'ireo kilasian'ny RSF ho “fahavalon'ny Aterineto” efa taona maro mifanesy izao. Toy izao no nosoratany eo amin'ny blaoginy:

Do you know how does it feel to be censored?

Well, I do !

Indeed, I am experiencing this DISGUSTING feeling since February, 24th 2010. That day, back home from work, I was so disappointed when I discovered the horrible “Error 404″ message- a message that stands for a censored web page in my country- when I tried to log in my Facebook and my blog.

Mba hainao ve hoe manao ahoana izany fehezim-bava izany?

Satria raha izaho dia mahafantatra loatra

Efa hatramin'ny faha-24-n'ny volana Febroary 2010 indrindra aho no misedra izany zavatra maharikoriko izany. Tamin'io andro io, raha nody avy tany am-piasana aho dia tena kivy raha nahatsikaritra izato fanambarana “Diso 404″ – io no fambara aty amin'ny tany ipetrahako fa tsy mahazo alalana vakiana aty ny pejy iray – raha nanandrana niditra tamin'ny pejiko Facebook sy ny blaogiko.

Diego Casaes, mpiblaogy Breziliana sady mpanoratra anivon'ny GV dia nanapariaka lahatsoratra mikasika io lohahevitra io izay mifandrohy amin'ireo mpiblaogy maro manerana izaot ontolo izao  sady mampiharihary ireo tetikasa maro izay tohanan'ny Global Voices, manolotra soso-kevitra ao amin'ny blaoginy mikasika izay heveriny ho tokony fihetsik’ ireo governemanta miatrika ny Aterineto:

I also think that governments should be encouraged not to regulate, but rather give the proper infra-structure and educate people on how to use the web. This way, citizens will trust the government and be able to freely express themselves on the web: this is of utmost importance! On this matter, I also think companies should become more aware of their influence in society. Google’s decision not to regulate search results in China after having some Human Rights activists’ accounts hacked (follow this link for more information) is a demonstration of how companies should position themselves.

Heveriko koa fa tokony hamporisihina ireo governemanta, tsy hifehy fa kosa hametraka fampitaovana tandrify sy hanome fanabeazana ny vahoaka amin'izay fomba tokony hampiasana ny Aterineto. Amin'izay ireo vahoaka dia hanana fahatokiana ny fitondrana sady ho afaka hanambara amim-pahalalahana izay fiheviny eo anivon'ny Aterineto: izay isan'ny tena zavatra manan-danja indrindra! Mikasika io lohahevitra io ihany dia heveriko koa fa tokony hihevitra izay fiantraikany eo anivon'ny firaha-monia ireo orinasa. Rehefa nisy nandrana nitsikilò ireo pejy sy imailak'ireo mpivoy ny zon'olombelona tany Shina, ny fanapahan-kevitry ny orinasa “Google” tsy hamehy izay valin'ny fikarohana  arak'izay nangatahin'ny fitondrana Shinoa (arahò eto amin'ity rohy ity [anglisy] raha te hahalàla bebe kokoa momba izany vaovao izany ianao) dia mampiharihary izay ohatra mety ho fihetsika mendrika ataon'ireo orinasa.
Today is the World Day Against Cyber Censorship

Andro iraisam-pirenena anoherana ny famehezam-bava eto amin’ny Aterineto androany

Ao amin'ny blaoginy, Hisham izay mpanoratra Maraokana anivon'ny GV dia manolotra valiny ny fanontaniana hoe “Inona no dikan'ny hoe manohitra ny famehezam-bava eto amin'ny tontolon'ny Aterineto?”:

In my humble opinion it means protecting what in some countries has become the last frontier of freedom of expression, which is at the core of all other freedoms; the last place where people can still escape restrictions of oppressive regimes. It means using blogs, videos, pictures, social networks, podcasts and the innumerable tools available online to mobilize people around a cause, expose rights abuses, communicate local struggles and causes to the rest of the world, give voices to the disenfranchised and the minority groups, hold governments accountable, investigate and reveal the truth.

Raha ny hevitro manokana, izany dia midika ho fiarovana izay zary faritra farany anjakan'ny fahalalaham-pitenenana any amin'ny firenena sasantsasany, fahalalaham-pitenenana izay votoatin'ireo fahafahana hafa rehetra ambiny; ny toerana farany ahafahan'ny vahoak mialokaloka ny figejan'ny fitondrana manao tsindry hazolena. Izany dia midika fampiasana ireo blaogy, ireo lahatsary, ireo sary, ireo fifandrohizam-pihavanana, laha-peo sy fitaovana isan-karazany misy eto amin'ny tontolon'ny Aterineto mba hanaitra ireo vahoaka mpampiasa ny Aterineto mikasika tolona iray, mba hampiharihary fanitsakitsahana zo ampahi-bemaso, hampitana vaovao amin'izao tontolo izao mikasika tolona amin'ny faritra kely iray, hanome fitenenana ireo izay atao toy ny tsy hita sy vitsy an'isa, hampahatsirao ny andrikainy amin'ireo fitondram-panjakana, hanadihady, hanala-sarona sy hamboraka ny marina.

