Global Voices sy ny Blog Action Day 2009

badge-180-150Amin'ny 15 Oktobra, hiaraka ireo mpitoraka blaogy maneran-tany hanoratra blaogy momban ny fiovaovan'ny toetr'andro ao amin'ny iray amin'ireo hetika ara-tsosialy lehibe eto amin'ny aterineto: ny Blog Action Day.

Ity dia hetsika iray  isan-taona  mampiray an'ireo mpitoraka blaogy maneran-tany amin'ny fanoratana mombana lohahevitra iray amin'ny andro mitovy. Ny tanjon'ity fanehoana maneran-tany ity dia ny hanaitra ny fahatsiarovan-tenan'ny tsirairay sy hanentana ny fifanakalozan-kevitra iraisana momba ireo lohahevitra manan-danja atrehan'izao tontolo izao.

Ao amin'ny blaogy ofisialin-dry zareo, Robin Beck dia manambara ny lohahevitry ny Blog Action Day 2009:

Faly dia faly aho manambara ny lohahevitry ny Blog Action Day 2009: fiovaovan'ny toetr'andro.

Olona an'arivony no nifidy ary hiaraka isika hitondra tsioka vaovao ho an'ny resadresaka iraisam-pirenena momba ny fiovaovan'ny toetr'andro raha miomana ny hihaona any Copenhagen ireo mpitondra antsika ny volana Desambra ho avy izao mba hahitana marimaritra iraisana amin'ny famahana ity olana ity.

Ny Blog Action Day dia noforonon'i Collis & Cyan Ta'eed tamin'ny 2007 teo ambany fanohanan'ny ekipan-dry zareo ao amin'ny Envato. Tamin'iny fanatontosana voalohany iny, nampirisika mpitoraka blaogy maherin'ny 20.000 mba hanokanana andro iray hanoratana momba ny olana ara-tontolo iainana ireo mpamorona. Ny taona manaraka, tamin'ny 2008, nanasongadina ny olan'ny fahantrana izy ireo niaraka tamin'ireo mpitoraka blaogy nizara fomba fijery sy hevitra hitadiavana vahaolana.

Amin'ity taona ity, ny fiovaovan'ny toetr'andro no lohahevitra, izay fotoana lehibe hanandratana ireo resadresaka rehetra sy fanentanana amin'ny aterineto izay karakarain'ny fivorian'ny Firenena Mikambana COP15 mialoha ny any Denmark ny volana Desambra 2009.

Na iza na iza dia afaka mandray anjara amin'ny Blog Action Day amin'ny 15 Oktobra, na amin'ny blaogy izany, na amin'ny gazety anaty aterineto na gazetiboky. Tsy misy fetrany na ny isan'ny lahatsoratra afaka soratan'ny tsirairay na ny zavatra ao anatin'izany rehefa mbola ny fiovaovan'ny toetr'andro no lohahevitra. Anisan'ireo mpanohana ny Blog Action Day ireo fikambanana toa an-dry Oxfam, Avaaz, TckTckTck, Greenpeace ary Amnesty International.

Amin'ny maha-blaogy mpiara-miasa ofisialy azy, Global Voices dia hanohana ny Blog Action Day amin'ny fampirisihana ireo mpitoraka blaogy maneran-tany mba haneho anaty aterineto ny fanohanany ary handray anjara. Manomboka amin'ny 15 Oktobra, ireo mpitoraka blaogin'ny Global Voices dia hifaly amin'ny fametrahana rohy mankany sy mandika teny izay nolazain'ireo mpitoraka blaogy maneran-tany momba ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny tontolo iainana misy azy avy.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.