Fanambaràna ny Fivoriamben'i Global Voices momba ny Haino aman-jerin'ny Olom-pirenena 2010

Faly izahay manambara ny Fivoriamben'i Global Voices momba Haino aman-jerin'ny Olom-pirenena 2010! Any Santiago, Chile no hisy ny fivoriantsika amin'ny 6-7 Mey 2010.

Tsidiho ny vohikalan'ilay Fivoriambe raha te-hahazo fanampim-baovao momba ireo tanjon'ny fivoriana, ny fandaharam-potoanan'ireo hetsika, antsipiriany momba ny fisoratana anarana na fanazavàna momba ilay tanàna mahavarianan'i Santiago. Anisan'ireo tranga hisongadina any ny fanambaràna ireo nandresy tamin'ny fifaninanana Breaking Borders, loka vaovao noforonin'i Google sy Global Voices omena ireo tetikasa eto amin'ny aterineto niavaka ary novokarin'ny olon-tsotra na vondrona maneho herim-po, tanjaka ary fahaizana amin'ny fampiasàna aterineto mba hanapariahana ny fahalalahana maneho hevitra.

Mandritra ireo andro sy herinandro vitsivitsy ho avy dia hameno ny fandaharam-potoana izahay, hampiditra ny mombamomba ireo tompon'andraikitra, hanao ny lisitr'ireo mpandray anjara, sy ny sisa — dia tsidiho ny vohikala ho an'ireo lahatsoratra am-blaogy sy hevitra avy amin'ireo mpandray anjara amin'ny Fivoriambe sy ny hafa koa, na mandraisa anjara amin'ny resadresaka.

Afaka manampy amin'ny fampitàna ny vaovao momba ny Fivoriamben'ny Global Voices koa ianao amin'ny famoahana iray amin'ireo “badge” na “bannière”-n'ny Fivoriambe ao amin'ny blaogy na vohikalanao.

Isaorana ireo mpanohana malala-tànana: MacArthur Foundation, GoogleOpen Society Institute, Knight Foundation ary Yahoo! amin'ny fanatontosàna ny Fivoriamben'i Global Voices momba ny Haino aman-jerin'ny Olom-pirenena 2010.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.