Italy :Nanameloka mpitantana telo ao amin'ny Google noho ny tsy fanajàna ny fiainana manokana

Tamin'ny herinandro lasa teo, mpitsara Italiana iray no nanameloka tomponandraikitra ambony telo avy amin'ny Google tamin'ny tsy fanajàna ny lalàna Italiana mikasika ny fiainana manokana noho ny video iray nampakarina tao amin'ny Google Video tamin'ny faramparan'ny 2006, izay nampiseho zaza sembana iray rabirabian'ireo ankizy hafa mpianatra tao Turin. Nahazo sazy mihantona famonjàna enim-bolana ny tsirairay. Ity no tranga voalohany maneran-tany nitazonana tomponandraikitra ambony avy amin'ity kaompania ity ho tompon'antoka eo anatrehan'ny lalàna manoloana ireo votoatin-javatra avoaka ao aminy. Vivi Down, fikambanana Italiana iray ivondronan'ireo olona tratry ny soritr'aretina Down, sy ny rain'ilay zazalahy tao Milan no nanosika ny fanenjehana araka ny lalàna mpiasa efatra ao amin'ny Google  (ny iray amin'izy ireo dia afaka rehefa nenjehina noho ny fanalam-baraka).

Nofoanan'ny fitsarana ny fanenjehana araka ny lalàna noho ny resaka fanalam-baraka saingy namafisiny kosa ny fanenjehana noho ny fikirakirana tsy mifanaraka amin'ny lalàna ny fiainana manokan'ny olona, ary nanapa-kevitra mifanaraka amin'ny lalàna henjana eoropeana ho fiarovana ny antontan-kevitra, napetraka koa ao anatin'ny lalàna Italiana, fa mila ny fankatoavan'ny tompony aloha ny Google alohan'ny hamoahany ny mombamomba manokana ny olona. Amin'ny teny hafa, ny ISP na ireo mpanelanelana amin'ny tolotra Net miasa ao Italy amin'izao fotoana dia miaraka tomponandraikitra amin'ny fampanarahan-dalàna ny votoatin-javatra miaty “fiainana manokan'ny olona” (video, lahatsoratra, feo na hafa koa) alohan'ny mba tsy hitarainan'ny olona momba izay votoatiny izay.  Google dia noraisina ho toy ny  orinasa-na media (izany hoe, mpaninjara, mpanonta), ary dia mazava loatra fa tompon'antoka amin'izay rehetra avoakany. Andaniny, ny fijery iraisana sy ny fomba fanao eo anivon'ny aterineto  (araka izay ilazan'ny  Google izy tenany azy rahateo koa) dia karazany amin'ireo mpanome tolotra Aterineto fotsiny ihany ny  Google, ka araka izany dia tsy tompon'antoka mivantana amin'izay zavatra apetraka ao aminy — fanavahana iray saropady ho an'ny fanapahan-kevitra Italiana. Sady koa, ny didy dia toa mifanohitra amin'ny tari-dàlan'ny EU momba ny varotra mampiasa ny elektronika izay manome sehatra azo antoka an'ireo mpanome tolotra manoloana ny fifandroritana ateraky ny zavatra ampiantranoin'izy ireo.

Ireo mpampanoa lalàna dia niteny fa miandry ny  Google hanala ilay video hatramin'ny taorian'ny fitarainana napetraky ny Vivi Dowwn teny amin'ny mpitandro filaminana, anarana izay notononin'ireo zazalahy tao anatin'ilay video. Tamin'ny May 2006 no nandraketana ilay video ary nampakarin'ireo mpianatra voarohirohy amin'izy ity tamin'ny 8 Septambra, izay soa fa fantatra avy amin'ilay video ary voaheloka tamin'ny  Desambra 2007 mba hanala sazy hiasa 10 volana ho an'ny fiarahamonina. Roa volana teo no nipetrahan'ilay video tao amin'ny aterineto, mandra-paha — araka ny anehoan'ny actual email-records (amin'ny teny Italiana) azy — tamin'ny 5:20 pm ny 06 Novambra 2006, nisy Italiana iray mpampiasa aterineto nanaitra voalohany ny mpitantana ny Google momba ilay zavatra mampametra-panontaniana. Farany dia nesorina tao ilay video tokony ho 24 ora taty aoriana, taorian'ny fifandraisana haingana tamin'ny mailaka nifanaovana tamin'ny foiben'ny Kaompania tany Mountain View, California, ary adiny roa taorian'ny naharaisan'izy ireo fitarainana ofisialy avy amin'ny mpitandro filaminana Italiana, izay efa nampandrenesin'ny fikambanana Vivi Down  ihany koa.

Ny ankabeazan'ireo Italiana  loharanom-baovao amin'ny aterineto sy ireo mpitoraka blaogy sasany dia sorena avokoa, mitoroka fa «fanohintohinana iray mavesatra asetry ny fahalalahan'ny Net sy ny maha tsy momba ny atsy sy ny aroa ny ISP io», raha maro amin'ireo mpitondra fanamarihana amin'ny media kosa no nanohana mibaribary ny toerana noraisin'ny Google manao hoe iny didim-pitsarana iny dia  “manana endrika sivana fampitandremana” ho an'ireo mpanome tolotra Aterineto. Marco Pancini, Google Italia Policy Counsel, dia nilaza fa: « Tena nampisavoritaka marina tokoa anay ny fanapahan-kevitra toy ireny. Tsy misy idiran'ireo tomponandraikitray mihitsy iny video iny. Ary ireo mpitsara dia  mamerina indray ny foto-kevitra nentina nanorina ny Aterineto ho eo ambony latabatry ny adihevitra.» Ny hafa aza moa dia manondro mihitsy an'i Italy ho tsy lavitra intsony amin'ny fanapenam-bava ny fahalalaham-pitenenana mihatra any Chine.

Manana 90 andro ny fitsarana hamoahana ho fanta-bahoaka ny anton'ny didy ary efa nanao fampakarana ho fanafoanana ny didy ny mpisolovavan'ny Google: maro amin'ireo mpahay lalàna no mihevitra fa mety hofoanana ny didy na tsy ho azo ampiharina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.