Rosia: Filazana ny fihaonambe ho fahatsiarovana an'i Anna Politkovskaya

Ilay mpanao gazety Anna Politkovskaya dia nisy namono tamin'ny 7 Oktobra 2006. Amin'ny Alarobia ho avy izao, hisy fihaonambe ho fahatsiarovana azy nomanina hatao eo ivelan'ny metro Chistyye Prudy any Moscou.

(lahatsoratra GV momba ny famonoana an'i Anna Politkovskaya tamin'ny 2006 – ato sy ato; 2007 – ato; 2008 – ato.)

Nisy lahatsoratra fohy (RUS) milaza ilay fihaonambe ho fahatsiarovana navoaka voalohany tao amin'ilay vohikalan'ny Novaya Gazeta, gazety nanoratan'i Anna Politkovskaya:

Telo taona izay no lasa taorian'ny andro namonoana an'i Anna Politkovskaya; mbola mandehandeha eny ireo nibaiko sy nanatontosa izany famonoana izany.

[…]

Handray anjara amin'ilay fihaonambe ireto olona ireto:

Aleksey Simonov [filohan'ny Glasnost Defense Foundation], Ilya Politkovsky [zanakalahin'i Anna Politkovskaya], Dmitry Muratov [Talen'ny famoahan'ny Novaya Gazeta], [vehivavy mpilalao sarimihetsika Liya Akhedzhakova], Grigory Chkhartishvili [mpanoratra, solonanarana: Boris Akunin], [mafana fo mpiaro ny zon'olombelona Lyudmila Alekseyeva], [mpanao pôlitika Grigory Yavlinsky], [mpanao pôlitika Boris Nemtsov], [vehivavy mpilalao sarimihetika Chulpan Khamatova], [mpanao pôlitika Mikhail Kasyanov], [mpanoratra sariitatra Victor Shenderovich], [mpanao gazety] Yulia Kalinina, sy maro hafa.

Hanomboka amin'ny 4:03 ora hariva tsy diso ny fihaonambe.

Nahazo alalana tamin'ireo manam-pahefana ao an-tanànan'i Moscou ilay fihaonambe.

Miaraka amin'ilay lahatsoratra fohy ny sarin'i Anna Politkovskaya:

ANNA - Oct. 7, 2006: The killers are still at large.ANNA – 7 Okt. 2006: Mbola mandehandeha any ireo mpamono.

Ary misy koa sarina mpanao gazety sy mafana fo maro hafa izay “namoy ny ainy teo am-panatanterahana ny asany” tany Russia, nanomboka tamin'ny 2000 hatramin'ny 2009 – Telman Alishaev; Anastasiya Baburova and Stanislav Markelov; Magomed-Zagid Varisov; Igor Domnikov; Magomed Yevloyev; Valery Ivanov and Aleksei Sidorov; Vagif Kochetkov; Pavel Makeev; Maksim Maksimov; Eduard Markevich; Ivan Safronov; Natalya Skryl; Paul Klebnikov; Yuri Shchekochikhin; Natalya Estemirova; Vladimir Yatsina:

pics.3

Hatramin'izao dia mbola hevitra efatra ihany no naterak'ity antso avo ity:

konoplyov:

Dia iza no mpamono dia iza no nibaiko izany? Mety tsy efa maty ve izy?

gerantidi:

Mbola velona tsara tokoa izy. [Berezovsky no anarany.]

miksread:

Kiriko aho mahita ity iconostase saro-takarina ity. Kiriko aho mieritreritra ny hoe farafaharatsiny ny isan'ireo handray anjara amin'ilay fihaonambe dia tsy ho latsaka [amin'ny isan'ireo olona amin'ilay peta-drindrina]. Maty tamin'ny tsy antony ve izy ireny? Toa sahala amin'izany an.

igel_68:

Tsy maintsy handray andraikitra amin'ity i [Putin] indray andro any. Mpanao gazety roa isan-taona eo no maty novonoina raha ny salanisa. Indrindra ireo mitatitra ny tena zava-misy any Rosia. Ireo izay nifidy ny tsy hanasoaso ny fitondràna. Sady azo atao koa ny miresaka momba-na famonoana iniana atao. Famonoana mifototra amin'ny asa. […]

viking_nord, mpampiasa LJ dia iray amin'ireo mpitoraka blaogy ampolony vitsivitsy izay namerina namoaka ilay filazana (RUS) tao amin'ny blaoginy. Ny lohatenin'ilay lahatsoratra dia “Ho any aho.” Somary maina ihany ny hevitra voalohany napetraka tamin'io:

vzzhbzl:

“Ho any aho.” Any amin'ny misy an'i Politkovskaya ankehitriny ve? Aza maika amin'izany. Tsy maintsy ho any daholo isika indray andro any.

Ity ny tohin'ny resaka:

viking_nord:

Ilay fihaonambe no tiako resahana.

vzzhbzl:

Inona ary no handanianao andro amin'izany? Hanandratra  tabataba kely fotsiny ianareo dia avy eo hiparitaka – hanova zavatra ve izany?

viking_nord:

Kanefa raha tsy manao tabataba mihitsy izahay, izay vao tena tsy hisy mihitsy ny fiovàna.

andrei_naliotov, mpampiasa LJ dia namerina namoaka ilay filazana (RUS) tao amin'ny vondrona LJ ru_politics (mpikambana 8 722). Toa miavaka ny resaka misy ao amin'ny fametrahan-kevitra amin'izao fotoana izao – feno faharatsiam-panahy miharihary sy zara raha misy  alahelo na vaovao marina bitika dia bitika:

kidman_moscow:

*manoaka*
Aza adino ny mamoaka sary.

***

fetisoff:

Ie, tia mandehandeha any amin'ny Chistoprudnyi aho [ Lalambe migodana, toerana hanaovana ilay fihaonambe sy nanaovan'ny antoko mpanohitra fihaonambe maro taloha]. Nefa izao aho tsy maintsy mijery aterineto alohan'ny handehanana, hijery raha misy [adala] mitady hanao fihaonambe eny (na dia ireo ihany aza no manohitra eny isaky ny mihetsika).

***

bobrok_gso:

[Haha], fa maninona no nosoratanao hoe mpanao gazety i Stasik Markelov? Fa angaha izy tsy mpisolo vava? Sa azo aseho eny daholo [na iza na iza]?

***

atollos:

Mitovy fiafaràna daholo ireo Mazepas rehetra. [araka ny anaran'i Cossack Hetman Ivan Mazepa – sy ny anaran-jazavavin'i Anna Politkovskaya, Anna Mazepa.]

***

knpnk:

Hm… Eo amin'ilay peta-drindrina misy ireo mpanao gazety dia misy toerana banga eo amin'ny laharana farany… Tsy maintsy misy antony ao…

***

vitaly:

Sipakelin'ireo be volombava. [milaza ankolaka an'i Anna Politkovskaya sy ireo mafana fo Chechen.]

***

salnikov_vova:

Koa tsy  ‘ndeha sambory àry ry zareo [ireo namono an'i Anna Politkovskaya]! Raha mbola olona miriaria izy ireo, maninona ianareo no tsy misambotra azy ireo  na manome ny mombamomba azy ireo any amin'ny mpitandro filaminana!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.