Hetsiky ny mpitoraka blaogy Omani hiadiana amin'ny gripam-borona

Omani Bloggers Campaign Against Swine Flu

Niakatra be ny isan'ireo olona voan'ny gripam-borona any Oman. Olona efa ho 16 izao no maty ato amin'ny firenena , ity no fahafatesan'olona maro be indrindra taty amin'ny Golf.  Tokony ho ny volana Septambra ny fidirana an-tsekoly sy any amin'ireo Anjerimanontolo, saingy nahemotra ho ny tapatapaky ny volana Oktobra. Ny fety be nokasain'ny firenena hatao ny volana Janoary dia nofoanana noho ny tahotra  gripa.

Maro amin'ireo mpitoraka blaogy Omani no tsy faly amin'ny tatitra avy amin'ireo media ao an-toerana ary mieritreritra fa tokony hamafisina ny fanentanana, indrindra raha fantatra fa mety hiparitaka be ny aretina mandritra ny fankalazana ny Eid sy Fitr , izay manomboka rahampitso. Ny mpitoraka blaogy Hamed Al Ghaithi dia nanomboka hetsika fanentanana ny mpitoraka blaogy ho fisorohana ny gripam-borona ka ao no anomezany toro-hevitra:

  • Atosika ireo media any Oman mba hiova vonjy maika hitaiza ny vahoaka hanana fomba fanao mendrika, ny fahadiovan'ny tsirairay, ary ny hanomezana toro-hevitra amin'ny tsy tokony hifandraisana tànana, hifanoroka, na koa manao vondrom-bavaka.
  • Atosika ny governemanta hametraka fepetra amin'ny fiantsenana any amin'ireny tranombarotra sy ireny hetsika sosialy sy ara-pinoana goavana ireny, tahaka ny fampakarambady na ny fankalazana ny Eid.
  • Ajanona ny enim-bolana voalohany amin'ity taom-pianarana ity ary raha tsy mbola voafehy ny olana  hatramin'ny volana Febroary, dia ny taompianarana amin'ity taona ity mihitsy no foanana.
  • Asiana hetsika fanadiovana faobe ho an'ireo toerana falehan'ny be sy ny maro toy ny tsenam-pokonolona sy ny toeram-pianarana.
  • Manaraka ny fizotry ny fahasalaman'ny olona tonga avy any ivelany ary fanokana-monina azy ireny raha sanatria ahiahiana ho voa izy ireo.

Ireo hevitra rehera ireo, ohatra ny fanafoanana taompianarana iray manontolo  dia tsy afaka ho tanterahana daholo, saingy mahafinaritra ny mahita mpitoraka blaogy Omani mifanakalo hevitra sy manapariaka hafatra mampitandrina mba hampihenana ny mety ho fihanaky ny aretina.

Ny mpitoraka blaogy Bader Al Hinai dia nilaza ny asa mivantana amin'ny fanentanana mpitoraka blaogy nataon'izy ireo momba ny ady amin'ny gripam-borona izay tokony nanomboka androany ka misy ireo mpitoraka blaogy mankany an-tsena ao an-toerana mba hampianatra ny olona hampiasa amin'ny tokony ho izy ireo fitaovana famonoana otrikaretina.  Mbola tsy ahitana tatitra hoe nanao ahoana ilay hetsika aloha amin'izao fotoana izao aty anaty aterineto. Araka ny hevitr'i Bader, havoaka atsy ho atsy ireo hetsika hitranga atsy ho atsy aorian'ny fialantsasatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.