Mpitoraka blaogy Maraokana, tompona Cyber-Café, voaheloka

Ny Alatsinainy 14  Desambra, i Bashir Hazzam Maraokana mpitoraka blaogy (antsoina koa hoe  Hazem, Hazzem) sy i Abdullah Boukhou tompona Cyber-Café dia samy voaheloka higadra efa-bolana sy herintaona tsirairay avy, tao amina Tribonaly iray tao  Goulmim. Hazzam dia voaheloka ho  “nanely vaovao tsy marina manohintohina ny fijery ny Fanjakana eo amin'ny resaka zon'olombelona”, raha voaheloka noho ny antony tsy dia mifanalavitra loatra amin'izay sy nampangaina toy ny hoe manome sehatra ivelaran'ny asam-panoherana.

Ny Mpitatitra Tsy Manan-tsisin-tany [Reporters Without Borders]  dia nanameloka ilay didy, tamin'ny filazana fa, “i Bashir Hazzam sy Abdullah Boukhou dia samy tsy nisy nanao zavatra mifanohitra amin'ny lalàna izany. i Bashir Hazzam dia namoaka fotsiny ny filazana navoaka momba ny herisetra nataon'ny mpitandro filaminana nandritra ny hetsiky ny mpianatra tao  Tarjijt, 200km atsimon'i Agadi. i Abdullah Boukhou dia nampangaina ho nandefa vaovao sy sary maromaro momba ireo raharaha ireo. Tsy ny handefa ireo tsy manantsiny any am-ponja no tokony hataon'ny manampahefana fa ny fanaovana fanadihadiana momba ny fanararaotam-pahefana ataon'ny sampan-draharaha misahana ny filaminana anatiny.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.