Pero: Tsy mbola tafarina ny rava 2 taona aty aorian'ny horohorontany

Feno 2 taona tamin'ny 15 aogositra teo ilay horohorontany nitranga tany atsimon'i Pero, voakasika indrindra tamin'izany ny faritry Ica, Pisco ary Nazca. Voakasik'izany ihany koa ny faritra manakaiky tendrombohitra hafa tahaka an'i Huancavelica. 2 taona izay no lasa taorian'iny horohorontany iny kanefa araka ny fantatra dia zara fa misy ny fanavaozana ny simba any amin'ny faritra maro, ary mivantana indrindra amin'ny fanjakana ny fanakianana. Nilaza ny fanjakana fa 2 tapitrisa soles no efa lany (eo ho eo amin'ny 680 000 dôlara amerikana), saingy mila fanazavana manontany ny amin'izay nandaniana ny vola ireo mponina mipetraka any amin'ny faritra rava.

Mandritra izany fotoana izany dia mitohy ihany ny fanoherana satria tsy faly amin'ny tsy fisian'ny fanaovan-javatra ny mponina. Miantso hanao fitokonana ny vohikala Feon'ny Fanavaozana ny 8 septambra ho avy izao ka nanao hoe: “Na taiza na taiza toerana nandefasana fanampiana any amin'ireo faritra voakasik'iny horohorontany iny dia tsy tonga mihitsy tany amin'ny nandefasana azy izany”. Manampy trotraka koa ny tsy fahampian'ny serasera any amin'ireny faritra ireny… Nisy vaomiera natsangana hanara-maso ny fanampiana nomen'ny olon-tsotra sy ny fikambanana maro. “Miaraka amin'izany rehetra izany, ireo mpitarika vahoaka sy ireo mponina voakasiky ny fahasimbana no antsoina hivondrona ao amin'ny Reconstruction Collective. Fahavononana iray hafa koa ny Citizens Caravans izay narakitr'i Enlace Nacional [es] ao amin'ity sary mihetsika ity:

Nilaza izany vaovao izany ireo mpitoraka bilaogy. Ny bilaogy Cañete Hoy [es] no milaza fa “tsy mitsahatra ny fampanantenana kanefa tsy misy ny zavatra vita”, ary nahazoana sary mihetsika izany toe-javatra izany tao an-tanànan'i Canete. Vaovao maro no azo alaina ao amin'ny bilaogy Colectivo de Periodistas de Ica (Fikambanan'ny Mpanao Gazety any Ica). Amin'ny lafiny iray dia manoratra i Julian ao amin'ny Chinganita Peru fa ny teny filamatra tahaka ny hoe “Trafa Peru” (Fahadisoam-panantenan'i Pero) dia tokony ho tazana manerana an'i Lima renivohitra hanehoana ny fitarozahan'ny ezaka fanamboarana.

Ao ami'ny bilaogy Mejor Hablar de Ciertas Cosas [es] no manakiana ny fanjakana i Luis Virgil noho ny tsy nanamboarana ny tanàna hatramin'izao:

La pregunta es, ¿por qué no renacen las ciudades afectadas? ¿Qué tanto se demoran? No me explico, es más; la ayuda internacional llegó de inmediato. ¿Se repartió bien? ¿Acaso no enviaron millones de dólares para la reconstrucción de las zonas afectadas? ¿Dónde está?

Ny fanontaniana mipetraka dia hoe maninona no tsy amboarina ny tanàna simba? Maninona no mitarozaka izany fanamboarana izany? Tsy azoko mihitsy; tonga avy hatrany ny fanampiana iraisam-pirenena tamin'izany fotoana. Voazara tsara ve izy ireny? Tsy nanome vola an-tapitrisany dôlara ve ry zareo? Nankaiza izany vola izany?

Namoaka ny kaontin'ireo niharan-doza tamin'iny horohorontany iny ny bilaogy Otras Tardes [es] . Milaza ny bilaogy [es] fa mbola mitohy ny fanaintanana any Pisco roa taona aty aoriana:

Es increible que a dos años del terremoto muchos politicos esten contentos al decir que se han reconstruido 198 casas. Si h***** pero se cayeron cerca de 2,000! Tambien las donaciones dadas a los afectados para que puedan reconstruir sus casas fueron dadas en cheques sin fondo! Osea, encima de que no los ayudan los engañan!

Tsy azo ekena roa taona aty aorian'ny horohorontany dia mpanao politika maro no afa-po amin'ny hoe trano 198 no efa voatsangana. Kanefa manodidina ny 2000 no rava! Nozaraina tamin'ireo tra-boina ny fanampiana mba hananganany ny tranony, kanefa tsy nisy antoka ny taratasim-bola (tsy misy vola akory any amin'ny kaonty)! Raha atao amin'ny teny hafa dia hoe nandiso fanantenana ry zareo!

Na izany aza dia tsy ny mpitoraka bilaogy rehetra akory no tsy miresaka afa-tsy ny tsy fahombiazana. Jaime Espejo Arce an'ny Fiscalizacion Ciudadana manohana ny heviny manoloana ny ezaka fanavaozana, no manindry tsara ny ezaka atao hanavaozana ny Senor de Luren Church any Ica:

La entrada al Templo permanece como si el terremoto hubiera sido ayer. Algunos restos de la infraestructura amenazan con seguir desprendiéndose. … El millón de euros destinado por el Vaticano inicialmente para el Templo de Luren tuvo otro destino. Según el sacerdote Edmundo Aparcana, vocero de la Diócesis de Ica, “el millón de euros se distribuyó en tres partes: una parte fue a Ica, la otra para Cañete y Yauyos y la parte final para Huancavelica. … Por tanto, a fin de reconstruir el Santuario de Luren se llevará a cabo una Teletón este sábado 15 de agosto; mientras que la colecta nacional – a través de la campaña Compartir- se desarrollará el 21 de agosto.

Toa ohatran'ny vao omaly ny horohorontany raha jerena ny vavahadin'ity fiangonana ity. Mihasimba hatrany ny sisa tsy rava… Niova lalan ny vola 1 tapitrisa euros nomen'i Vatican hanamboarana ny fiangonana Luren. Araka ny voalazan'ny môpera Edmund Aparcana, mpitondra tenin'ny diosezin'i Ica dia “nozaraina telo io vola 1 tapitrisa io: ny 1/3 nomena ny tanànan'i Ica, ny 1/3 an'i (tanàna)Canete sy Yauyous ary ny 1/3 farany nomena an'i (tanàna) Huancavelica… Ankoatra izany, mba hamitàna ny fanarenana ny fiangonana Luren dia hisy telethon (fanangonam-bola) hatao ny asabotsy 15 aogositra; miaraka amin'izay koa, ny fanangonana eran'ny firenena manontolo – amin'ny alalan'ny fanentanana Share – dia hatao ny 21 aogositra.

Ohatry ny hoe manome vahana ny any amin'ny biraom-panjakana koa ny ataon'ny fanjakana, ary tantara iray voalaza ao amin'ny gazety El Comercio an'ny fanjakana no maneho fa taratasy iray monja hanaovana tomban'ezaka amin'ny asa vita no karakaraina ary tsy vita izany raha tsy 6 volana. Araka ny voalazan'ny bilaogy Café Taipa dia “2 taona aty aorian'ny horohorontany dia milaza ny fahombiazany ny fanjakana, kanefa tsy ao anatin'io fahombiazana io ny fanarenana ny simba”

Sary mihetsika amin'ny teny anglisy nalefan'i Marisol Salazar.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.