Indonezia: voamarina fa maty tokoa ilay lehilahy natao savahao indrindra

Voatatitra fa nanafika vondrona islamista vitsy mahery fihetsika iray tao amin'ny manodidina an'i Solo, afovoan'i Java, tamin'ny alakamisy maraina teo ny Sampana manokana Indoneziana miady amin'ny fampihorohoroana Densus 88. Fantatra nandritra io fifampitifirana io fa tsipalotra ho Noordin M. Top, ilay Indoneziana atao savahao indrindra ny iray amin-dry zalahy mpampihorohoro.

Maty nandritra ny fifampitifirana izay naharitra 9 ora tamin'izany i Top sy ny namany efatra.

Nilaza ny Lehiben'ny Polisim-pirenena, ny Jeneraly Bambang Hendarso Danuri fa [id] misy 14 ny teboka mifampitontona amin'ny dian-drantsan-tanan'ilay mpiady voatahirin'ny polisy. Nilaza ihany koa i Danuri fa fitahiana izao fahombiazana tanatin'ny volana Ramadany izao.

Mihoby izao zavabita izao ny mpisioka an-tserasera:

@noorfitriani says "Mandehana amin'ny Afobe ry Noordin M Top, Ankafizo ny afobe izay noforoninao."

@rockrodent Nambara androany ny fahafatesan'i Noordin M Top. Midera ny polisy. Hahita filaminana amin'izay anie ny firenena aorian'izao.

@ryobenjamin voatifitra i Mohammed Noordin Top. Tsara izany.

@noorfiltriani Mankany amin'ny afobe aloha i Noordin

@arnoldsigik tsy mampino! Niray tanàna tamin'ny olona natao savahao nanerana ny firenena indrindra hay izahay. Maty voatifitry ny #Densus88 i #Noordin M Top

Nilaza ny filoha Yudhoyono, raha nampiato ny fifadian-kanina niaraka tamin'ny mpanao gazety tao amin'ny lapam-panjakana fa tena ankasitrahany indrindra ny nataon'ny polisy sy ny vondrona 88 noho ny asa lehibe nataon'izy ireo hiadiana amin'ny fampihorohoroana.

Nilaza ihany koa ny filoha ny tokony mbola hahamailo ny firenena hatrany, na dia efa maty aza i Noordin fa mbola mbola tsy voasambotra akory ireo vondrona isn-karazany naoriny [id], ka mbola ilaina ny hifampitantanan'izao tontolo izao amin'ny famongorana ny fakan'ny extremisma sy ny fampihorohoroana.

Carolina Rumuat

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.