GlobalVoices anaty

Sakanan'i Tunisia sy Bahrain ireo takelaka manokan'ny olona ao amin'ny Twitter i

GV Mpisolovava Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava , miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahafaha-miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

Français · La Tunisie et Bahreïn bloquent des pages précises sur Twitter
English · Tunisia and Bahrain Block Individual Twitter Pages

Voalohany indrindra, nisy ny   governemanta nanakana ny Blogspot. Avy eo  dia nosakanan'izy ireo ny Facebook, vita izay dia ny Twitter. Ary vao nanomboka nampiaka-peo ireo mpanjifa ny vokatra teknolojika eran-tany, dia nisy governemanta roa naneho fahendrena kely ka nanova ny fomba fanivanany ireo media ara-tsosialy ka, naleony nisakana manokana ny fidirana manokan'ireo mpampiasa, mba tsy hanakànana manontolo ny vohikala iray. Tsikraika izany tamin'ny zava-nitranga tamin'ny YouTube tany aloha tany, mba tsy hisakanana ity vohikala fifampizaràna video ity  tsy ho azon'ireo mpampiasa hidirana, dia mety ho video iray voafaritra no hosakanan'ny governemanta;  ny vaovao farany izao dia ny fanakanana ireo takelaka manokan'ny olona mampiasa  Twitter.

Nandritra ireo herinandro vitsy lasa, tonga ny tatitra avy amin'ny Herdict sy ny Twitter, mampandre antsika mikasika ny fanivànana ny  Twitter any Tonizia sy Bahrain (ary mety ho tahak'izany koa i Sina). Any Tonizia, ireo kaontin'i Sami Ben Gharbia (@ifikra), mafana fo nalefa an-tsesitany , ny injeniera @Ma7moud, ary ny loharanom-baovao tsy miankina malaza  Nawaat (@nawaat) dia efa nambara fa tsy mety idirana intsony, raha  nakatona tamin'ny Andfon'ny Taombaovao ihany koa ny @FreeBahrain tany Bahrain.

ifikra and freebahrain ruminate on their Twitter accounts being blockedifikra sy freebahrain dia mandinika ny nakanana ny kaontin'izy ireo ao amin'ny  Twitter

Tsy vahiny amin'ny fanakanana azy ny Twitter: I Sina sy Iran miaraka dia  samy nanakana ny  tambazotra ara-tsosialy/vohikala fitorahana blaogy kiritika tany aloha tany, ary i Arabia Saodita dia voalaza  fa nanakana takelak'olona roa mpampiasa Twitter teo anelanelan'ny taona 2009 teo.

Ny tena misarika ny saina dia ny fampisehoan'ny  Governemantan'i Tonizia sy Bahrain fahafahana sy ny fahavononan'izy ireo hanakana ireo takelaky ny olona ao amin'ny Twitter, ho fanakombonam-bava  ireo olona sasany tsy ho afa-maneho hevitra na dia avela hisokatra aza ilay tokontany midadasiky ny serasera . Ny fotoana irery ihany no afaka hanambara  raha ho lasa fomba fanao maneran-tany izy ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny