Sahara Andrefana: Voaroaka i Aminatou Haidar

Photo of Aminatou Haidar by saharauiaksarin'i Aminatou Haidar nalain'i saharauiak

Aminatou Haidar dia mafana fo lohalaharana amin'ny fitakiana ny fahaleovantenan'i  Sahara Andrefana (avy any Maraoka). Teraka tamin'ny  1967,  “nampanjavonin'ny” manampahefana Maraokana izy noho ny hafanam-pony tany amin'ny faha-20 taonany, ary niverina hita indray telo taona taorian'izay. Tamin'ny  2005, nosamborina i  Haidar noho ny fandraisany anjara tamina hetsi-panoherana iray ary voaheloka hifonja fito volana noho ny “fanaikàna hetsika maherisetra”. Nofaritan'ny Amnesty International ho voafonja noho ny fahatsiarovantena izy, izay mametraka fisalasalana amin'ny fitsarana azy sy ireo olona 6 hafa. Hatramin'ny namotsorana azy, nosalorana ny loka  Robert F. Kennedy Human Rights Award (momba ny zon'olombelona) izy, naroso ho amin'ny loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana, ary tsy ela kory izay nandrombaka ny loka  Civil Courage Prize (Lokan'ny Herimpo Sivily) tany New York, izany rehetra izany dia noho ny ezaka rehetra ataony ho fiarovana ny zon'olombelona any Sahara Andrefana.

Tsy misy ifandraisany amin'izay mari-pankasitrahana rehetra nomena azy, i Haidar dia nonina – hatreo aloha kely teo – tany Maraoka tanatin'ny tahotra ny ho voasambotra; izany dia hatramin'ny Zoma 13 Novambra, raha niverina ho any  Laayoune (tanàna iray any amin'ny faritr'i Sahara Andrefana), nosamborina izy ary noroahana noho izany.   Araka ny Christian Science Monitor, noraisin'ny manampahefana ho olana ny nanoratany hoe  “Sahara Andrefana” tao amin'ny taratasy momba azy teny an-tseranana. Raha ny filazan'ireo tomponandraikitra Maraokana, nandà sy  “nanilika an-tsitrapo” ny zo maha-olom-pirenena Maraokana azy i Haidar. Nalefa tany Lanzarote any min'ny Nosy Canary izy noho izany, ary tato aoriana dia nahazo ny fahazoan-dàlana hipetraka noho ny resaka maha-olombelona, araka ny filazan'ny masoivohom-baovao Espaniola  ABC.

Ny blaogy  Sandblast mpandàla ny fahaleovantena dia mampahatsiahy ny mpamaky fa tsy i  Haidar irery akory no olona niharan'ny tsindry hazolena noho ny zavatra takiany, amin'ny filazana hoe:

Hatramin'ny 6 Oktobra, dimiambinifolo ireo mpiaro zon'olombelona fantatry ny maro avy any Sahara Andrefana no nosamborina, nofonjaina ary nohadihadiana. Fito tamin'izy ireo, fantatra amin'ny hoe ny 7-n'i Casablanca no notsarain'ny fitsarana miaramila noho ny famadihana tanindrazana rehefa avy namangy fianakaviana tany amina tobin'ny mpitsoa-ponenana Saharawis, ao SW Algeria. Voakendry noho ny filazam-panoherana ny vahoho ataon'ny fananiham-bohitra  Maraokana eo amin'ny taniny ireo Saharawis ireo,  sy ny fiarovany ny zony hizaka tena toy izay efa naneken'ny satan'ny Firenena Miakambana azy tanaty fehinkevitra efa ho 100 be izao. Tamin'ny volana Aogositra, ny manampahefana Maraokana dia nanakana tanora  Saharawi enina tsy ho any  UK handray anjara amin'ny fandaharan'asan'ny Oxford antsoina hoe Miara-Miresaka [Talk Together], izay manandratra ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny samy tanora avy amin'ny faritra samihafa misy fifandonana.

Bilbaobilonia mpitoraka blaogy Espaniola, mitondra fanamarihana amin'ny kabary nataon'ny Mpanjaka maraokana  Mohammed VI izay nilazany fa na iza na iza manohana ny fahaleovantenan'i Sahara dia mpamadika, dia maneho ny fanohanany [es] an'i  Haidar:

Ya lo dijo el rey Mohamed VI en su discurso conmemorativo de la Marcha Verde: en Marruecos sólo se puede ser patriota o traidor.  Claro que, si alguien se toma la molestia de examinar las raquíticas libertades que promueve la dinastía alauí o la persecución a la que somete a la disidencia saharaui , es fácil llegar a la conclusión de que en Marruecos, la traición es la forma más noble de patriotismo.

Tahaka izay efa nanambaràn'ny Mpanjaka Mohammed VI azy tanatin'ny kabariny ho fahatsiarovana ny Diabe Maitso [Green March]: na ny Maraokana iray tia tanindrazana, na izy mpamadika. Mazava loatra, raha misy olona lingitra mikitikitika ny fanohintohinana ny fahalalàhana ataon'ny fitondram-panjaka Alawite, na ny teritery ampiziogainy an'ireo teratany Sharawi, mora foana ny manao tsoa-kevitra fa any Maraoka, ny famadihan-tanindrazana no endrika tsara indrindran'ny fitiavan-tanindrazana.

Ny mpitoraka blaogy One Hump or Two dia maneho ny fahagagàny ny amin'ny fahasahian'ny manampahefana Maraokana manenjika olona fanta-poko fanta-pirenena toy izany:

Mampiseho ity fa dia ho eo andamosin'izay Saharawi manohana ny fitsapan-kevi-bahoaka hatrany ny polisy Maraokana, na eo aza ny fifandraisana iraisam-pirenena sy  ny fanohanana. Ireo  loka azon'i Haidar (ny akaiky indrindra: Lokan'ny Herimpo Sivily  [the Civil Courage Prize]) dia noheverina hametraka azy ivelan'ny zava-doza toy izao, amin'ny fanehoana amin'ny governemanta Maraokana fa mibanjina azy ireo izao tontolo izao.

Sahara Occidental dia manohy mamoaka ny fanehoan-kevitr'ireo media momba ny tranga mahazo an'i  Aminatou Haidar.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.