Danemarka: Miàla any ireo mpitaky hetran'ny toetr'andro

Raha isan'ireo olona an'arivony tonga tany Copenhague tamin'ity Desambra ity hanatrika ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovan'ny Toetr'andro ianao, nanam-bintana hahita vondron'aolona lahy sy vavy  avy ao Danemarka, Kenia, Tanzania, Oganda, Zimbaboe, ary Zambia, nitafy akanjo tohitena mena.

Vadintany ho an'ny trosan'ny toetr'andro ry zareo ireo ary ny asan'izy ireo dia mitaky [ny Governemanta Danois] amin'ireo tany manana orinasa maro, anisan'izany i Danemarka, mba handoa ny “hetran'ny toetr'andro”n'izy ireo amin'ny firenena andalam-pivoarana. Raha any Danemarka ianao, ka te hitafy ilay akanjo tohitenany ary hanara-dia azy ireo, dia afaka nameno ny fisoratanao teto. Afaka mitsidika azy ireo ao amin'ny blaogin'izy ireo na ao amin'ny Facebook koa ianao.

Iza no mandoa ny sarany?

Rehefa mandray fanapahan-kevitra ireo firenena manan-karena ka tsy mahatsara ny tontolo iainana, dia ireo mponina mipetraka anaty fahantràna  no mandoa be indrindra. Ny haintany, hanoanana, sy fahafatesana noho ny fiovan'ny toetr'andro dia azo  sorohana any amin'ny toerana maro amin'ny fampiasàna haitao toy  ny fitehirizan-drano izay farafaharatsiny aloha manampy ireo mponina hizatra ny toetr'andro vaovao.

Nefa mila vola be izany.

“Who should pay the climate debt?” (iza no tokony handoa ny hetran'ny toetr'andro?) [PDF] no lohatenin'ny lahatsoratra fohy avy amin'ny fikambanana iraisam-pirenena miady amin'ny fahantrana ActionAid izay manombana ny sandan'ny hetran'ny toetr'andro ho €135 billion isan-taona  hatramin'ny taona 2020, ary manome soso-kevitra mikasika ny tokony ho fitsinjarana izany vola izany amin'ny isam-pirenena.

Nandritra ireo 3 volana farany teo, ny MS ActionAid Denmark dia nampianatra vondrona mafana fo tanaty sy ivelan'ny aterineto ny fomba azon'izy ireo hanampy  hanapariaka ny hafany, amin'ny fandefasana azy ireo hamita iraka fikarohana any  Kenia, Bruxelles ary any Danemarka, ary nandefa azy ireo tsiroaroa miaraka amin'ny mpitoraka blaogin'ny Global Voices izay nitantana azy ireo tamin'ny fomba virtoaly (avy lavitra) nandritra ny herinandro 6 momba ny fanoratana blaogy.

Ao amin'ny vohikalan'izy ireo, dia manazava ireo mafana fo-lasa mpitaky hetra fa: “Mila tontolo iray ahitàna toetr'andro ara-drariny sy rariny iraisan'izao tontolo izao  izahay. Mba hahatongavana amin'izany dia tokony hiova ny toe-sain'ireo mpandray fanapahan-kevitra ka mba ho tsapany sy ho efainy ny trosan'ny toetr'andro.”

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.