Tsy nokilasiana ho isan'ireo “Fahavalon'ny Aterineto” i Pakistana, na dia izany aza dia matetika mafy fianjady amin'ireo mpiblaogy monina any ny famehezam-bava ataon'ny fanjakana. Avy any no ihavian'n'i Awab Alvi writes mpanoratra anivon'ny GV advocacy:

It is my position that the internet should be free and open to the People of Pakistan allowing the people to harness this boundless platform for creating new spaces for exchanging ideas and information, the Internet should be considered as a force for freedom and looked upon as a tool for progressing the growth of a struggling nation.

Araka ny fihevitro dia tokony hahalaka sy misokatra malalaka hoan'ny mponin'i Pakistana tsy an-kanavaka ny Aterineto, ahafahan'ny vahoaka mitrandraka io vovo tsy misy farany io ho fanorenana sehatra vaovao azo ifanakalozan-kevitra sy vaovao, tokony heverina ho toy ny herim-panafahana ny Aterineto ary fitaovana ampiasaina hampandrosoana ny ny fisondrotry ny firenena mitolona.

Tsy mba mametraka famehezam-bava i Libanona, anefa tsy manakana an-dRtoa Layal Al Khatib izany hanambra ny heviny mikasika ity lohahevitra ity ao amin'ny blaoginy. Toy izao no fandraisany izany hoe manohitra ny famehezam-bava eto amin'ny tontolon'ny Aterineto izany:

Freedom! Our most basic right as human beings! We need to be free to express our feelings, thoughts and opinions with no fear of anyone! Censorship by other parties usually ends up with self-censorship, you’ll end up imprisoning yourself if they don’t do it themselves! Which is more dangerous to me..

Ny fahafahana!  Zo fototra amin'ny maha-olombelona! Mila ho olona afaka isika mba ahafahantsika mamboraka izay mitepo ao am-pontsika, sy izay eritreretitsika ary saintsainintsika  tsy am-pahatahorana n'iza n'iza! Matetika anefa ny famehezam-bava ataon'ny sasany dia mivadika ho fifehezan-tena, hanagàdra tena no hiafaranareo rehefa tsy ry zareo no hanagadra anareo! Ary vao mainka loza kokoa aza izany raha fihevitro manokana..

Ny namana Tomavana izay mpiblaogy sy mpivoy ny dikateny anivon'ny GV Malagasy dia manamarika fa any Madagasikara dia tsy voatery ho izay famehezam-bava loatra aza no olana fa ny fampiasana ny fahazahoana fahana Aterineto, tsahiviny antsika ary [FR] fa tsy ny famehezam-bava ihany no sakantsakana amin'ny fahalalaham-pitenenana:

Quant à évoquer cette liberté d’expression à Madagascar, c’est invariablement buter à la réalité des manques de moyens communs aux pays en développement […] De plus, avec un taux d'utilisation d'internet de moins de 5% de la population, il s'agit plus d'un avantage supplémentaire que monnaie une minorité de privilégié plutôt que de véritable droit. Je formule cependant le vœu que ces dérives ne puissent servir de prétexte à un musèlement ni une censure d'Internet à Madagascar mais qu'au contraire son accès soit facilité pour le plus grand nombre notamment par une amélioration de l'offre internet accompagnée à une baisse des coûts de connexions.

Raha ny mikasika izany fahalalaham-pitenenana anivon’ny Aterineto izany indray no heverina any Madagasikara dia mitohana hatrany amin’ny tsy fahampian’ny fitaovana toy izay iainan’ireo firenena andalam-pandrosoana hafa ny mponina any an-tanindrazana […] Mbola latsaky ny 5% ny tahan’ny fampiasana Aterineto anivon’ny firaha-monina any Madagasikara, tsy afaka miresaka zo isika izany fa mbola tombontsoa hoan’ny ireeo vitsy an’isa manana fahefa-mividy izany ankehitriny. Faniriako anefa raha ireo tsy fahatanterahana ireo dia tsy atao kendry tohana hamehezam-bava ny Aterineto fa vao mainka hanosika ireo tompon’andraikitra mba hanamòra ny fampisana ny Aterineto amin’ny alalan’ny fanatsarana ny tolotra sy ny fampihenana ny vidiny.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.