Sina: Fibahànana ireo rindrambaiko natao ho an'ny sarambabe ao amin'ny Twitter

Tanatin'ny andro maromaro izao, nitatitra ireo Sinoa mpampiasa twitter fa nobahanan'ny sivana Sinoa ny ankamaroan'ireo rindrambaiko natao ho an'ny sarambabe ao amin'ny  Twitter.

Hatrany amin'ny fiandohan'ity taona ity izay nandidiana ny hanakatonana ny Fanfou, vohikala Sinoa fitorahana bolongana, maro tamin'ireo mpitoraka blaogy no nikisaka nankany amin'ny  Twitter mba hanapariaka ny heviny. Mafàna fo maro amin'ny sehatry ny aterineto no nino fa sarotra ny hanàkana ny Twitter noho ny fisian'ireo  rindrambaiko maro natao ho an'ny sarambabe  hahafahan'ny mpampiasa azy mamaky na mandefa hafatra tsy ilàna akory miditra amin'ny tranonkala. Na izany aza, tsy ela akory nanomboka tamin'ity herinandro ity, Sinoa maro mpampiasa twitter no nitatitra fa ireo  rindrambaiko natao ho an'ny sarambabe be mpampiasa toy ny  twitpic, itweet, twitese, twittergadget dia voasàkana daholo ary voatery mikisaka mampiasa fitaovana hafa ry zareo.

Raha mitady ny  #fuckgfw ao amin'ny  twitter ianao, dia hahita ny fanampim-baovao rehetra momba ny tatitra amin'ilay fibahànana. Eto ambany ny fantina amin'ireo tatitra tao anatin'ny andro vitsy lasa:

Tamin'ny Alatsinainy, 12 Oktobra 2009

(trans) jason5ng32: bit.ly sy twitpic dia samy GFWed. [avy amin'ny mpandika: fanafohezan-teny manokana fampiasan-dry zareo angamba izy ity hilazana ny sivana]

(trans) saytesnake: j.mp koa maty

Ny Talata, 13 Oktobra 2009

Hafidxu Tsy afaka manokatra ny  http://bit.ly avy any Chine! #FuckGFW

(trans) binky2008: twitese.appspot.com dia GFWed.

(trans) guoxintao #fuckGFW Tamin'ity tolakandro ity (Talata): dabr.co.uk  sy  itweet  dia  samy  GFWed. Miha-avo dia avo hatrany ny rindrina.

Androany, Alarobia,14 Oktobra 2009

weelingsoh Tsy afaka miditra Twitter mandalo amin'ny Twitzap na TwitterGadget intsony. #fuckgfw dia miha-saro-bahàna isan-andro. NGHNGH !

(trans) bleutee RT @iGFW itweet、twitzap、tweetree、twitterfeed sy rindrambaiko maro hafa natao ho an'ny sarambabe ao amin'ny Twitter  no maty #GFW #FuckGFW

(trans) kavenyan:  ‘zao vao nahita fa tsy afaka mampiasa  itweet.net  sy  twitter gadget avy ao amin'ny Gmail intsony. Mitrona ny GFW. #fuckgfw

(trans) amoiist: any Plurk, misy olona nitatitra hoe: “ Vaovao farany, ny sehatra fitorahana blaogy any Taiwan  http://buboo.tw dia tsy azo tsidihana intsony any PRC!!! [Repoblika Entim-bahoakan'i Sina]”. Noho izany dia voabahana ve i  Buboo? #fuckGFW

Ankoatry ny fanehoan-dry zareo ny fahasorenany noho ny  GFW, mpampiasa  twitter maro koa no mizara ny heviny momba izay handingànana ilay Rindrina.

amoiist RT @williamlong: ampanaraho ny toetr'andro ny twhirl: manokàfa kaonty, fidio ny laconi.ca, ampidiro: “ny kaonty twitter-nao”@twitter-proxy.appospot.com, ny tenimiafinao tany amin'ny twitter ihany no tenimiafina. Dia vita. #fuckGFW

Mpitoraka blaogy Sinoa maro sy mafàna fo amin'ny aterineto no indray nino fa aorian'ny faha-60 taonan'ny PRC, mba hanalefaka ny vahohony ampihariny amin'ny aterineto ny governemanta. Ankehitriny dia toa mahavery fanahy mbola velona ny zava-misy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.