Kôlômbia: Aiza no ahitana ny Buñuelo tsara indrindra

Ny buñuelo dia sakafo tena Kolombiana izay mahanoana na maheno ny anarany fotsiny aza. Izay no nitranga tamina vondrona Kolombiana mpampiasa twitter, izay nisafidy ny hiresaka momba ny toerana tiany fividianan-dry zareo ny buñuelo, toy ireo sakafo mampiavaka an-dry zareo manokana.

Vita avy amin'ny lafarinina sy fromazy, avy eo natao boribory, ny buñuelo dia nendasina ary hita eny amin'ireny mpivarotra amoron-dàlana ireny na koa eny amin'ny toeram-pivarotana hafa ho an'ireo mpanjifa noana. Na dia miovaova araka ireo firenena any Amerika Latina aza ny buñuelo, ny buñuelo Kolombiana dia amin'ny fotoampialan-tsasatra no tena hanina, nefa misy mihinana azy ihany koa mandavan-taona.

Buñuelo by MundoNeko and used under a Creative Commons license. http://www.flickr.com/photos/36303292@N00/212493296/Buñuelo avy amin'i MundoNeko ary nampiasàna ny Creative Commons. http://www.flickr.com/photos/36303292@N00/212493296/

Camilo García ao amin'ny blaogy Hyperconectado [es] nanangona ireo valinteny tamin'ny fanontaniana napetraka tamin'ireo mpampiasa twitter toa azy tao amin'ny renivohitr'i Bogotá. Aiza no ahitana ny buñuelo tsara indrindra? Manoratra izy:

El buñuelo es rico. Punto. Tostadito y esponjadito, grande o chiquito, no importa… es simplemente rico. Por esta razón y gracias a la colaboración de Twitters colombianos se crea La Ruta del Buñuelo en Bogotá que busca ubicar y destacar los mejores buñuelos de la ciudad.

Matsiro ny buñuelo. Teboka famaranana. Mikarepoka sy toy ny spaonjy, lehibe na kely, tsy olana… matsiro fotsiny izao izy. Noho izany sy noho ny fiaraha-miasan'ireo Kolombiana mampiasa twitter no namoronana ny làlan'ny Buñuelo any Bogotá, mba hahitàna sy hanomezan-danja ireo buñuelos tsara indrindra ao amin'ny tanana.

Mpampiasa twitter maro,  ohatra ry Catalina Alba, Victor Solano sy Hector Linares no namaly ny antso. Nampahafantarin'izy ireo ny toerana matotra misy ireo buñuelos tsara indrindra ao an-tanàna.

Ny resaka anaty aterineto  momba ny toerana ahitàna ny vaovao tsara farany dia nitarika ho an'ny fomba fihinanana buñuelo tsara indrindra sy ny fifampizaràna tantara mahaliana. Manoratra i José Carlos García R :

Como comer #buñuelo: Yo lo muerdo a la redonda, lo dejo como manzana mordida de caricatura y luego me como los polos.

Ahoana ny fomba fihinanana ny #buñuelo: haniko ilay bolongana boribory, ataoko toy ny  fanaovana paoma kakerina, avy eo haniko ny ambiny.
Photo of frying buñuelos in Colombia by Cirofono and used under a Creative Commons license: http://www.flickr.com/photos/ciroduran/83584367/Sarin'ny buñuelos endasina any Colombia avy amin'i Cirofono ary ampiasàna ny Creative Commons : http://www.flickr.com/photos/ciroduran/83584367/

Nahatsiaro tantara iray hafahafa koa izy :

Recuerdo una noticia de una imagen de la virgen que apareció en un #buñuelo Orad antes de morder tu #buñuelo, hermanos. Josecarlos 2:12

Tsaroako ho naheno tantara izay aho hoe nipotra avy tao anatina #bunuelo ny sarin'i Masina Maria. Mivavaha alohan'ny ihinananareo #buñuelo, ranadahy sy ranabavy. Josecarlos 2:12

Ny firesahana momba ny buñuelo dia nahatonga ny sasany hirohotra hividy sy hihinana iray, nefa nisy vokany somary ratsy izany. Any Bogotá, @korsario manoratra:

hay boronas de #buñuelo en el teclado……. todo por culpa de twitter

Misy potipotika #buñuelo eo amin'ny clavier…. Fahadisoan'ny Twitter daholo izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.