Masedoanina: Mihira Skopiana

Ny antoko mpihira kibo saoky ny nahiny “Mihira Skopiana” (Masedoniana: Распеани скопјани amin'ny endritsoratra Sirilika (grika) ary Raspeani skopjani amin'ny endri-tsoratra Latina) dia vondron'ireo olom-pirenena avy ao Skopje izay maneho ny heviny eo amin'ny sehatra sosialy amin'ny alalan'ny hira. Mihaona isan'alahady any amin'ny faritra samhafa manerana ity renivohitry ny Repoblikan'i Masedoanina ity ny mpihira ka manatontosa hira atao an-dahatsary, mba hampidirina ao amin'ny fantsona YouTube an'ireo vondrona sivika (mpikatroka ho fanabeazana olom-pirenena?) Ploshtad Sloboda (”Kianjan'ny Fahafahana”).

Mampiasa hatsikana, taratra amin'ny lohatenin-kirany maro, ny antoko mpihira. Efa nanao ny hiran'ankizy “Masedoniana izahay” (Ние сме Mакедонци) [MKD] tamin'ny andro tsy iasana nandritra ny Andron'ny Tolona Revolisionera Masedoniana ry zareo, ary nihira teo anoloan'ny Biraom-pifandraisana Grika (izay lasa masoivohon'i Gresy ho azy) tamin'ny alalan'ny hira mitondra ny lohateny hoe “Dirlada” (Дирлада) [MKD] miresaka momba ny fitiavana nandritra ny andro mafana teo amin'ny zatovolahy Masedoniana iray sy zatovovavy Grika iray izay nisedra fahasarotana maro noho ny fanakanana tsy nety nahazoana “visa”.

Eo amin'ny lafiny mamparikivy kosa indray dia efa nisy ny hira manana lohateny hoe “Vonoy aho” (Убиј ме) an'ny tarika ao an-toerana Bernays Propaganda nohiran'i Mihira Skopiana izay misy izao andalana izao:

Не сум како тебе,
немам иста боја,
омразата е твоја

Не сум како тебе
затоа у-б-и-ј м-е
убиј, убиј ме.

Tsy mitovy aminao aho
Tsy mitovy loko aminao
Fa anao ny fankahalana

Tsy mitovy aminao aho
nefa v-o-n-o-y a-h-o
vonoy, vonoy aho.

…mba hilazan'izay ireo ny heviny tamin'ny nidarohana ny mpianatra nitokona teo amina kianjan'i Skopje iray volana vitsivitsy lasa izaya.

Ny hira natao farany kosa no nanaovana ny hiran'i Lumberjack avy amin'i Monty Python, izay nifandraika tamin'ny fikapana ireo hazo antitra volanamaro lasa izay teo amin'ny Lalambe fihaona-dalan'i Ilinden, nataon'ny Ben'ny Tanànan'i Skopje izay niteraka fahakiviana sy lonilony [MKD] teo amin'ny olo-tsotra maro.

Nieli-patrana nanerana ny valam-piarahamonina [misaotra an'i hery serasera tamin'ity dika iray ny media social ity] maro indrindra fa tamin'ny facebook ity fomba fanehoan-kevitra vaovao ity, ka nisarika ny fampahalalam-baovao mahazatra herinandro vitsivitsy lasa izao: ny gazety mivoaka isan'andro Dnevnik ohatra dia namoaka lahatsoratra momba ity antoko mpihira ity [MKD].

Filip Stojanovski

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.