Afganistana: Androm-pifidianana an-tsary

Afgana an-tapitrisany no nifidy tamin'ny Alakamisy 20 Aogositra, tamin'ny fihodinana faharoa fifidianana izay ho filoham-pirenena amin'ny tantaran'ny firenena. Araka ny The Associated Press, tsy havoaka ny valiny raha tsy any amin'ny volana Septambra any rehefa vita ny fanadihadiana momba ny hosoka.

Mpitoraka blaogy maro no efa nizara ireo fihetseham-po, zava-niainana, olana sy fanantenan'izy ireo tamin'iny androm-pifidianana iny. Ireo mpitoraka blaogy an-tsary koa dia nanamarika ity andro ity tamin'ny famoahana sary mampiseho ny fisian'ny fitandroana fandriampahalemana entitra, fahavitrihan'ny mpifidy ary ny olana (nahazoana alàlana daholo ny famoahana ireto sary ireto).

Fardin Waezi ao amin'ny Thruafghaneyes dia namoaka sary maromaro mampiseho mpifidy miandahy miambavy  tany Kabul:

afghan0

… sy miaramila iray mifidy:

afghan01

Ny sarin'i HeratZemin dia mampiseho ny fisian'ireo miaramila maro be:

afghan02

Sy ny fahavitrihan'ny mpifidy:

afghan03

Mostafa Kia dia maneho ao amin'ny Motvaled Mizan fa azo diovina tsara ny rantsan-tànana misy ranomainty fara-faharatsiny any amina biraom-pifidianana iray .

Picture_121

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.