Ala mitentina $460 000 isan'andro no potika eto Madagasikara

Raha manatrika vovonana iraisam-pirenena karakarain'ny Firenena Mikambana momba ny toetr'andro any Copenhagen ny firenen-drehetra dia Madagascar, nahapotika sahady ny 90%n'ny ala voajanahariny i Madagasikara, ary mbola iharan'ny fanondranana hazoala an-tsokosoko hatrany. Vitana ekipa miafina mpanao famotorana iray manko ankehitriny ny dosie iray manontolo momba ny fitrandrahana bolabola (bois de rose) noresahin'ny tontolon'ny fanaovan-gazety volana vitsivitsy izao. Naseho ampahibemaso tamin'ny vahoaka ary nifampizaran'ny mpamaham- bolongana sy ny famoaham-boky aman-gazety siantifika ny antsipirian'io bizina tsy ara-dalàna ahazoam-bolabe io. Ny tatitra farany navoakan'ny Global Witness [Vavolombelona Ankapobe] sy ny Environmental Investigation Agency (EIA) [Sampana mpanadihady ny Tontolo iainana] dia nametraka fa tokotokony ho $460,000 Amerikana isan'andro eo ho eo ny sandan'ny hazo very, noho ny mbola tsy nahatafatsangana ny governemanta iraisana [iaraha-mitantana]. Azonao jerena ato ny tatitra iray manontolo (ary ny amin'ny teny Frantsay dia ato).

Rosewood traffic, via Achille52 at http://reflexiums.wordpress.com<pSarina Bolabola nasehon'i Achille52, ao amin'ny http://reflexiums.wordpress.com

Mampiseho ny anaran'ny mpandika lalàna sy ny lanjan'ny hazo naondrany tsy ara-dalàna ny tatitra.

Indroa misesy ny mpamaham-bolonana malagasy Achille no nanasongadina izay nolazain'ny tatitra (fr):

En 2009, huit navires porte-containers ont quitté Vohémar avec à leur bord un total de 19 730 rondins et 50 584 planches dans 324 containers autorisés par le MEF (voir Annexe 9). Cela revient à environ 9 700 tonnes de bois de rose.

Sambo mpitondra vitrano (container) valo tamin'ity taona 2009 ity no nahazo alalana avy tamin'ny minisiteran'ny ala sy ny tontolo iainana ka niala tao amin'ny seranan'i Vohemar nitondra bolabola miisa 19730 sy hazofisaka-na bolabola 50 584 tao anatina vitrano 324 (jereo ny tovana 9). Izany hoe 9700 taonina bolabola io.

Lahatsary iray mampiseho ny fiainana andavanandron'ny mponina manodidina ny toeram-pitrandrahana no manaporofo fa tsy mahazo tombotsoa amin'ity fitrandrahana bolabola ity ny mponina:

Raha ampitahaina ny vola maty $460 000 isan'andro sy ny zavamisy manamarika fa mandray vola latsaky ny $2 isan'andro ny 89%n'ny Malagasy, dia mora dia mora ny mahatakatra fa sakana fototra mankamin'ny fampandrosoana ny mahaolona ny kolikoly sy ny elanelam-pidiram-bola lehibe loatra.

Nivoaka ihany koa tamin'ity herinandro ity ny tatitra mahaleotena hafa notohanan'ny Ivotoerana Soisa Jane Goodall manamafy ny efa nolazain'ny mpanoratra, Schuurman sy Lowry, ho “Fandripahana ny Bolabolan'i Madagasikara ” (pdf).

Nandray anjara tamin'ny fanatontosana ity lahatsary manaraka ity ihany koa ireo mpanoratra hanairana ny fahaverezan'ny harena voajanahary noho ny fitrandrahana:

Efa namoaka lalàna momba ity raharaha ity ny Antenimieran-doholona Amerikana ka hoy ny fanambarana nosoratan'ny Depiote Blumenauer (D-Oregon) :

After a coup in March, the new and weakened government of Andry Rajoelina issued sweeping decrees allowing the harvest and export of wood from protected forests and World Heritage Sites. The Obama administration has condemned the de facto government, and the Wildlife Conservation Society, the World Wildlife Fund (WWF), and Conservation International have denounced the wholesale exploitation of some of the world's most diverse forests and decimation of the local population's resources and livelihoods

Taorian'ny fanonganam-panjakana tamin'ny volana marsa teo dia namoaka didim-pitondrana maro manome alalana malalaka ny fanondranana hazo avy any amin'ny ala arovana sy toerana voasoratra ho haren'izao tontolo izao ny fitondrana vaovao sy malemy an'i Andry Rajoelina. Efa nanameloka ny governemanta tafajoro ny fitondran'i Obama, ary manameloka ny ny fitrandrahana tafahoatra ny ala manana harena voajanahary indrindra manerantany sy fandripahana ny loharanom-piainan'ny mponina ao an-toerana ny World Wildlife Fund (WWF) sy ny Conservation International

Manana fiantraikany goavana amin'ny fifandaminana politika eto Madagasikara izao raharaha maizina momba ny bolabola io. Nandrahona ny hamoaka ny anaran'ireo tafiditra amin'ity raharaha ity ka ao anatin'ny fitondran-dRajoelina raha tsy mitsangana ny governemantan'ny firaisam-pirenena ny filoha teo aloha Zafy Albert. Tsy maintsy atao manko izay hahatafatsangana io governemantan'ny fampiraisam-pirenena io satria izay no fepetra takian'ny fampiasam-bola amerikana ( AGOA sy MCC) sy Vondrona Eoropeana (fr) (NB: Mbola miankina amin'ny fampindramam-bola avy any ivelany manko ny 70%n'ny tetibolan'ny fitondrana malagasy).

Tsara ny manamarika fa nahafahana manao fanadihadiana ara-pitsarana ny mpanao gitara Gibson ny didim-pitondrana nivoaka. Nanaovan'ny US Fish and Wildlife Service ny foiben-toeran'izy ireo satria namboarina avy tamin'ny hazo naondrana an-tsokosoko avy eto Madagasikara ny gitara vokarin'izy ireo. Raha jerena avy amin'ny famoahan-kevitra ataon'ny mpampiasa Twitter manerantany dia nanaitra ny olona kokoa ilay hoe tafiditra amin'ity raharaha ity ny Gibson guitars noho ilay mety ho fanjavonan'ny toera-ponenan'ny gidro.

Indrisy anefa fa tsy voafetra eo amin'ny fitrandrahana sy fanondranana y bolabola ihany ity resaka fandripahana ny ala eto Madagasikara ity. Mamotika sy manimba ny ala ihany koa ny tavy sy ny doro-tanety. Namokatra fijerena an-tsary tora-telo na 3D ireo doro-tanety manimba an'i Madagasikara ny ONG Vakanala:

image via http://vakanala.orgsary http://vakanala.org

Tahaka izany ihany koa ny ONG Malagasy Mitsinjo izay mifantoka amin'ny fampivoarana ny fahaiza-manaon'ny fokonolona ao an-toerana izay misahana ny fanavaozana ny ala sy fandevenana (fanamboarana?) arina ao Andasibe.

Efa ela no nanaitra ny amin'ny fahaverezan'ny ala ny mpamaham-bolongana eto an-toerana. Tsy nijanona tamin'ny fanairana ihany, Patrick, mpamaham-bolongana avy any Toamasina ohatra dia tsy mitsahatra ny mamboly hazo any amin'ny faritra misy azy any ary mandray anjara anatin'ny fikambanana hafa amin'ny fanaovana izany:

Lova Rakotomalala

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.