Oktobra, 2009

Tantara tamin'ny Oktobra, 2009

Honduras: Hanomboka hifarana ny krizy?

  31 Oktobra 2009

Eo ampelatanan'ny Kongresy ankehitriny ny fifanarahana, izay mety ekeny, ny amin'ny hamerenana ny filoha Hôndiorianina Manuel Zelaya eo amin'ny toerany indray fa hifampizarana kosa ny fahefana, ka mety hidika izany fa manomboka hifarana ny krizy.

Etazonia: Mpifankatia tsy mitovy fihodirana tsy nahazo nisora-panambadiana

  31 Oktobra 2009

Tamin'ny herinandro, tany Hammond, any Louisiana, Beth Humphrey (fotsy hoditra) sy Terence McKay (mainty hoditra) dia nangataka fisoratam-panambadiana ary nolavina noho ny tsy fitovian'ny fihodiran'izy ireo. Ny Mpitsara misahana ny fandriampahalemana, Keith Bardwell, dia nanambara fa araka ny efa hitany dia “tsy maharitra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa tsy mitovyfihodirana” ary nolazainy fa “ho an'ireo taranaka no nanaovany izany.”

Kazakhstan: Fifanoheran-kevitra ara-ekonomika, fanavakavahana araka ny maha-lahy na vavy ary ny fitotonganan'ny siansa

  31 Oktobra 2009

Manohy ny resaka momba ny fifandraisana ara-sosialy ireo mpitoraka blaogy any Kazakhstan. Tamin'ny herinandro lasa teo, ny adihevitra teto amin'ny aterineto dia nampiseho lohahevitra samihafa. Ny mpitoraka blaogy Lord-Fame dia novangian'ireo tomponandraikitry ny hetra izay nanambara fa tsy ampy araka ny tokony ho izy ireo mpiasa ao amin'ny orinasany, ambanin'ny...

India: Mpanao gazety mpitoraka bilaogy nanelanelana hanavotana polisy takalon'aina

  28 Oktobra 2009

Tao amin'ny fanjakan'i Bengal andrefana dia nisy ady nifanandrinan'ny mpioko maoista(Naxalites) sy ny miaramilam-pirenena. Noraran'ny fitondrana tamin'ny volana jona lasa teo ny Antoko Komonista Indiana (Maoista), antoko miafina sady tsy manana solontena ao amin'ny antenimiera, noho ny lalàna mandrara ny hetsika tsy manara-dalàna ka nanondroany io antoko io ho fikambanana...

Repoblika Dominikana: Hetsika fampahalalana ny homamiadana

  28 Oktobra 2009

Volan'ny fisorohana ny homamiadan'ny nono any amin'ny firenena maro ny volana oktobra, fotoana ankalazain'ny vohikala manandaza, fandaharana manokana amin'ny fahitalavitra, famakian-teny, valandresaka ara-medikaly ary ny fizarana boky kely sy trakitra misy izay tsara ho fantatra. Ireny rehetra ireny dia manindry manokana ny amin'ny fizahana ataon'ny tsirairay sy ny mampiahiahy tokony...

Tao amin'ny fetiben'ny mpamaham-bolongana indoneziana

  27 Oktobra 2009

Nitsidika ny fetiben'ny mpamaham-bolongana indoneziana na PestaBlogger 2009 izahay. Ity no fanintelony nanaovana ity fihaonana isan-taona ity. Avy any amin'ny vazantany efatra ao amin'ity firenena lehibe iray ity ny mpamaham-bolongana ka namonjy an'i Jakarta renivohitra, hankalaza, hiady hevitra ary hanala azy [hivory].

Tonizia: Fifidianana madio sy tsy mitongilana?

  27 Oktobra 2009

Araka ny efa tsikaritra mialoha dia nandresy tamin'ny fifidianana toniziana indray ka hitantana fanindiminy ny firenena ny filoha Zine Al Abidine Ben Ali. Ny tsy nantenaina dia ny 89.69%n'ny vato rehetra azony. Ny faminavinana manko dia nametraka fa tokony hahazo vato bebe kokoa noho io izy. Tafavoaka tsara ihany koa...

Isiraely: “fanavakavahana tsotsotra” amin'ny fitateram-baovao

  27 Oktobra 2009

Eo ho eo amin'ny 20%-n'ny mponina, ireo Palestiniana mizaka ny zom-pirenena Isiraeliana (antsoina ihany koa hoe Arabo Isiraeliana) no milaza fa voavakavaka amin'ny sehatra maro eo amin'ny andaanandrom-piainana. Nanery am-panahy mpamaham-bolongana Palestiana iray any Isiraely ny fomba fitantaran'ny haino aman-jery lozam-piarakodia niseho vao haingana. Ny mpamahana ny bolongana The Other...