Ozbekistana: Tashkent, tanàna maitso. Sa tsia?

Notapahana ireo hazo antitra tao afovoan-tananan'i  Tashkent – tanatin'ny iray andro dia niparitaka tao an-tanàna ilay vaovao nahatafintohina.


Photo by goricvet

Planetrees, na platanus [Avy amin'ny Mpandikateny: najanona amin'izao ny anara'ny hazo fa tsy fantatro amin'ny teny Malagasy], novolena tany amin'ny faramparan'ny taonjato faha-19 tany, no notapahana tao amin'ny zaridainam-pokonolona antsoina hoe Amir Temur (Tamerlane) ao Tashkent tamin'ny herinandro lasa teo. Araka ny nolazain'ireo manampahefana, ny fanapahana dia nampifanarahana tamin'ny drafitry ny asa ara-pahasalamana kasaina hatao ao amin'ny tanàna. Kanefa, tsikaritra fa ireo hazo dia tsara toerana sy nahasarika tokoa.

Etsy ankilany, trano be tranainy roa mifanila amin'ny zaridainam-pokonolona no andalam-pandrodànana. Ny iray voalohany dia ilay trano fisakafoanana  “Poytakht” (“Masonkarena” amin'ny teny Ozbeky) vao navaozina tsy ela akory, naorina tany afovoan'ny taonjato lasa iny. Ny iray faharoa dia ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana fahiny izay naorina ho an'ny Semineran'ny Mpampianatra Tashkent tamin'ny 1898. Tranom-panjakana vaovao no kasaina haorina eo amin'io toerana io.

Joendax manoratra (rus):

Tsy dia niraika firy tamin'ny momba ny hazo aho taloha. Fa tamin'ity andro ity sy ireo andro maro nifandimby, tsy nety nino aho hoe marina kay ilay izy. Rehefa mamerina mamisavisa ireny fahatsiarovana ireny aho dia manomboka latsa-dranomaso, satria tsy afa-manova na inona na inona.

Inona no azo anazavàna an'itony? Be ny mihevitra fa ny tena anton'ireo hetsika ireo dia ny Lapa vaovao ho an'ny Forum, niorina tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Lasa anton-dresaka be teo anivon'ireo mpitoraka blaogy Ozbekistana izy io.

Noho izany no  nanoratan'i UNKNOWN hoe:

[…] nisy fangatahana maika ny handravàna ny foibem-pifandraisana an-tarobia izay faran'ny tranainy indrindra ao  Tashkent, niorina tamin'ny 1932. Zavatra nanaitra ny ankabeazan'ireo mpiasa tao sy ny maro mpampiasa ny tolotra  tokoa. Amin'io fotoana io no sady andravàn-dry zareo ny foiben-toeran'ny fiara fitateram-bahoaka manakaiky ny Tobim-pifandraisana an-taribia.  Lapa vaovao iray  ho an'ny Forum no kasaina haorina eo.

Kanefa, ilay Lapa dia miteraka fanontaniana maro eny anivon'ny daholobe, indrindra indrindra fa ny tena anton'izao fandaniana be izao, ny fampiasàna herin-tsandry vahiny manolona any tsy fananana asa manenika ny firenena sy ny resaka hafa ihany koa, tafiditra amin'izany ny fandraràna tsy ahazoana maka sary ilay tranobe.

Amin'izao fotoana, ny tra-pahavoazana noho ny Lapa dia ny hazo antitra maanoloana azy indray.

Ny sasany mihevitra fa ny tsangambaton'i  Amir Temur, mipetraka ao afovoan'ny zaridainam-pokonolona, no tena anton'ny fanapahana ireo hazo :

nashingyou manao fanamarihana somary masirasira ihany (rus):

[…] Tashkent dia tsy maintsy tanora sy mavitrika  lalandava! Inona no hilàny izay hazo antitra sy bevata any? Inona no ilàny izay vakoka rakitry ny ela any? Fahiny izany! Ohatra izao, tsy ela izay no nandravàna ny zaridainam-pokonolona, dia afaka mahita ny soavalin'i Amir Temur avy eny lavitra eny ny mpizahatany.

Tamin'ny 21 Novambra dia nanao hetsika iray ho fanoherana ity asa fmotehana ity ireo tanora mafana.

Nametraka voninkazo sy labozia maro teo amin'ny fefin'ny zaridainam-pokonolona ry zareo, manakaiky  ny Lapa ho an'ny Forum. Tokony ho tao an-jazidaina no nanaovana ny hetsika, saingy efa nobahanan'ny mpitandro filaminana ny fidirana, raha nanohy niasa tao kosa ireo fiara vaventy [bulldozers]. Fotoana fohy taorian'ny nanombohan'ny hetsika, tonga namono ireo labozia sy nanipitsipy ireo voninkazo ny mpitandro filaminana.

Ny mpitoraka blaogy roost dia nitatitra fa (rus):

Natao ny Sabotsy teo n y hetsi-paniherana nanakaiky ny  Amir Temur Square. Amin'ny lafiny iray, tsara ilay izy, satria nahazoana olona nisinisy ihany. […] Amin'ny lafiny iray kosa, tsy dia nahomby loatra, satria ny ankabeazan'ireo labozia dia tsy iray minitra na mahery kely monja no nijoto teo. Raha ny fahafantarako hatreto, tsy nisy aloha ny voasambotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.