Arabia Saodita: Niverin-dalana ny fitsaboana ny SIDA

The Saudi government reported that in 2008 the number of AIDS patients in Saudi Arabia was 13,926 with 3,538 Saudis. An estimated 505 were Saudi females and 769 non-Saudi women.

Mbola fady hatrany ny resaka VIH/SIDA any Arabia Saodita, fa mampitroatra ny fiheverana ireo ny marary ho toy ny olo-meloka. Vao haigana izay no nanambara ny fikasany hanakatona hopitaly mitsabo maimai-poana iray any Jeddah an'ny Mpanjaka Saud izay fantatra amin'ny fivatsiany fanafody, amin'ny fitaizana ara-tsaina ary ny fitazomana ny mombamomba ireo voan'ny SIDA ho tsiambaratelo. Taitra ireo mpitoraka blaogy ary miteny fa fihemoran-dalana izany.

Wafa, izay nandray anjara tamina trano fiasana nataona fikambanana Saodiana iray miady amin'ny fanilikiliana mianjady amin'ireo voan'ny SIDA, no nanoratra hoe:

Fantatro tamin'ny zava-misy fa maro ireo olona eto mbola mihevitra fa raha misy olona iray voan'ny SIDA dia noho ny fahadisoana nataony, ary voa izy noho ny nanaovany firaisana ara-nofo. Olona vitsy no mahafatra ny fahasamihafan'ny SIDA sy ny VIH. Olona voan'ny SIDA maro no tondroin'iny olona molotra sy andosiran'ny olona. Tsy maintsy atao ny fampahalalanaena mila manaparitaka fahalalàna tsara manerana ny tany momba ity aretina ity isika ary manajanona ity fanilikilihana ireo voan'ity aretina ity .

Wafa indray no nanazava bebe kokoa ny tsy firaharahian'ny fiaraha-monina ireo voan'ny SIDA, Ny mpitondra fivavahana moa manampy trotraka noho ny tsy fahalalany ny antony mahatonga ity aretina ity:

Ny fiaraha-monina manontolo mihitsy no manana olana. Rehefa nanomboka ny asany ny fikambanana Saodianina voalohany sy tokana mikarakara ireo voan'ny SIDA, dia miatrika ny tsy fahalalan'ny olona fa tsy manana loharanombola ny fikambanana, matahotra ny mpiara-monina hoe raha manaiky ny fisian'ity fikambanana ity izy ireo dia lasa manaiky izy ireo fa misy ny SIDA any Arabia Saodita, indrindra moa noho ny fiheveran'ny maro fa ny fanaovana firaisana ara-nofo amin'ny olona maro no fomba fifindrany.

Mitory ity fikambanana ity koa ireo mpitondra fivavahana amin'ny filazany fa miasa amin'ny fomba tandrefana izy ary manaiky ny isiana fanaovana firaisana ara-nofo tsy mifanaraka amin'ny lalàna ary mitady vola amin'ny zavatra ataony.

Mpitoraka blaogy Saodianina vavy hafa, Sabria S. Jawhar, mpianatra ho dokotera any Angletera no  manamarika fa na dia teo aza ny fiovan'ny vanim-potoana, dia mbola mitoetra kosa ny lalàna entina hitondrana ireo voan'ity aretina ity hatramin'ny taloha. Tsy maintsy manafina ny fitondrany ny aretina amin'ireo namany, ireo olom-pantany sy ireo havany izy ireo. Manazava koa izy momba ny olana vaovao mianjady amin'ireo marary, amin'ny fikatonan'ilay hopitaly any amin'ny Jeddah an'ny Mpanjakan'i Saud:

Amin'izao fotoana izao, dia efa andalana ny fanakatonana azy ary haely amin'ireo toeram-pitsaboana misy manerana ny fanjakana mba ho tsaboina ireo voan'ny SIDA tao. Mitranga indrindra izao ao anatin'ny fotoana iheverana fa efa hitovy amin'ny firenena manerana izao tontolo izao ny fitsaboana ny SIDA any Arabia Saodita, tahaka ny nahavitany ny fanaovana grefy ny taova sy ny nahavitany nanasaraka kambana miraikitra , ary dia nanapa-kevitra ny hiverin-dalana izy.

Ahiana ny tsy fitazonana ny tsiambaratelo momba ny tsirairay sy ny tsy fahazoana fitsaboana manara-penitra amin'izao fikatonan'ny fitsaboana ny SIDA ao amin'ny King Saud izao. Mety hampitombo ny fielezan'ny aretina ihany koa satria tsy maintsy apetraka indray amina olon-kafa mpikarakara marary ny fitokisana ireo  dokotera sy ny mpitsabon'ny King Saud. Tsy vita mora izany.

[…]

Mbola baraingo ihany koa izay mety hataon'ireo dokotera hafa azy ireo. Havela hiaraka efitra amin'ireo olona tsy voan'ny SIDA ve izy ireo sa ho tsaboina amina efitra manokana? Mety ho voahaja ve ny fiarovana azy ireo?

Ary, tsy mitovy amin'ny an'ny hafa ireo voan'ny SIDA, mila fitsaboana manokana izy ireo, sy fiaropvana avo lenta, araka ny fanazavan'i Sabria :

Ny kofehy nampifandray tamin'ireo mpiasan'ny hopitaly dia tena mafy. Nisy fifampitokisana teo amin'ireo mpiasa sy ireo marary. Tsy sahala amin'ireo mararin'ny SIDA any andrefana izay tsy manafina ny aretiny, dia aleon'ireo Saodianina manafina izany mba tsy ho tsarain'ny fianakaviany sy ny namany. Ny fifampitokisana misy eo amin'ny marary sy ny mpiasan'ny hopitaly no nametraka teo amin'izy ireo fa tsy hivoaka ny tsiambaratelony.

Ny iray amin'ireo voan'ny SIDA dia niteny vao haingana izay, tao amin'ny hopitalin'ny King Saud : “Rehefa nandeha tany izahay dia nokarakaraina toy ny olombelona. Fantatro fa mety hihaino ahy ny olona. Nefa tsy hitantara izany amin'olon-kafa aho.”

Tadindonin-doza izany tsiambaratelo izany nanomboka tamin'ny namindrana ireo marary tany amin'ny toeran-kafa. Tandidonin-doza ihany koa ny fiantohana ny fizotran'ny fitsaboana sy ny fisorohana ny fiparitahan'ny SIDA.

Iray amin'ireo mpitsikera ao amin'ny lahatsoratr'i Wafa, Angie Nader, malahelo ireo marary ary miteny:

Na dia maro aza ireo fampahafantarana ny momba ny SIDA maneran-tany…dia mbola io izy io..tokony hanao izay tratry ny herintsika isika amin'ny maha olona antsika mba handringanana izany aretina izany. Ary ireo izay mararin'izany kosa…dia mila tandrovina ny hajany ary avelao izy ireo hiaina ao anatin'ny fahamendrehana.

Manampy ny feoko amin'ny an'i Angie aho, ary manontany tena hoe misy zavatra tsara azo atao ve mba hanampiana ireo marary ireo..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.