Irana: Afaho i Hossein Derakhshan

hoder

1 Novambra 2009 no tsingerintaona voalohany amin'ny namonjàna ilay Iraniana mpitoraka blaogy, Hossein “Hoder” Derakhshan.

Cyrus Farivar, amerikana iray monina any sady mpitoraka blaogy no mpanao gazety dia  nitatitra fa tafaresaka tamin'i Hamed, rahalahin'i Derakhshan izy, izay nilaza taminy hoe :

Nihaona tamin'ny mpampanoa lalàna vaovaon'ny distrika ireo raiamandreniny, fotoana vitsy lasa izay, ka nomen'io alàlana nahazo niara-nisakafo hariva tao amin'ny fonjan'i Evin niaraka tamin-janany lahy, Hossein Derakhshan, ny Alakamisy29 Oktobra 2009 teo. Manamafy izany fa mbola voatazona ao amin'ny fonjan'i Evin i  Hossein, nefa tsy fantatr'ireo fianakaviana akory hoe rahoviana indray ny fotoana manaraka hahafahan'izy ireo mihaona aminy.

Ny mpitoraka blaogy Iraniana,  Jooya, dia  manoratra fa i Derakhshan dia mbola ao amin'ny sampana No. 325 foana any amin'ny fonjan'ny  Revolutionary Guards. Raha ny filazan'ireo mpiaro ny zon'olombelona, hoy i  Jooya manampy, dia natoka-monina tanteraka izy nandritra ny herintaona eo ho eo.

Vondrona iray ahitàna mpitoraka blaogy  Iraniana  no nanapa-kevitra hanampy hoe “Afaho i  Hossein Derakhshan” amin'ny anarana entin'ny blaogin-dry zareo mandritra ny herinandro iray. Milaza (fa) i Fanous Azad fa:

Izaho koa nanampy ny hoe “Afaho i Hossein Derakhshan” amin'ny anaran'ny blaogiko.

Manampy izy fa:

. . . fony  Hossein nanomboka niampanga ny hafa dia nitsahatra tsy namaky ny blaoginy aho, saingy ankehitriny dia miaro ny zony aho, tsy asiako fieritreretana hoe iza moa izy izay. . . . Hossein, toy ireo olombelona rehetra ihany, dia tokony hànana ny zony amin'ny fahalalàhana misaina sy miteny.

Parsanevesht dia manentana ny mpitoraka blaogy rehetra mba hiasa miaraka mba hahazoana akony goavana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.