Voci Globali: Global Voices sy La Stampa

Voci Globali logoEfa ambivitry ny telo herinandro izay ny Global Voices no nanangana fiaraha-miasa vaovao amin'ny gazety Italiana mivoaka isan'andro La Stampa izay voatondro ho mpametraka ho lohateny lehibe (asongadina) eo amin'ny vohikalan'ny gazety ny (lahatsoratra) miavaka avoakan'ny bolongana iraisam-pirenena. Nantsoinay hoe Voci Globali izy io ka ny asany dia mifototra amin'ny bolongana iray ao amin'ny La Stampa izay mamoaka ao indray izay notantarain'ny Global Voices, miaraka aminy ireo dikatenin'ireo lahatsoratra 25 miavaka (tsara) indrindra avy amin'ny bolongana erantany. Hivoaka mandrakariva eo amin'ny zoron'ny vaovao avy any ivelany eo amin'ny takelaka fandraisana ireo lohateny, ary hatonta printy koa ireo (fi)tantaran’ olona tsirairay.

Anisan'ny bolongana arahinay akaiky ny bolongan'ny Tetikasan'ny vehivavy Afghan hanoratra, Congogirl, Repeating Islands, Registan, Talk Morocco, sy ny bolongan'ny ao anatin'ny ekipan'ny Global Voices tahaka an-dry Ethan Zuckerman, Rebecca McKinnon, David Sasaki, ary Sami ben Gharbia. Amin'ny teny anglisy ny ankamaroan'ny bolongana fa misy amin'ny teny frantsay sy amin'ny teny Espaniola koa ao.

Global Voices in ItalianIreo mpamelona (na mpamahana) ity tetikasa ity dia  ekipa (mavitrika sy mazoto!) amin'ny fandikanteny izay miasa manokana (tsy mikambana) fa mirazotra amin'ny mpandikantenin'ny Lingua ‘izay vakianareo etoana) ato amin'ny Global Voices teny Italiana. Tena sarotra ny nandritra ny tetikasa roa tonta, nijery sy nitsapa ny fomba fandikanteny iarahana, sy ny mahalala ny sehatra an-tseraseran'ny La Stampa's indray miaraka. Saingy nahatafavoaka lahatsoratra iray isan'andro aloha izahay farafaharatsiny, ka mifanaraka amin'ny fahazoan-dalana Creative Commons ny asa.

La Stampa's homepage

Takelaka fandraisan'i La Stampa

Natonta an-gazety an-tsoratra tamin'ny sabotsy 20 febroary ny lahatsoratr'i Juliana Rincón Parra tato amin'ny Global Voices mitondra ny lohateny hoe, Mobile Libraries of the World,[Ireo famakiam-boky mivezivezy hita manerana ny tany]. Tamin'ny alahadin'ny 7 marsa, andro nisian'ny fifidianana tany Iràka,no namoahan'i La Stampa an-taratasy ny dika tamin'nyteny Italiana ny fitantaran'ny mpamaham-bolongana tanora Irakiana  “Sunshine” avy any Mosul izany nifidianany voalohany indrindra tamin'ny fiainany. Taorian'ny horohorontany tany Chili dia nitady fitantarana nivoaka farany ny La Stampa ka haingana ny nandikanay ny fitaterana voalohany ny vaovao tato amin'ny Global Voices momba an'i Chili nosoratan'i Eduardo Ávila.

Fitantarana lohahevitra maro isan-karazany no efa voadikanay (ho amin'ny teny Italiana) ary hitanay fa tsara ny nandraisan'ireo izay nilaza ny heviny an-tserasera izay vitanay. Indro ny lisitry ny bolongana sy ny vohikala nahatsikaritra sy niresaka ity fiasana miaraka ity.

Ny fiantraikany mahafinaritra amin'ny fitsanganan'ny Voci Globali dia ny fipongaran'ny Global Voices teny Italiana ho hitan'ny besinimaro. Nahatonga fidiran'olona maro vaovao hanolotena handika teny ato amin'ny ekipanay izany. Tafakatra ho 230 ny isan'ny mpikamabana mpandray vaovao isan-kerinandro avoakanay , 683 ny isan'ny mpikambana ao amin'ny vondrona Facebook misy anay ary 110 ny mpanaraka anay amin'ny Twitter. Nefa vao fanombohana fotsiny izany. Manantena izahay fa mbola ho maromaro kokoa ny mpiteny Italiana manerantany hahita ny tetikasanay, izay handalina sy hamelatra (na hanokatra sy hanalalaka) ny fiakaran'ny Global Voices rahateo.

Mangetaheta votoatim-baovao nitranga vao haingana sy amin'ny fijery hafa ny gazety mahazatra, ary faingana ny mpamaky hanopy maso ny ‘resaka ankapobe’ an-tserasera. Na dia voafetra ihany aza ny traikefa niarahana tamin'ny La Stampa (raha oharina amin'ny Global Voices) nijerena ireo bolongana nofantenana mialoha, dia azo lazaina fa hevitra sarotra tanterahina nefa manana ny hoaviny ity fiarahan'ny matihanina sy ny olo-tsotra tia mampita vaovao ity. Ankoatra izany dia maneho ny ho fisandrahak'i Global Voices sy ireo vohikalam-pandikantenin'ny Lingua ho loharanom-baovao manandanja ho an'ny gazety, sy ny mpamaky azy manerana ny tany ny toy itony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.