Diplaomaty Toniziana maty noho ny horohorontany tany Haiti

180px-Hedi_Annabi

Revo tamin'ny fifandonan'ny ekipa nasionalin'ny baolina kitra Toniziana sy Zambia ireo Tonisiana omaly alina, torak'izany koa ireo mpitoraka blaogy. Tonga nanohana ny fireneny daholo ireo mpankafy baolina kitra, izay mandray anjara amin'ny Tompon-dakan'i Afrika ho an'ny Tompon'Amboara (CAN 2010) Sokajy D, any Lubango.

Raha ny isan'ny lahatsoratra nivoaka omaly dia tena vitsy noho ny mahazatra ary vitsy ireo olona no nanoratra mikasika ny horohorontany niseho tany  Haiti. Ireo izay manoratra izany dia miresaka momba ny fahalasan'i Hedi Annabi, 66 taona, diplaomaty Toniziana ary Solontena manokana avy amin'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana ho any Haiti (Minustah).

Adibs1 dia namoaka lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe: Ny horohorontany tany Haiti: Tsy hita i Hedi Annab, Toniziana lehiben'ny  MINUSTAH. Miteny izy hoe:

Hier à 23h heure locale, 17h heure a Haïti, un violent tremblement de terre de magnitude 7 sur l'échelle ouverte de richter a frappé de plein fouet l'île de Haïti faisant des centaines de morts et des dégats matériels énormes.

Le siége de l'ONU à Port Prince à été completement déteruit, des centaines de casques bleues sont portés disparus dont le chef de la Minsutah le diplomate Tunisien Hédi Annabi.

Agé de 63 ans, Annabi est un diplomate tunisiende carrière qui dirigeait depuis le 28 janvier 1997 le département des opérations de maintien de la paix aux côtés du français Jean-Marie Guéhenno.

Omaly tamin'ny 11 alina ora any an-toerana, 5 hariva any Haiti, dia nisy horohorontany mahery nanana tanjaka 7.0 amin'ny maridrefy Richter  namely mafy ny nosin'i Haiti izay nahafatesana aman-jatony ary niteraka fahasimbana goavana.
Ny foiben-toeran'ny Firenena Mikambana  dia potika tanteraka, Tafika misatro-manga an-jatony no voalaza fa tsy hita , ao anatin'izany ny lehiben'ny Minustah, diplaomaty Toniziana: Hedi Annabi.

63 taona, Annabi dia diplaomaty Toniziana manana toerana ambony . Izy no nitantana ny asa fampandrian-tany niaraka tamin'ilay Frantsay Jean-Marie Guéhenno hatramin'ny 28 Janoary 1997.

Stupid ideas nanoratra lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Angamba maty ny solontenan'ny Firenena Mikambana any Haiti. Miteny ilay mpitoraka blaogy ao amin'ity lahatsoratra ity:

D'apres le yahoo, le représentant de l'ONU qui est un tunisien est décédé. J'espère que l'information soit fausse mais selon l'articleMr Hedi Annabi -ancien sous-secrétaire général adjoint aux opérations de maintien de la paix de l'ONU de 1997 à 2007, et chef de la Mission des Nations unies pour la stabilisation en Haïti (MINUSTAH) depuis le 1er septembre 2007- était parmi les personnes qu'abritaient le bâtiment de l'ONU lors du tremblement de terre qui a frappé la ville. Tous ceux qui étaient dans le bâtiment ont péri.

Mes pensées pour sa famille.

Araka ny Yahoo , dia maty ny Toniziana iray  solontenan'ny Firenena Mikambana. Irariako mba ho diso izany vaovao izany,  nefa araka ny lahatsoratra dia anisan'ireo olona tao anatin'ny tranon'ny Firenena Mikambana i Mr Hedi Ananbi, mpanampy ny sekretera jeneraly teo aloha tamin'ny Ezaka Fampandrain-tany nanomboka ny 1997  hatramin'ny 2007 ary solontena manokan'ny Firenena Mikambana ho any Haiti (MINUSTAH) hatramin'ny 1 Septambra 2007, tamin'ny nisian'io horohoron-tany izay namely ny tanana io . Maty daholo ireo olona rehetra tao anatin'izany tranobe izany.

Ny eritreritro manontolo mankany amin'ny fianakaviany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.