India: Ady an-dokambarotra ifanandrinan'ny Rin sy ny Tide

Screenshot courtesy Vivek Bhatia Ampahany avy amin'ny sary mihetsika, avy tamin'ny fahatsaram-pon'i Vivek Bhatia

Niteraka fifanoherana tao amin'ny tontolon'ny bilaogy any Inda ny dokam-barotra mampiranty vovon-tsavony 2 samy hafa mpifaninana. Miady hevitra momba ny fifaninanana, ny zavatra azo atao sy tsy azo atao mikasika ny dokambarotra sy ny fifaninana ireo mpitoraka bilaogy.

Asstha Jain ao amin'ny bilaogy Add2Ad, milaza:

Ny zoma lasa teo (fiatombohan'ny faran'ny herinandro), nihiratra daholo ny voamaso rehetra nahita dokam-barotra navoakan'ny orinasa Hindustan Unilever Limited (HUL) mikasika ny marika Rin, ary ao aantin'izany dokam-barotra izany no nanehoany ny fampitahana mivantana ny vokatra vokariny amin'ny an'ny mpifanandrina aminy, Proctor & Gamble (P&G) manana ny marika Tide. Tsy mijanona fotsiny amin'ny filazana ny heviny mikasika ny vokatra Tide fotsiny izy amin'izany fa manafika hatrany amin'ny sampana dokam-barotra an'ity farany mihitsy. Efa hatramin'ny ela ny fifaninana teo amain'ny roa tonta, hatramin'ny nampihenan'ny HUL ny vidin'entany hatramin'ny 10-15%, ary Tide koa manome kado 20% amboniny.

Rin Detergent mifnandrina amin'ny Tide Naturals. Sary mihetsika navoakan'ny YouTube nampiasain'ny Kunaljha123:

Gupta Infomedia manazava:

Ny feo ambadika manao hoe: ” Manadio kokoa noho ny Tide ny Rin” dia tsy manome fahalalahana haneho hevitra mihitsy. Ady, ady misokatra, ifanandrinana. Ity no tena naningana, ny marika fanta-daza tena ampiasain'ny olona dia tsy mbola nahitana fifanandrinana teo amin'ny mpifanandrina hatramin'izay.

Vivek Bhatia ao amin'ny Markadising Zone manamarika:

Izay vao nisy an'izany hoe marika 2 mpifanandrina niaraka notenenina tao amin'ny fahitalavitra teto Inda, fa tsy mba nolazaina ankolaka akory ilay mpifanandrina (tahaka ny fahita matetika) amin'ny dokam-barotra.

Vivek nilaza ny vaovao farany fa tafakatra fitsarana ny raharaha:

HUL manamarina fa manaraka ny lalàna ny dokam-barotra ataon'ny Rin. Milaza ny HUL fa tena zava-misy no lazainy, marina, ary voamarin'ny laboratoara ifanarahan'ny orinasa tsy miankina rehetra. Nangataka ny HUL hanamarina  ny fanambarany ny ASCI.

Nandeha tany amin'ny fitsarana ny P&G nitory ny dokam-barotra Rin, an'ny HUL. Talohan'izao rehetra izao dia efa nihatsy ny P&G ny Tide Natural nanamarinany ny zavatra hoteneniny ao amin'ny dokam-barotra hataony. Araka ny torohevitra nomen'ny ASCI dia efa nanitsy ny dokam-barotra nataony ny P&G.

Anoop Vijayan mihevitra fa manitsaka ny fetra madio fanaovana dokam-barotra sy fifaninanana izao. Charu manontany:

Madio ve ny manoso-potaka ny mpifanandrina aminao hanamarinanao ny zavatra lazainao sy hampiakarana ny varotrao? Tena misy fiantraikany amin'ny fahazaran'ny mpijery fahitalavitra tokoa ve ireny dokam-barotra ireny?

Na izany aza, Frankie mihevitra fa niteraka dokam-barotra maimaim-poana ho an'ny P&G ny zavatra nataon'ny HUL. Ashok ao amin'ny bilaogy Doing Jalsa And Showing Jilpa no namoaka lahatsoratra iray mampihomehy mikasika ity toe-javatra ity ary nilaza fa “ny ambadika dia dokam-barotra vaovao”.

Harish Bijoor ao amin'ny Indian Marketing Trends no nanamarika fa miverina amin'ny fomba taloha be ny marika indiana. Milaza izy fa ny dokam-barotra nataon'ny Rin dia milaza mazava izany amin'ny fomba fijeriny:

Hey! Efa antitra be izany foma izany. taloha no nalaza ny dokam-barotra nampitaha, tamin'ny mbola nihaino fotsiny ny mpanjifa ary avy eo mandray fanapahan-kevitra amin'izay heveriny fa tsara kalitao mamaha ny olany. Ny fofona, ny hafotsiny ohatra dia hevitra nahazatra amin'itony karazana itony. Na inona na inona antsoantso avoakan'ny dokam-barotra tahaka izao, dia mitazana fotsiny ny mpanjifa avy eo manontany hoe: “dia ahoana?” Tsy tia fomba efa fampiasa tamin'ny taona 60 tahaka izao ny mpanjifa, izay mamerina ny zavatra niainana fahiny, fa kosa miandry zava-baobao noforonina mendrika ny taona 2000. Mifohaza amin'izay, ary raiso ny fanovana.

Mihahenjana ny fifaninanana marika any Inda. Tena niseho izany tamin'ny ady malazan'ny Cola, hatramin'ny adin'ny dokambarotra teo amin'ny finday Onida sy Nokia. Sumathi Chandrashekeren ao amin'ny bilaogy Spicy IP no mamerina ny ady hafa koa teo amin'ny dokam-barotra “Monsieur Muscle” sy “CIF Crème” izay niafara teny amin'ny fitsarana koa.

Ny tsy fantatra anefa dia hoe ahoana ny fomba fandraisan'ny mpanjifa indiana ireny dokambarotra mampitaha ireny. Tokony hojerena ny momba ny hoe hatraiza ny mety hiafaran'ny dokambarotra mampitaha tahaka izao any Inda.

Rezwan

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.