Guatemala: Fanimbàna ny varavaran'ireo toeram-pivarotan-tena [bordel]

Julio Roberto Prado dia mpisolovava Goatemalteky izay matetika manao fanadihadiana sy manenjika ny varotra olona, indrindra ny fanararaotana atao amin'ireo vehivavy sy ankizy. Rehefa mitoraka blaogy izy dia mitondra solonanarana, izay ahafahany mamoaka ny heviny malalaka momba ny toe-javatra sarotra iainan'ireo tra-pahavoazana. Ity lahatsoratra vao haingana tao amin'ny blaoginy Noticias Para Dios ity dia manoritsoritra ny sasany amin’ireo lafiny sy akon’ny fiainana andavan’andro any amin’ny asany [es], izay hangatahany fahazoan-dalana hanao fisavàna avy amina mpitsara. Avoitran'ny lahatsorany ihany koa ny vokatry ny fiasàna anaty tontolo mampiady saina sy mandreraka toy izao amin'ny toe-tsain'ireo mifofotra hamongotra ny famarotana olona sy ny fanararaotana.

Tenía puestos mis zapatos negros, vamos, todos saben que cuando los llevo es porque romperé alguna puerta. Ese día sería para rescatar a una niña de once años y a su hermana de quince de uno de los más grandes prostíbulos de la ciudad.

Nanaovako ny kiraro maintiko, ndao ary, ny rehetra dia samy efa mahalala fa rehefa eny amiko ireny dia hisy varavarana ho potika izay. Androany dia hanavotana vehivavy 11 taona sy ny rahavaviny 15 taona avy amin'ny iray amin'ireo toeram-pivarotan-tena sy  ‘bordel’  isan'ny lehibe indrindra eto an-tanàna izany.

Mizara ny lamin'asany isan'andro amin'ny sasantsasany amin'ireo mpiara-miasa aminy mpampanàja lalàna izy:

A los hombres les gustan tiernas, dice uno de los policías. Me cuenta que el otro día fue hacia Retalhuleu una ciudad del interior del país. Allí entró a un sitio donde fue a rescatar a mujeres encadenadas en las camas, donde las obligaban a coger con los clientes. Estaban todas flacas, me dice. Me daban tanta tristeza, no comían, amarradas, con sus trajes típicos a los camastros. Pero qué se puede esperar de esos lugares, si hay algunos donde subastan vírgenes los primeros viernes de cada mes.

Ny maha-tanora azy no ankafizan'ny lehilahy azy ireo, hoy ny iray amin'ireo polisy manamboninahitra. Mitantara amiko izy fa indray andro nandeha tany anatin'ny tanànan'ny Retalhuleu, ka nidirany tamina toerana iray hamonjena vehivavy voafatotra amin'ny fandriana, anerena azy ireo hanao firaisana ara-nofo amin'ireo mpanjifa. Mahia kely avokoa izy rehetra, hoy izy. Nampalahelo ahy ry zareo, tsy mihinan-kanina, ary reraky ny miankanjo irony karazam-pitafiana irony. Inona ankoatr'izay no andrasana amin'ny toerana tahaka itony, indraindray aza ireo toerana sasany manao lavanty vehivavy mbola virijiny isaky ny Zoma voalohan'ny volana.

Mba hahazoana ilay fahazoan-dalana hanao fisavàna, mila milahatra i Prado hihaona amin'ilay mpitsara sy hanazava azy ny toe-javatra. Raha teo am-pilaharana izy dia nandinika ny sasany tamin'ireo tranga mampalahelo niainan'ireo tra-pahavoazana:

Al llegar, una enorme fila de gente me espera. Me dispongo a aguardar por mi turno, para hablar con el juez y explicarle que necesitamos entrar al bar. Delante de mí, una señora luce todavía golpeada. Reparte su tiempo entre llorar y mecer a su hijo de brazos, mientras otra niña pequeña se prende de su pierna. Quisiera fumar. Quisiera encender un cigarro y apagármelo en el brazo izquierdo y despertar de una maldita vez.

Oigo que la mujer ha sido golpeada por su marido. Atrás siguen una muchacha con sus padres. La abusaron. Recuerdo que es fin de mes. Que acaba de pasar un fin de semana largo.

