06 Marsa 2010

Tantara tamin'ny 06 Marsa 2010

Etazonia: 4 marsa andro fiarovana ny fanabeazana

  06 Marsa 2010

Mizotra any an-takonana any ny fiomanana ho amin'ny Androm-pirenena 4 marsa hihetsehana ho fiarovana ny fanabeazana any amin'ny anjerimanontolo maro any Etazonia. Manohitra ny fahalafosan'ny sara-pisoratana anarana, ny fanavakavahana ny mpianatra ary mitaky ny hananganana fanabeazam-pirenena tsy andoavam-bola. Fa any  California no tena ifantohan'ny hetsika satria manerana ny firenena (state) mihitsy...

Philippines: “Fifanaraham-panambadiana azo havaozina”

  06 Marsa 2010

Vondrona politika iray ao Philippines no maniry hampiditra volavolan-dalàna mametraka ny fetram-pifanaraham-panambadiana iray ho manankery mandritry ny folo taona. Araka ny nanampoizana azy dia niteraka fanehoan-kevitra mivaivay eo anivon'ny fitorahana blaogy ity tolo-dalàna tokana an-tany ity.

Pologne: Ady amin'ny homamiadana amin'ny aterineto

Zazavavy kely miramirana 5 taona i Lenka ary i Paula kosa dia mpianatra momba ny haiendrika anatiny ("design interieur") manatona ny faha-20 taonany. Tsy mieritreritra ianao hoe mety hanana zavatra iraisana izy roa ireo nefa dia misy izany. Samy manana homamiadana izy ireo ary samy manana blaogy hiresahan'izy ireo ny fiadiany amin'ity aretina ity

Kenya: Tondradrano tao Samburu fa nihoa-morona ny ony Ewaso Nyiro

  06 Marsa 2010

Tobim-pikarohana STE anaty rano Nitondraka an'i Samburu faritra avaratr'i Kenya ny fiposahan'ny masoandro'ny alakamisy 4 marsa ny rano  ka nandrava trano falafa fandraisana mpizahantany 6, tobim-pikarohana momba ny fiainan'ny (bibidia) ary nahatonga ny olona an'arivony hianika eny ambony tafo na eny ambony hazo. Avy any amin'ny reniranon'i Ewaso Nyiro izay...