Afghanistan : Androm-pifidianana

Afghans an-tapitrisany no nihaika ny fandrahonan'ny Talibans ka nandeha nifidy tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena faharoa nisy hatramin'izay teo amin'ny firenena tamin'ny alakamisy, araka ny filazan'ny gazety tandrefana. Nisy ihany, araka ny tatitra herisetra madinika niseho tetsy sy teroa ary tahaka ny vitsy ny mpifidy tao an-drenivohitra sy tany atsimon'ny faritany noho ny fahamaroan'ny Talibans tany amin'ireo faritra ireo, saingy nolazain'ny mpiasam-panjakana teratany sy ny iraky ny firenena vahiny fa voasoroka ny voina tena nahian'izy ireo. Mitantara ny zava-niainany sy ny fahatsapany nandritra io andro manantantara io ny mpamaham-bolongana Afghan.

Namoaka saripika maromaro tao amin'ny bolongan-tsariny i HeratZamin izay ahitana ny sarin'ny mpifidy sy ny mpitandro ny filaminana.

Nanoratra i Mohammad Zaher Nazari fa [fa]:

Nifidy tany amin'ny distrikan'i Kahmard afovoan'i Afghanistan aho. . . Nitsidika foibem-pifidianana dimy aho ary taratro mandeha milamina ihany ny fifidianana ary tsy nahita fandikan-dalàna nolazain'ny kandidà sasantsasany aho fa tsy dia betsaka ihany koa ny olona. . . Nanontany izay antony aho ka nisy namaly fa nankany Kabul ny voafidy ary tsy nampiasainy ny vola ho an'ny distirìka fa nangalariny ka tokony hatao ampamoaka ny amin'izany izy.

Nampian'i Nazari fa ankevitry ny 2000 ny efa nandray anjara tao Kahmard saingy ny tena isa marina dia mihoatra kelin'ny 700 ihany (tsy mazava loatra ao amin'ny lahatsoratr'i Nazari na fijeriny ihany io na loharanom-baovao hafa no reny na hitany).

Niteny i Ejtema [fa]:

Nifidy izahay omaly teto Afghanistan, maro kokoa no nifidy tany avaratry ny firenena miohatra amin'ny atsimon'i Afghanistan. Olona maromaro sy miaramila vitsy no matin'ny mpioko Taliban.

FezaiIbrahimi, kandidà ho ao amin'ny Antenimiera Afghan, no manoratra [fa]:

Soa ihany fa nilamindamina ihany ny fifidianana. . . Ny tena nahavariana dia ny nandehanan'ny anti-bavy sy anti-dahy nifidy ary mihoatra noho ny an'ny tanora ny fifalian'izy ireo amin'izany.

Hamid Tehrani

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.