Vao tonga aho dia efa nisy filaharana lava be niandry ahy. Niandry ny anjarako aho hiresahako amin'ilay mpitsara sy hanazava aminy fa mila miditra an'ilay toeram-pivarotan-tena sy  ‘bordel’ izahay [mba hamonjena ireo ankizy]. Mifanatrika tamiko, nisy vehivavy toa niharan'ny daroka. Mizara ny fotoanany amin'ny tomany sy fandrotsirotsiana ny  zanany lahy eny an-tanany izy, ary misy ankizivavy kely iray mitazona ny tongony. Te-hifoka sigara aho. Te-handrehitra sigara aho ary hamono azy ao amin'ny tanako havia dia hifoha amin'izay.

Maheno vehivavy nodarohan'ny vadiny aho. Aoriako misy zazavavy miaraka amin'ny raiamandreniny. Nanararaotra azy izy ireo. Tadidiko fa hay moa faran'ny volana izao. Lava iny faran'ny herinandro iny.

Nanohina mafy an'ilay mpisolovava ireny tantara ireny:

Permanezco sin hablar. Cuando trabajas con el dolor ajeno, te empiezas a vaciar por dentro. Le dejas espacio al dolor, le permites habitarte. A mí me llena el dolor de doce niños abusados y veintidós niñas prostituidas. Son los casos que llevo investigados con solución. Los otros no me habitan, me succionan.

Tsy nahateny aho. Rehefa miasa miaraka amin'ny jalin'ny sasany ianao dia manomboka mahatsapa fahabangana any anaty any. Manome toerana ho an'ny hirifiry ianao, mamela azy hiaina ao anatinao. Heniky ny fijalian'ireo ankizy 12 nararaotina sy ireo tovovavy 22 nasaina nivaro-tena aho. Ireo no tranga niasàko nitondrana vahaolana vitsivitsy. Ireo tranga hafa tsy miaina ato anatiko, mitsetsitra ny aina hivoaka avy any anatiko ireny.

Nony farany tonga tany amin’ilay mpitsara ihany izy hangataka ilay fahazoan-dàlana hanao fisavàna  dia nomena azy izany. Na izany aza anefa dia naharikoriko azy ireo fanamarihana nataon’ilay mpitsara:

Me dice que me permitirá entrar.

Ya de pie, me despido y abro la puerta. Antes de salir, el juez me dice: “ese lugar es lindo, hay buenas muchachas allí. Si encuentra algún amigo mío dentro, ahí se lo encargo”. Se ríe.

Trato de sonreír pero más bien me sale una mueca de asco.

Nolazainy tamiko fa hahazo hiditra [ao amin’ilay toeram-pivarotan-tena sy  ‘bordel’] aho.

Teo am-pitsanganana, sady nanao veloma aho no nanokatra ny varavarana. Talohan’ny nivoahako, niteny tamiko ilay mpitsara, “mahafinaritra io toerana io, feno ankizivavy mahafatifaty any. Raha mahita namako ao ianao  dia mba karakarao tsara izy.” Nihomehy izy.

Niezaka ny nitsiky aho, fa raha ny marina dia  fijery tsiravina ny ahy.

Teo am-pivoahany dia tsaroany tampoka ny zava-misy henjana amin’ny karazana tranga toy itony:

Afuera, la señora golpeada, calma a su hijo de brazos y la muchacha abusada llora con su madre.

Es su turno de hablar con el juez. Les toca explicarle su dolor. Mientras que para mí, al salir a la calle, una invasión de aire, humo y ruido me recuerdan que es lunes. Un día cualquiera, que se repetirá hasta la saciedad.

Subo al auto y voy por las niñas. Sé que hoy tampoco podré dormir.

Ao ivelany, mampangina ny zaza eny an-tratrany ilay vehivavy voadaroka ary mitomany miaraka amin’ny reniny ilay tovovavy noararaotina.

Anjaran-dry zareo izao ny miresaka sy manazava amin’ilay mpitsara ny fijalian’izy ireo. Izaho kosa, handeha hivoaka any an’arabe, tsio-drivotra, setroka ary kotaba no mampatsiahy ahy fa Alatsinainy anio. Andro iray hafa izay hiverimberina mandra-paha…

Niakatra tao anaty fiara aho handeha hanavotra ireo ankizivavy. Fantatro fa tsy hahita tory koa aho anio alina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.