Iran: Lahatsarin'ny fihetsiketseham-panoherana nandritra ny andron'i Quds

quds0Nitafy maitso ny mpanao fihetsiketsehana Iraniana ny 18 Septambra teo ho fanohanany ny mpanohitra, izay mbola nihantsy ny fitondrana Iraniana indray teny an'araben'i Teheran, Shiraz, Isfahan, ary tanàna maro hafa hanoheran'izy ireo ny jadona.

Ataon'ny Repoblika Islamika amin'ny fomba ofisialy ho Andron'i Quds ( andro atokana ho fanohanana ny Palestiniana manohitra an'Isiraely) moa io andro io, fa ny mpanohitra kosa nisafidy kokoa ny hitaky fahafahana any Iran fa tsy ny fanafahana firenena hafa loatra.

Nihogahoga hiaka sahala amin'ny hoe ‘Tsy Gaza sady tsy Libanona!’ ‘Vonona ny ho sorona ho an'Iran ny aiko!’ ‘Adaboka ny mpanao didy jadona!’ ary ‘Adabohy i Rosia’.

Naka sary (ambony) sy lahatsary ny olona nanatrika ireny fihaonana ireny.

Manohana ny mpitarika ny mpanohitra

Mihiaka ny fanohanany ny mpitarika ny mpanohitra tahaka an'i Mir Hussein Mousavi sy Mehid Karoubi ny mpanao fihetsiketsehana tao Karimkhan afovoan-tanànan'i Teheran.

Renina Maritiora

Hita ho nandray anjara tamin'ity fihetsiketseham-panoherana nandritra ny Andron'i Quds ity ihany koa ny renin'i Sohrab Arabi, ilay tovolahy maty nandritra ny fihetsiketsehana ny ampitson'ny androm-pifidianana tamin'ny volana jona (araka ny hita eto amin'ny lahatsarin'i iReport hita eto ambany). Nihoraka ny olona fa ‘Velona i Sohrab!’ ary ‘Maty ny governemanta!’.

Mbola misy lahatsarim-pihetsiketsehana hafa hita ao amin'ny iReport.

Fampitandremana ny governemanta

Nihiaka ny mpanao fihetsiketsehana teo amin'ny lalana Vesal tao Teheran, “Fampitandremana farany izao – vonona ny hijoro ‘hetsika maitso'!”:

Adabohy i Rosia, hoy ny tao Shiraz

Nandray anjara tamin'ny Andron'i Quds ny mpanao fihetsiketsehana tao Shiraz saingy nihiaka manohitra an'i Rosia, fa tsy i Isiraely. Mifandraika amin'ny fiampangan'ny mpanohitra milaza fa nanofana ny herim -pamoretan'ny fitondrana i Rosia no anton'izany antsoantso izany.

Hamid Tehrani

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.