SuperPower: BBC sy Global Voices

Amim-pifaliana ho ahy ny milaza aminareo ny fiaraha-miasa eo amin'ny Global Voices sy ny BBC News ao anatin'ny BBC's SuperPower season[fotoanan'ny tanjakamaherin'ny BBC] izay nivoaka androany.

Nisongadina tokoa iny taona lasa iny teo amin'ny fiaraha-miasan'ny fanaovan-gazety mahazatra sy ny zoton'olona hanao gazety [Naotin'ny mpandika teny: ekeko tokoa fa mbola sahirana izahay ny mitady ny dikan'ny teny hoe journalisme citoyen ka sao misy mahita hafa]. Ohatra vitsivitsy tamin'izany nampisy fifandraisana mivantana sy haingana tamin'ireo olona niharan'ny krizy ny zavanisy tany Bombay, Moldavia, Iran, Haiti, ary i Chili amin'izao fotoana izao. Mety ho nanana bolongana, kaonty Twitter ary finday nandritra ny taona maro izy ireo, saingy tamin'ny herintaona ihany ireo gazety mahazatra no naka ny fomba fitantaran'ny olona mpitati-baovao ho anisan'ny singa itateran'izy ireo vaovao.

Raha najoro tao amin'ny Anjerimanontolon'i Havard tao amin'ny Berkman Center for Internet & Society[ivotoera Berkman ho an'ny aterineto sy ny fiaraha-monina] dimy taona lasa izany, ny nifantohan'ny asa dia ireo olona any amin'ny tany an-dalam-pandrosoana sady tsy miteny frantsay ka nanomboka nampiasa izany bolongana izany ho vavahady [tetezana amin'ny teny anglisy] ifandraisan'ny olona samihafa firenena sy kolontsaina. Inona moa ny azo amin'ny famakiana sy ny fandikana izay soratan'ireo mpanohitra an-tserasera any Shina? Inona ny tombony azo amin'ny famakiana ny bolongan'ireo vehivavy Arabo? Ary ahoana ny ataon'ny Global Voices handrisihana ny gazety mahazatra hanaiky ny lanja sy ny tombotsoa azo avy amin'ny fiaraha-miasa amin'ireo mpamaham-bolongana mahasondriana amin'ny fomba fitateran'izy ireo vaovao?

Nandritra ny taona maro dia lasa mpiara-miasa sy sakaizan'ireo fifandaminana (fikambanana) tahaka ny Reuters, BBC, CNN, La Stampa any Italy ary ny maro hafa izahay. Nandritra izany fotoana izany ihany koa dia niakatra dia niakatra ny taham-pahazoan'ny olona ny aterineto hahatratra ny tokonam-panairana sy ny fandraisana anjara any amin'ny ankamaroan'ny firenena manerana izao tontolo izao. Any amin'ny firenena raha zara fa azo isaina amin'ny tanana ila ny isan'ny bolongana, efa anarivony ankehitriny ny olom-pirenena no mitendry ho an'ny hafa, manoratra izay tiany tantaraina sy manangona ny vaovaon'ny tontolo manodidina azy. Niova ny fiainana sy ny fiaraha-monina no vokany. Raha atambatra, nandrava ny fomba fiasan'ny mpampita vaova mahazatra eo amin'ny sehatra sosialy sy fampitan-dresaka politika, fananganana sehatra maro ahafahan'ny olona maro mandray anjara, miteny ary mifandamina ny aterineto.

Izahay ato amin'ny Global Voices dia tsy nitsahatra ny mikaroka mandrakariva lalana vaovao ahafahana mameno ny vaovao sy mampivelatra sehatra vaovao hanasongadinana ny fomba fampitan'olo-tsotra tia mampita vaovao amin'ny fomba fanorany. Manana biraom-panoratana virtoaly any amin'ny fototra ahitana olona manan-talenta sy mpanavao fomba fiasa mihoatra ny 200 avy any amin'ny firenena tsy mba henonareo matetika amin'ny vaovao izahay.

Raha nihaona tamin'ny tonian'ny famoaham-baovaon'ny BBC an-tserasera, Steve Herman, aho tamin'ny Jone 2009, dia niresaka ny fomba mety hiasana miaraka amin'ny fanadihadiana ny anjara asa sy ny fiantraikan'ny fampitam-baovaon'olo-tsotra manerana ny tany, ary nifantoka hoe tahaka ny ahoana ny vaovao ao amin'ny toerana iray no mety hanana fiantraikany amin'ny vaovao manerantany.

Hatramin'izay fotoana izay dia hitantsika ny nataon'ny fampitam-baovao mahazatra mitantara ny zava-misy tahaka ny tany Iran amin'ny alalan'ny soratan'ny hitan'ny olotsotra imaso. Efa lasa tokoa ny hevitra fa misy fifandirana na fifanoheran-kevitra eo amin'ny fampitam-baovaon'ny olo-tsotra sy ny fampitam-baovaon'ny gazety mahazatra; efa miharihary fa efa miara-mizotra tokoa ny roa tonta eo amin'ny fifandraisana, amin'ny alalan'ireo fotoana azo araraotina iaraha-miasa amin'ny fananganana ny vaovao, fomba fitantarana ary ny fampielezana ny votoaty.

Handalina ireny fotoana azo araraotina hanaovana fampiharana ny fiaraha-miasa ireny isika ao anatin'ny roa herinandro. Hamangy ny biraom-panoratan'ny BBC any Londres ny tonian'ny fandraharahana ato amin'ny Global Voices Solana Larsen. Hametraka ny rohin'ireo fampitam-baovaon'olo-tsotra ao anatin'ireny vaovaon'ny BBC ireny izahay, ary dia hizara ihany koa ny tantara tsy hita loatra ao amin'ny biraom-panoratanay amin'ny tonian'ny BBC sy ny mpanagom-baovaony. Raha niainga tany ambava adin'ny hisian'ny fahalalaham-pitenenana, nandalo ny tantaran'ny fiteny andavanandro, kolontsaina ary ny fiainana andavanandron'ny vahiny amin'ny bolongana, dia hitady kosa ny hizara ny tsara avy aminay ho henon'ny besinimaro kokoa.

Ivan Sigal no tale mpanatanteraky ny Global Voices Online.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.